Institiota
Lesona 13 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manompo tahaka ny Mpamonjy


“Lesona 13 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manompo tahaka ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 13 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 13 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manompo tahaka ny Mpamonjy

Nandritra ny fiainany, ny Mpamonjy dia nanompo ny hafa rehefa nanamafy orina finoana, nitahy, nanasitrana, nankahery ary namela heloka Izy. Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny hevitry ny hoe manompo tahaka ny Mpamonjy. Hieritreritra fomba tahaka ny an’i Kristy ahafahany manompo ny manodidina azy ireo ihany koa izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika amin’ny fomba fanompoana am-pitiavana.

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’ny Mpamonjy manasa ny tongotr’ireo Apôstôliny.

Sary
Manasa ny tongotr’i Petera i Jesoa
  • Inona no azontsika ianarana momba ny fanompoana avy amin’ny fanasan’i Jesoa ny tongotr’ireo Apôstôliny? (Hevero ny hamerina hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa taorian’ny nanasan’ny Mpamonjy ny togotry ny Apôstôly dia nomeny didy vaovao izy ireo. Hevero ny hiaraha-mamaky ny Jaona 13:34–35 sy hampiseho ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny ho fantatra hoe mpianatr’i Kristy isika raha mifankatia tahaka ny itiavany antsika.

Rehefa manasa ny mpianatra hizara ny mety ho dikan’io fahamarinana io amin’ny maha-mpianatra azy ireo manokana ianao, dia azonareo atao ny miresaka ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho fiatraikan’ny fitiavana ny hafa tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy antsika amin’ny fomba anompoanao?

  • Inona no nanampy anao hanompo amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy lehibe kokoa?

  • Ahoana no ahafahantsika mahalala hoe iza no mila ny fanampiantsika sy ny zavatra azontsika atao? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonareo atao ny miresaka ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa nanompo ny hafa izy ireo na rehefa nanompo azy ireo ny hafa.

Azonao atao ny mampiseho ity teny nambara tsy feno ity eny amin’ny solaitrabe: Afaka manompo amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy isika rehefa …

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo tao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana mba handalina sy hisaintsaina ny ohatry ny fanompoana nasehon’ny Mpamonjy. Alamino ho ao anatina vondrona kely ny mpianatra. Asao izy ireo hamerina hijery ireo ohatra ao amin’ny soratra masina izay nohalalinin’izy ireo sy izay fahatsapana rehetra noraiketiny an-tsoratra. Asehoy na omeo tahadikan’ireto fanontaniana manaraka ireto ny vondrona tsirairay, ary asao hifanakalo hevitra amin’izany ny mpianatra.

  • Inona no tena nanaitra anao tamin’ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy tao amin’ilay tantara nohalalininao?

  • Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa manompo ny hafa isika? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonareo atao ny miara-mamerina mijery ireo teny nambaran’ny Filoha Jean B. Bingham sy Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ary zarao ny zavatra tianao tao anatin’izany.)

  • Nanampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy tamin’ny fomba ahoana ireo ezaka nataonao mba hanompo tahaka Azy?

Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ireo zavatra nisongadina tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo isam-bondrona. Afaka manampy andian-teny famaranana maromaro hamenoana ireo teny nambara tsy feno eny amin’ny solaitrabe ianao rehefa mizara ny mpianatra.

Afaka mianatra mitia sy manompo ny zanak’ Andriamanitra rehetra isika.

Hevero ny hamerina hijery miaraka amin’ny iray kilasy ny ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ao amin’ny Lioka 10:25–37. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hampitaha ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ilay mpisorona sy ilay Levita amin’ny an’ilay Samaritana. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra ianaran’izy ireo avy amin’ilay fanoharana momba ny fanompoana ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy. Mba hamporisihana ny mpianatra hieritreritra sy hizara zavatra lalina kokoa dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy Samaritana iray ho ohatra tokony halaintsika tahaka ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahana mampitaha ilay Samaritana ao amin’ilay fanoharana amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no manakana antsika tsy hanompo ny hafa tahaka ny izay ho nataon’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahantsika mahazo ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handresena ireo vato misakana ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hihevitra ny fomba mety hahafahan’izy ireo manompo amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy, dia mampisehoa na manomeza taratasy misy ireto toe-javatra manaraka ireto (afaka mamorona anao manokana koa ianao). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hifantina vitsivitsy amin’izy ireo ary hifanakalo hevitra momba ny fanamby entin’izany ary koa ireo fomba tahaka ny an’i Kristy entina manompo amin’ny toe-javatra tsirairay. Azonao atao asaina ny mpianatra hiaraka hanao io sahanasa na hanao izany anatina vondrona kely.

  • Namboraka taminao ny namanao fa manana olana amin’ny pôrnôgrafia izy ireo.

  • Nomena andraikitra ianao hanompo olona iray izay milaza fa tiany kokoa raha tsy mitsidika azy ianao.

  • Manana namana iray ianao izay vao nanambara vao haingana fa lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy izy ary mahatsapa fa tsy sahaza azy intsony ny mankao am-piangonana.

  • Miara-miasa amin’olona iray izay vao avy namoy olona iray akaikin’ny fony ianao.

  • Mahatsikaritra namana iray ianao izay niresaka tamim-pinoana momba ny torohevitry ny mpaminany taloha, saingy amin’izao fotoana izao dia manakiana rehefa miresaka izany.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho ny mpianatra mba hanao asa amim-pahamarinana Omeo fahafahana ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manao asa am-pinoana sy hampihatra ny zavatra ianarany. Rehefa mamporisika tsy tapaka ireo mpianatra mba hisaintsaina sy hampihatra ny zavatra ianarany ianao dia afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahafahan’izy ireo manao asa amim-pahamarinana. Manaova fanaraha-maso amin’ny fotoana mahamety azy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny eritreriny momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no tsapanao fa tokony hampaherezina, na hatanjahina, na omena risi-po?

  • Inona no fanompoana tahaka ny an’i Kristy azonao atao ho an’io olona io?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ireo zavatra tsapa ara-panahy mba hitahiana ny fiainan’ny hafa sy ny fifaliana izay afaka ny ho tsara avy amin’ny fanompoana toy ny nataon’ny Mpamonjy.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mandritra ny herinandro dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity na hafatra iray noforoninao manokana any amin’ny mpianatra: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny lesona 14 ianao, dia eritrereto hoe inona ny fahagagana lehibe indrindra mety hhitranga eo aminao.