Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita ny toerako ao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara


“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita ny toerako ao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahita ny toerako ao amin’ny valan’ilay Mpiandry Tsara

Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong fa ilay Mpiandry Tsara dia “mitady sy manangona antsika” sy “mampianatra antsika ny fomba hanompoana am-pitiavana” (“Mpiandry Tsara, Zanakondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 97). Ato anatin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ny mahafantatra fa ilay Mpiandry Tsara dia miraharaha ny olon-drehetra. Ireo mpianatra ihany koa dia hianatra ny maha-zava-dehibe ny fananana ny toe-po tahaka ny an’ny mpiandry ondry mba hahafahan’izy ireo mitady sy manampy ireo ondry very izay an’ny Tompo.

Soso-kevitra enti-mampianatra

I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara.

Azonao atomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana ireo sarina mpiandry ondry sy ondry izay nampiarahana amin’ity boky ity ny fotoam-pianarana.

Sary
Mpiandry ondry mitarika ny andian’ondriny
Sary
I Jesoa miaraka amin’ny zanak’ondry iray
Sary
Mpiandry ondry ao amin’ny valan’ondry

Ifanakalozy hevitra vetivety ny tsy mampitovy ny mpiandry ondry amin’ny mpikarama (jereo ny Fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

Mety hanampy ihany koa ny mampiseho ilay sarin’i Jesoa Kristy izay maneho ny atao hoe Mpiandry Tsara any am-piandohan’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy manoratra eny amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny tsy feno manaraka izao: Ny Mpiandry Tsara dia …

Asao ny mpianatra hamerina hijery miaraka amin’ny namana iray na ao anatina vondrona kely iray ny Jaona 10:11, 14–16; Salamo 23:1–4; 3 Nefia 18:28–31 ka hitady ireo fomba hamenoana ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra mba hifanakalo hevitra anaty vondrona kely dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fehezan-teny nofenoin’izy ireo. Mety hahitana fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ny fehezan-tenin’izy ireo: Ny Mpiandry Tsara dia manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny. Ny Mpiandry Tsara dia mahafantatra ny ondriny sy mahafantatra ny isany. Ny Mpiandry Tsara dia mikolokolo sy mitarika ary miaro ny ondriny.

Rehefa mahita fahamarinana momba ny Mpiandry Tsara ireo mpianatra dia eritrereto hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no mety hapetrakao mba hanampiana hahatonga ny fitiavan’izy ireo Azy sy ny fankasitrahan’izy ireo Azy ho lalim-paka:

  • Nahoana no mety hanan-danja ny mahatakatra fa ny Mpamonjy dia mahafantatra sy mahalala ny isan’ireo mpanara-dia Azy? Inona no eritreritra sy fahatsapana tonga ao anatinao teo am-pisaintsainanao fa ilay Mpiandry tsara dia nanolotra ny ainy mba hamonjena ny tsirairay avy amintsika?

Azonao asaina ny mpianatra mba hisafidy iray amin’ireo andian-teny ao amin’ny Salamo 23:1–4 (toy ny hoe “ahi-maitso,” “rano fialan-tsasatra,” “mamelombelona ny fanahiko,” “lalan’ny fahamarinana,” na “ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy”) ary asao izy ireo hizara ny zavatra mety ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba ilay Mpiandry Tsara.

  • Inona avy ireo fomba nahatsapanao ny fitiavan’ilay Mpiandry Tsara anao sy ny firaharahiany anao. Tamin’ny fomba ahoana no nanampiany anao hamakivaky fotoan-tsarotra iray?

Azonareo atao ny mamaky na mihira na mihaino andininy iray amin’ilay fihirana “L’Eterenel est mon berger” (Cantiques, no. 57). (Hevero ny hampiseho ny tonony.) Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana niambenan’ny Tompo azy ireo.

Manasa ny rehetra hankao amin’ny valany ny Mpiandry Tsara.

