Institiota
Lesona 8 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaiky an’i Jesoa Kristy ho Ilay Mesia nampanantenaina


“Lesona 8 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaiky an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 8 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 8 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manaiky an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina

I Jesoa Kristy no ilay Mesia (na “Ilay Voahosotra”) ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nofidin’ny Ray any An-danitra ho Mpamonjy antsika Izy. Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hiresaka momba ny fomba ahafahan’ny fanekena ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mesia Azy manova ny fiainan’izy ireo. Hamporisihina ny mpianatra hihevitra ny fomba ahafahan’ny Mesia manampy azy ireo amina fanaintainana na fahoriana iainan’izy ireo.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manambara i Jesoa Kristy fa Izy no ilay Mesia.

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Tsy nisy notsitsina tamin’ny aretina sy alahelo. … Tsy ho an’ny manan-karena na ny mahantra ihany, tsy ho ana kolontsaina na firenena na taranaka iray ihany ny ratram-panahy. Mahazo ny olon-drehetra izany ary ampahany amin’ny fianarana izay raisintsika avy amin’ity fiainana an-tany ity izany. (Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 84)

Hevero ny hanoratra ity andian-teny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Ratran’ny fanahy.

Asao ny mpianatra mba hizara fomba samihafa iainantsika ratran’ny fanahy ary soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Mba hahatonga ity fiaraha-mientana ity hanan-danja kokoa amin’ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamantatra mangina ny ratran’ny fanahin’izy ireo na ny an’ny olona iray tian’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hihevitra manokana mandritra ny fotoam-pianarana ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy amin’ireny ratra ireny.

Asao ny mpianatra hamaritra na hanazava ny fiantsoana hoe Mesia sy ny antony mahatonga ilay Mesia nandrasana ho nanan-danja tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra tamin’ny fotoanan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.

Mariho fa ny Isaia 61:1–3 dia faminaniana momba ny fomba hanampian’ny Mesia ny fanahy maratra ho sitrana. Asao hamerina hijery ireo andininy ireo ny mpianatra ary hitady teny na andian-teny afaka manome fanantenana ireo izay mijaly.

Rehefa mandalina ny mpianatra dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Ny fomba anampian’ny Mesia ny fanahy maratra. Avy eo dia azonao atao ny mizara ny teny na andian-teny hitan’izy ireo fa manan-danja indrindra ary hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa, dia hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba iresahan’io teny na andian-teny io ny ratran’ny fanahy?

  • Nahoana no manan-danja aminao io teny na andian-teny io?

  • Inona no ampianarin’io teny na andian-teny io antsika momba ny Mesia sy ny asa nanirahana Azy?

Rehefa avy manome fotoana hanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja ianao, dia azonao aseho ilay sary miaraka amin’ny lesona izay ahitana an’i Jesoa tao amin’ny synagoga tany Nazareta. Avereno jerena vetivety ilay sahan-kevitra, ary avy eo dia manasà mpianatra iray hizara ny fomba nampiasan’i Jesoa Kristy ny Isaia 61:1–2 mba hanambarana fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina. (Raha ilaina dia ataovy mamerina mijery ny Lioka 4:18–22 ny mpianatra.)

Sary
I Jesoa tao amin’ny Synagôga tao Nazareta, nataon’i Greg K. Olsen

Afaka mampiseho ity fahamarinana manaraka ity ianao: I Jesoa no Mesia izay nirahina hanasitrana ireo torotoro fo, hanafaka ireo nampahoriana ary hampionona ireo izay misaona.

  • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ireo izay mahatsapa ho torotoro fo na maratra ara-pihetsehampo? (Hevero ny hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Mpamonjy na nampiononany anao na ny olona iray fantatrao?

Mijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Mesia hamonjy antsika i Isaia sy Almà.

Azonao atao ny mampiseho ilay sary maneho ny Mpamonjy ary manasa ny mpianatra hizara fohifohy ireo karazana fomba samihafa nijaliany tamin’ny fiainana an-tany.

Sary
I Jesoa notsaraina
Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane
Sary
Ny Fanomboana tamin’ny hazofijaliana, nataon’i Harry Anderson

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiasa miaraka amina namana. Ny olona iray afaka mandalina ny Isaia 53:3–6, 8, 11–12 ary ny iray hafa afaka mandalina ny Almà 7:11–12. Asao hitady zavatra roa ny mpianatra: (1) ahoana no mety hijalian’ny Mesia, ary (2) ahoana no ahafahany mitahy antsika noho ny fijaliany. Rehefa avy mifanakalo hevitra amin’ny namany momba ny zavatra hitany ny mpianatra, dia asao hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy ny mpianatra sasany.

Rehefa mizara ny mpianatra dia mety hanampy ny maneho ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny fanambarana mitovitovy amin’ity manaraka ity: Satria nentin’ny Mesia ny fahoriantsika, ny alahelontsika ary ny fahadisoantsika, dia afaka manasitrana antsika Izy, mitondra fiadanana ho antsika, mitondra ny helotsika, mamela antsika, mampionona antsika ary mamonjy antsika. Hevero ny hametraka ity fanontaniana ho fanaraha-maso ity:

  • Inona no karazana fanaintainana na fahoriana amin’ny fiainana an-tany azon’ny Mpamonjy anampiana antsika? (Mety ho zava-dehibe ny mamerina mijery ny hevitry ny teny hoe mamonjy ary avy eo dia vakio mafy ny teny nambaran’ny Filoha Jean B. Bingham sy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Azonao atao ny maka fotoana kely hanampiana ny mpianatra hitady ohatra tena misy amin’ny fomba amonjen’ny Mpamonjy antsika. Mety ho avy amin’ny soratra masina, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na fiainan’ny mpianatrao ireo ohatra ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fotoana hisaintsainana mangina ny mpianatra. Misy fotoana ahafahan’ny teny ho sakana amin’ny fianarana ara-panahy. Ny fanginana dia afaka ny ho fanomezana masina izay ahafahan’ny mpianatra misaintsaina lalina kokoa ny zavatra ianaran’izy ireo ary maheno amin’ny fomba mazava kokoa ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina.

Afaka mieritreritra indray ilay “ratra” iainan’izy ireo na iainan’ny olona iray tiany ny mpianatra. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao hisaintsaina azy ireo tsirairay ny mpianatra: Omeo fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana fa takatry ny Mpamonjy ny zavatra rehetra andalovanao amin’ny fomba fahitanao ny fanaintainanao sy ny fahorianao?

  • Inona ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao ny amin’i Jesoa Kristy rehefa mieritreritra ny zavatra niaretany mba hahafahany manampy anao ianao? Mitaona anao hanao inona izany?

  • Ahoana no ahafahan’io fahalalana io mitahy olom-pantatrao iray izay miady mafy? Ahoana no ahafahanao mizara izany aminy?

Raha misy fotoana dia afaka manome taratasy kely fandraisana naoty araikitra na taratasy kely ny mpianatrao tsirairay ianao. Asao izy ireo hanoratra ny valiteniny amin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Mieritrereta olona iray fantatrao izay miady mafy amina toe-javatra sarotra. Inona no hafatra azonao zaraina amin’izy ireo momba ny fahafahan’i Jesoa Kristy manamafy orina sy manasitrana antsika?

Avy eo dia asaovy mametraka ny taratasiny manodidina ny efitrano ny mpianatra. Omeo minitra vitsy handehandehanany sy hamakiany ny fanambarana samihafa ny mpianatra.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 9, dia azonao atao ny mandefa ireto sary sy hafatra manaraka ireto mialoha ny fotoam-pianarana manaraka: Makà fotoana handalinana ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 9 ary saintsaino ny antony tokony hankalazana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy tsy rehefa Krismasy ihany fa mandritra ny taona.

Sary
I Maria sy i Josefa ary i Jesoa zazakely