Institiota
Lesona 3 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Matoky an’i Jesoa Kristy, ilay mpamonjy sy mpitarika antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika


“Lesona 3 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Matoky an’i Jesoa Kristy, ilay mpamonjy sy mpitarika antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 3 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 3 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Matoky an’i Jesoa Kristy, ilay mpamonjy sy mpitarika antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika

Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nampianatra antsika ny drafitry ny famonjeny ny Raintsika any An-danitra. Nanana fahafahana hitsangana hanohana ny drafiny isika tany ary hanohana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy. Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hahita ireo antony nahatokiantsika an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy mpitarika antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ny mpianatra dia hihevitra ihany koa ny fomba hijoroana miaraka Aminy amin’ny ady mitohy ataon’izy ireo amin’i Satana sy ireo tafiny eo amin’ity fiainana ity.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Araho maso ny fianaran’ny mpianatra Afaka ny ho mafy orina ny finoan’ireo mpianatra rehefa omena fahafahana hizara ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny famaliana ireo fanasana nozaraina nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo. Araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, mitadiava fotoana ahafahana manara-maso ny fomba ampiharan’ireo mpianatra ny zavatra ianaran’izy ireo.

Nofidina ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika hatrany am-piandohana i Jesoa Kristy.

Miaraka amin’ny iray kilasy, makà minitra vitsy hitadiavana fahamarinana nambara momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. (Raha ilaina dia ataovy misafidy ny fizarana 1 na 2 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ireo mpianatra ary hamerina hijery izany vetivety. Mety hahita iray na maromaro amin’ireto fahamarinana manaraka ireto ny mpianatra: Tany amin’ilay Filankevitra Lehibe, ny Ray any An-danitra dia nampahafantatra ny drafitry ny famonjeny mba hahafahantsika hiverina eo anatrehany ka ho tonga tahaka Azy. Tena nilaina tamin’ny fahombiazan’ny drafitry ny Ray ny fahavononan’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika. Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia i Jesoa Kristy no lehibe indrindra sy marani-tsaina indrindra tamin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.)

Rehefa mivoatra ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny kilasy misy anao, dia hevero ny hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no mety hapetrakao ka mety hifandraika indrindra amin’ireo mpianatrao. (Fanamarihana: Mba hanomezana vahana ireo traikefa manova fo, dia mety ho tsara kokoa raha mametraka fanontaniana vitsivitsy kokoa ary miresaka amin’ny fomba lalina kokoa mombana lohahevitra sasany, toy izay manandrana mametraka ireo fanontaniana rehetra naroso.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny drafitry ny famonjena mitahy olona iray izay mahatsapa fa tsy misy dikany na tanjona ny fiainany? (Azonao atao ny mandinika ny fanambara nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Ahoana no nanampian’ny fahalalana ny drafitry ny famonjena anao nandritra ireo fotoan-tsarotra?

  • Nahoana no ilaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Mpamonjy iray? (Jereo ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

  • Eo ampiheverana ny sarany nefain’i Jesoa Kristy manokana mba hanavotana antsika amin’ny otantsika, inona ny eritreritrao na fahatsapanao momba ny fahavononany ho lasa Mpamonjy antsika? (jereo ny Mosesy 4:2).

  • Inona no nianaran’i Abrahama momba ny sata miavaka nananan’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? (Mety hanampy ny fanovozana amin’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fahalehibeazan’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahana manampy anao hatoky Azy amin’ny fanamby atrehinao?

Hamaranana ity ampahany amin’ny lesona ity, dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra haka sary an-tsaina izany hoe tany amin’ny Filankevitra Lehibe izany rehefa nampahafantatra ny drafitry ny famonjena ny Ray any An-danitra ary nofidina ho Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Manasà mpianatra iray na roa hizara ny eritreriny sy fahatsapany.

Miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy, afaka mandresy amin’ny ady atao amin’i Satana sy ny mpanara-dia azy isika.

Asehoy ity sary manaraka ity izay maneho ilay Ady tany An-danitra. Asao ny mpianatra hizara izay mety hampiavaka io sary io amin’izay fantatsika avy amin’ny fanambarana maoderina momba ilay Ady tany An-danitra. (Amporisiho ny mpianatra mba hampiasa ny Mosesy 4:1–4, Apokalypsy 12:7–11, ary ny fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Sary
Md. Mikaely, ilay Arikanjely, nataon’i Gustave Doré

Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no nikomy i Satana? Inona avy ireo tetikadiny nandritra ilay Ady tany An-danitra? (jereo ny Mosesy 4:1, 3–4; Apokalypsy 12:7–9). Ahoana no fomba ampiasany ireo tetikady ireo amin’izao androntsika izao?

  • Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 12:11, ahoana no nandresentsika tamin’ny ady tamin’i Satana sy ireo mpanara-dia azy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? (Mety hanampy ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ny fandinihana ny fanambarana nataon’ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Ampio hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra ary hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe: Toy ny nataontsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia afaka mandresy ny herin’i Satana amin’ny alalan’ny finoana ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba Azy isika.)

  • Ahoana no nanampian’ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany anao amin’ny ady amin’i Satana sy ireo fakam-panahiny? Inona no azonao atao mba hampitomboana ny fahatokianao ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy anao handresy ny herin’i Satana?

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia afaka mampiseho sy mamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jörg Klebingat ao amin’ny Fitopololahy ity ianao:

Sary
Loholona Jörg Klebingat

[Nandritra ny Ady tany An-danitra,] isika izay nanana ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay ho avy ho toy ny fitaovam-piadiana, ireo feno hery tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny anjara toerany masina, ireo izay nanana fahalalana ara-panahy sy ny fahasahiana nampiasa izany mba hiarovana ny anarany masina dia niady teo amin’ny laharana voalohany tamin’io ady amin’ny teny io. Nampianatra i Jaona fa ireo fanahy mahery ireo sy ny hafa dia nandresy an’i Losifera ‘tamin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy’ (Apokalypsy 12:11; nampiana fanamafisana).

Eny, ny fampanantenana mombana Mpamonjy iray sy Getsemane sy Kalvary mihosin-drà dia nandresena tamin’ny ady talohan’ny nahaterahana. Saingy ny fahasahiantsika sy fijoroantsika ho vavolombelona talohan’ny nahaterahantsika, ny fahavononantsika hanazava, hiresaka mba hanova hevitra, ary handresy lahatra fanahy hafa dia nanampy koa tamin’ny fampitsaharana hevi-diso mba tsy hiely tsy misy mpanohitra!

Rehefa nahavita tamim-pahombiazana ny fotoana nanaovana fanompoa-miaramila talohan’ny nahaterahana mba hiarovana Azy, dia tonga vavolombelon’ny anarany masina isika. Ny tena marina, rehefa avy nizaha toetra antsika tamin’ny ady ary nahazo antoka ny amin’ny fontsika sy ny fahasahiantsika ny Tompo, dia nilaza izao momba antsika—mpikambana ao amin’ny Mpianakavin’i Isiraely—hoe “Ianareo no vavolombeloko” (Isaia 43:10). Andeha hanontaniana ny tenantsika: mbola marina amintsika ve io fanambarana io ankehitriny?” (Jörg Klebingat, “Defending the Faith,” Ensign, sept. 2017, 49–50)

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fanambarana nataon’ny Loholona Klebingat ary hamaritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hijoroana miaraka amin’i Jesoa Krity amin’izao androntsika izao. Azonao atao ny manasa azy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mandritra ny herinandro dia afaka mandefa ity fanasana manaraka ity amin’ireo mpianatra ianao: rehefa mamaky ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny lesona 4 ianao ary misaintsaina ireo fahagagana momba ny Fahariana, dia hevero ny handefa amiko na hitondra ao amin’ny kilasy ny sarin’ny faharian’ Andriamanitra iray hitanao fa manentana ny fanahinao manokana.