Hevero ny hampiseho ny sarin’i Petera sy ny Mpamonjy (jereo ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana) eo amoron’ny Ranomasin’i Galilia sy hanasa mpianatra iray mba hanazava ny zava-mitranga eo amin’ilay sary. Mety hanampy ny mamaky ny Jaona 21:15–17 sy mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hitanao fa manan-danja momba ny hafatry ny Mpamonjy ho an’i Petera? (Azonao soratana eny amin’ny solaitra be ny fitsipika toy izao manaraka izao: Mampiseho ny fitiavantsika ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny.)

Hevero ny hamerina hijery miaraka amin’ireo mpianatra ny teny nambaran’ny Filoha Bonnie H. Cordon ao amin’ny Fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “[manana] toe-po tahaka ny an’ny mpiandry ondry”?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Katsaho ny hampandray anjara ny mpianatra rehetra. Mba ho tahaka ny Mpamonjy dia mila manampy ny mpianatra rehetra isika na manao ahoana na manao ahoana ny fahavitrihany ao am-piangonana na ny haben’ny finoany na ny safidy noraisiny teo amin’ny fiainana na ny endriny ivelany na ny fahatakarany ny filazantsara. Rehefa mitarika fifanakalozan-kevitra ianao dia ezaho ny hanorina tontolo anjakan’ny fitiavana sy fahatokisana mba hahafahan’ny mpianatra tsirairay hahatsapa ho ilaina sy afaka mizara ny heviny sy ny fahatsapany ary ireo hevi-baovao miavaka.

Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity na tantara narafitrao manokana mba hitarihana fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny iray kilasy:

Nasaina nanompo an’i Haja ianao. Mifandraisa aminy amin’ny alalan’ny tamba-jotran-tserasera mba hangatahana fihaonana aminy. Toy izao ny hafatra navaliny: “Tsy mila vangiana aho. Niezaka ny nankao amin’ny paroasy aho tamin’ny herin-taona dia nahatsapa ho tsy nahazo aina. Tsy mahatsapa ho amin’ny toerako na voaray aho ao am-piangonana. Tsy mila mandany ny fotoanao amiko akory ianao.”

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba hamaliany an’i Haja. Mety hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ianao ho isan’ny fifanakalozan-kevitra:

  • Inona no mety dikan’ny hoe manana toe-po tahaka ny an’ny mpiandry ondry amin’ity toe-javatra ity?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety ifandraisan’ilay fanoharana momba ilay ondry very amin’ity rafi-tantara ity? (Hevero ny hamerina hijery ny Lioka 15:4–7 sy ny teny nambaran’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga antsika ho “ondry very”? Raha nahatsapa ho very ianao dia inona no nataon’ny hafa mba hanampiana anao hiverina? Raha very ianao amin’izao fotoana izao dia inona no zavatra irianao indrindra avy amin’ny mpikamban’ny Fiangonana? (Raha toa izany ka hanampy ireo mpianatrao dia azonao atao ny mangataka azy ireo mba hamorona vondrona kely ka ataovy tadiavin’izy ireo ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo fitsipika izay mety hanampy olona iray hahatsapa tena ho voaray kokoa ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo.)

  • Inona no nianaranao mikasika ny Mpamonjy rehefa nitady ireo izay very na mahatsapa tena ho tsy voaray ianao?

Omeo fotoana vitsivitsy ny mpianatra mba hisaintsainana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana olona iray hahatsapa tena ho manan-danja sy ilaina ary amin’ny toerany ao amin’ny valan’ny Tompo. Amporisiho ny mpianatra hirakitra an-tsoratra sy hamadika ho asa ny fitaomam-panahy azon’izy ireo.

Ho famaranana dia azonao atao ny mizara ny fahatsapana anananao momba ilay Mpiandry Tsara na manasa mpianatra iray hizara ny fahatsapany momba Azy.

Ho an’ny fotoana manaraka

Rehefa mandalina ny lessona 21 ianao dia eritrereto ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao na ny zavatra azonao atao isan’andro mba hihainoana ny feon’ny Tompo.