Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita fanantenana ao amin’ilay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao


“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita fanantenana ao amin’ilay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahita fanantenana ao amin’ilay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao

Mety hahatsapa haizina, fahakiviana, ary famoizam-po ny mpianatra noho ny antony maro. Mifanohitra amin’izany kosa, dia afaka ho feno ny herin’ny fanantenana izy ireo rehefa mifantoka amin’ilay Fahazavan’izao tontolo izao, dia i Jesoa Kristy. Ao amin’ity lesona ity, ireo mpianatra dia hanana fahafahana handinika ny zavatra azony atao mba hampitomboana ny fanantenany ao Aminy.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manambara i Jesoa Kristy fa Izy no Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao.

Entina hanombohana ny lesona dia azonao atao ny mampiseho ity sary manaraka ity:

Sary
tanora miafina ny hazavana

Vakio mafy ny Jaona 8:12 sy ny Môzià 16:9, ary angataho ny mpianatra hitady ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ny haizina. Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia Izy no ho fahazavana sy aina ho an’ny fiainantsika.

  • Amin’ny fomba ahoana i Jesoa Kristy no fahazavana sy aina ho an’ny fiainantsika? (Raha ilaina dia asao ny mpianatra handinika ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ity lesona ity dia azonao atao ny mampiseho sy mamaky mafy ireo fanontaniana etsy ambany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mijery ilay horonan-tsary “The Light That Shineth in Darkness [Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina]” (2:19).

  • Hanampy hitahy sy hampantanja ary hanampy anao amin’ny fomba ahoana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Fahazavana sy Fiainan’izao Tontolo izao Azy?

  • Oviana ianao no niaina ny fahazavana na ny fiainana omen’i Jesoa Kristy? Inona no fiovana nentin’izany, na mety ho entin’izany, teo na eo amin’ny fiainanao?

Rehefa avy nijery ilay horonan-tsary izy ireo, dia asao ny mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ny sasany amin’ireo eritreritra nananany mikasika ireo fanontaniana. Azonao atao ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy na ao anatin’ny vondrona kely.

Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny Tempolin’i Salt Lake nampiarahina ary miara-mamaky ny teny nambaran’ny Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Na koa azonao atao ny mampiseho ny sombina horonan-tsary mifanaraka amin’izany (0:00–1:17) avy amin’ny lahateny nataony “I Kristy: Ilay Hazavana izay mamiratra ao anaty haizina” (Liahona, mey 2019, 73–74).

Sary
Tempolin’i Salt Lake
  • Inona avy ireo fomba sasany hiasan’ny fahavalo mba “hampanjavozavo ny fahazavantsika,” na hanasaraka antsika amin’ny fahazavan’ny Mpamonjy? (Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” 73).

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mifandray na mitoetra mifandray amin’i Jesoa Kristy, ilay loharanon’ny hazavana sy ny fiainana marina? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny zavatra azony atao.)

Mitombo ny fanantenana rehefa mampifantoka ny saintsika amin’i Jesoa Kristy isika.

Asehoy ity fahamarinana manaraka izay avy amin’ny “Ilay Kristy Velona:Tenivavolombelon’ny Apôstôly” ity izay manao hoe: Jesoa Kristy “no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.”

Miankina amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao, dia mety hanampy ny famerenana mijery vetivety ny famaritana ny fanantenana sy ny teny faharoa nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana faharoa amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Avy eo dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Ahoana no maha-voatahy antsika rehefa mijery ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho toy loharanon’ny fanantenana faratampony isika? Nahoana no manampy ny mahafantatra fa fanomezam-pahasoavana koa ny fanantenana?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra momba ny olona iray fantany izay mety ho kivy, malahelo, manirery, sahiran-tsaina, na manahy. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Môrônia 7:40–42 sy ny Etera 12:4, ka hitady fahamarinana momba ny fanantenana ao amin’i Kristy izay mety hanova ny fomba iainantsika ny fiainana.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ny mpianatra mba handalinana dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ireo fahamarinana hitany sy ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo mampitombo ny fanantenan’ny olona iray ao amin’i Kristy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hijery ny tantara ao amin’ny soratra masina izay nosafidian’izy ireo hohalalinina avy ao amin’ny fizarana faharoa amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Omeo minitra vitsivitsy izy ireo handinihana ny zavatra izay nohalalininy. Zarao ho vondrona kely ny iray kilasy ary angataho ny mpianatra hizara ny tantarany avy ao amin’ny soratra masina sy ny zavatra nianarany avy amin’izany mikasika ny fanantenana ao amin’i Kristy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fananana fanantenana ao amin’i Kristy dia azonao atao ny mampiseho ny iray manontolo na ny ampahany amin’ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Rehefa avy nanome iray minitra hamakiana sy hisaintsainana ity fanambarana ity ny mpianatra ianao dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hijoro ho vavolombelona momba ny fanantenany ao amin’i Jesoa Kristy sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sary
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Izaho dia miara-manambara amin’i Jeremia hoe: “Hotahina izay olona …manana an’i Jehovah ho tokiny” [Jeremia 17:7].

Izaho dia mijoro ho vavolombelona miaraka amin’i Joela fa :“Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho’ an’ny Zanak’i Isiraely” [Joela 4:16].

Miara-manambara amin’i Nefia aho hoe: “[Mandrosoa] amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” [2 Nefia 31:20]. …

Ary ho an’ireo rehetra izay ory—ho an’izay rehetra mahatsiaro ho kivy, na manahy, na manirery—amin’ny fitiavana sy ny fiahiahiana lalina anareo no ilazako hoe: Aza kivy mihitsy.

Aza milavo lefona na oviana na oviana.

Aza avela handresy ny fanahinao mihitsy ny fahakiviana.

Raiso ary miantehera amin’ny Fanantenan’i Isiraely, fa ny fitiavan’ny Zanak’ Andriamanitra dia manavatsava ny haizina rehetra, manalefaka ny alahelo rehetra, ary mampifaly ny fo rehetra. (“Le pouvoir infini de l’espérance,” Liahona, nov. 2008, 24)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ary hirakitra ny hevi-baovao na fahatsapana voarainy na ny zavatra tsapany:

  • Inona no nianaranao androany ka afaka hanampy anao hahita fanantenana mandritra ny fotoana isian’ny fanamby na fahakiviana?

  • Inona avy ireo zavatra tsotra azonao atao mba hampitomboana ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenanao ao Aminy?

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hanampiana ireo mpianatra hanomana ny fotoam-pianarana farany amin’ity taranja ity dia azonao atao ny mandefa ity hafatra manaraka ity mandritra ny herinandro: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny kilasy farany ataontsika dia saintsaino ny zavatra nianaranao tamin’ity fampianarana ity. Inona no fiantraikan’ny zavatra nianaranao tamin’ny fahatakaranao sy ny finoanao an’i Jesoa Kristy?