Institiota
Lesona 11 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mianoka ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’ny Tompo


“Lesona 11 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mianoka ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 11 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 11 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mianoka ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’ny Tompo

Nandritra ny fanompoany teto amin’ny fiainana an-tany ary amin’izao andro farany izao indray, dia niantso Apôstôly i Jesoa Kristy ary nandamina ny Fiangonany. Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hieritreritra ireo fitahiana azo omena azy ireo amin’ny alalan’ny Fiangonan’ny Tompo. Hieritreritra ihany koa ny zavatra azon’izy ireo atao hanatsarana ny zavatra iainan’izy ireo manokana sy ny hafa ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Afaka manana tanjona ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Hajao ny fivavahana hafa. Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fitahiana tsy manam-paharoa ananan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianareo, dia makà antoka fa manaja ny finoana hafa ny fifanakalozan-kevitra ataonareo. Mety ho zava-dehibe ny manamafy ny anjara biriky manan-danja sy tsara nentin’ireo fivavahana hafa hatrizay ary mbola tohizany entina amin’izao androntsika izao.

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara manaraka ity:

Nijanona tsy namonjy fotoam-piangonana i Isabella tato ho ato. Nanomboka nino izy fa afaka ny hanana fiainam-panahy na tsy mandray anjara any am-piangonana aza. Rehefa avy nitantara taminao mombana fotoana ara-panahy maromaro niainany samirery izy, dia manontany anao ny antony ieritreretanao fa zava-dehibe ny fandraisana anjara any am-piangonana.

  • Betsaka ve sa vitsy no manana io fomba fijery io amin’ireo tanora fantatrao?

  • Ahoana no mety hamalianao ny fanontanian’i Isabella?

Rehefa avy mizara ny heviny ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ity lohateny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Avy eo dia asao ny mpianatra hanao lisitra ny hevitr’izy ireo eo ambanin’io lohateny io.

Afaka mitanisa ny sasany amin’ireto fitahiana manaraka ireto ny mpianatra: fandraisana sy fampiasana ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana, fandraisana ôrdônansy sy fanaovana fanekempihavanana, fianarana fotopampianarana madio sy mazava, fandraisana fanampiana hibebaka, fitadiavana fahafahana hanangonana an’i Isiraely, fanampiana ny mahantra sy fanatanterahana ireo asa fanampiana olona, fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny maty, fananana fahafahana hanompo sy hiara-hiasa amin’ny hafa, ary fanamafisana orina ny fianakaviana.

  • Inona amin’ireo fitahiana ireo araka ny eritreritrao no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ihany?

Rehefa manao io fifanakalozan-kevitra io ianareo, dia hevero ny hoe iza amin’ireto sahanasa sy fanontaniana manaraka ireto no hanampy amin’ny fanasongadinana ireo fitahiana miavaka ananan’ny Fiangonana. (Mety tsy hanam-potoana hifanakalozana hevitra momba ireo lohahevitra rehetra ireo ianareo. Azonareo atao koa ny misafidy handalina ampahany samihafa amin’ilay fifanakalozan-kevitra.)

Fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hiaraka tsiroaroa hilalao an-tsehatra ity rafi-tantara manaraka ity:

Hoy ilay namanao izay mampiseho fahalianana amin’ny Fiangonana hoe: “Azoko hoe tarihin’ny Apôstôly ny fiangonanareo. Inona no mampiavaka azy ireo amin’ireo mpitarika any amin’ireo fiangonana hafa?”

Azon’ny mpianatra atao ny miara-mamaky ny Efesiana 2:19–20; Matio 10:1, 7–8; 16:19; Asan’ny Apostoly 1:21–22; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23 mba hanombohana io sahanasa io. (Azonao atao ny manombana ny fahatakaran’ny mpianatra momba ny fanalahidin’ny fisoronana dia mampitombo ny fahatakaran’izy ireo raha ilaina.)

  • Inona avy ireo fitahiana izay tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny hery sy fahefan’ny fisoronana masina ihany? (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Oviana ianao no efa nahazo ireo fitahiana ireo?

Ôrdônansy sy Fanekempihavanan’ny fisoronana

  • Inona avy ireo zavatra tsapanao momba ny fandraisana ôrdônansy masina sy ny fanaovana fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay miandry azy ireo rehefa manohy mandroso eo amin’ny làlan’ny fanekempihavana izy ireo.)

Fanazavana momba ny Fotopampianaran’ny Tompo

  • Ahoana no iarovana antsika amin’ny “rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra ” (Efesiana 4:14) rehefa mandray anjara ao amin’ny Fiangonana isika? (Miaraha mamerina mijery ny Efesiana 4:11–14.) Ahoana no nanampian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany anao hianatra sy hahatakatra ny fotopampianaran’i Kristy?

Asa atao any amin’ny tempoly

  • Ahoana no nitahian’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana anao manokana?

Fanangonana an’i Isiraely

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fiangonan’ny Tompo anao hanangona an’i Isiraely ao amin’ny lafy roan’ny voaly? Ahoana no nitahian’ireny zavatra natao ireny ny fiainanao?

Angataho ny mpianatra mba hisafidy iray amin’ireo fitahiana voatanisa eny amin’ny solaitrabe izay tian’izy ireo ho azo bebe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo. Omeo fotoana hanaovany drafitra ny mpianatra, ao anatin’izany ny fitanisana ireo dingana azon’izy ireo atao mba handraisana ny fitahiana hitan’izy ireo.

Azontsika atao toerana mahatamana ny paroasy sy sampana misy antsika.

Azonao atao ny manontany ny mpianatra ny zavatra mety hataon’izy ireo raha angatahina izy ireo hanompo miaraka amin’olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo, izay tena tsy mitovy hevitra amin’izy ireo na mety manahirana be ny miara-miasa aminy.

  • Ahoana no nivoaranao tamin’ny maha-mpianatra anao rehefa nanompo sy niara-niasa tamin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana ianao? (Jereo ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Hevero ny hiara-hamaky indray ny Môrônia 6:4–5 sy hanontany ny mpianatra raha toa ka efa nisy zavatra niainan’izy ireo tany am-piangonana izay nahatsapany fa nisy olona nahatsiaro, na nanolokolo, na nanamafy orina azy. Mety hieritreritra ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ho irery tao am-piangonana ihany koa izy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety mahatsapa ho vahiny ao am-piangonana ny olona sasany? Inona no azontsika atao hanampiana ny hafa hahatsapa ho tiana sy voaray tsara ao amin’ny fiangonana? (Azonao atao ny mamerina mijery ny ohatra nozarain’ny Rahavavy Carole M. Stephens izay hita ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo tamin’ny fanomanany ny fotoam-pianarana mba hieritreritra olona iray izay afaka ny hotahiana amin’ny alalan’ny finamanan’izy ireo izy ireo. Omeo fotoana hisaintsainana ny zavatra azon’izy ireo atao hanampiana io olona io hahatsapa ho tiana sy voaray tsara ao am-piangonana ny mpianatra.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hitaomana ny mpianatra hanomana ny fotoam-pianarana manaraka, dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity mandritra ny herinandro: Mety ho nanao ahoana izany hoe nipetraka teo an-tongotry ny Mpamonjy sy nihaino Azy nampianatra izany? Rehefa mamaky ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 12 ianao dia eritrereto ny akon’ny fampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainanao.