Institiota
Tovana: taratasy zaraina


“Tovana: taratasy zaraina,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Taratasy zaraina,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Tovana

Taratasy zaraina

Lesona 2

Hafatra ho an’ny androntsika ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”

Hafatra ho an’ny androntsika ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 2

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia voaomana mialoha ny fotoana izay tena hilantsika izany indrindra. (“Fihaonamben’ny Fiangonana manerantany: Manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, nôv. 2013, 7)

Diniho ny “Ilay Kristy Velona” mba hahitana hafatra izay tsapanao fa tena ilaina amin’izao androntsika izao. Miomàna hizara izay zavatra hitanao amin’ny namana mpiara-mandalina aminao.

Lesona 2

Miresaka misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy

Miresaka misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 2

Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Raha toa ka mihena ny firesahan’izao tontolo izao an’i Kristy dia ’ndeha isika hiresaka bebe kokoa momba Azy. Rehefa miseho ny tena maha-mpianany antsika, dia maro amin’ireo manodidina antsika no ho vonona hihaino. (“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 90)

Avereno jerena ny “Ilay Kristy Velona” mba hahitana hafatra izay tsapanao fa tena zava-dehibe ny hizarana azy amina tontolo tsy dia miresaka an’i Jesoa Kristy. Miomàna hizara izay hitanao amin’ny namana mpiara-mandalina aminao.

Lesona 4

Nianatra fahamarinana manan-danja momba ny Fahariana i Mosesy

Nianatra fahamarinana manan-danja momba ny Fahariana i Mosesy

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 4

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

  • Tia siansa i Gretchen. Tamin’ny fianarana nataony dia nianatra be dia be momba ny hoe ahoana no fomba fiasan’ny tontolo voajanahary izy saingy tsy nahita valiny mahafa-po amin’ny hoe fa maninona no misy ilay tontolo. Manana fanontaniana maro momba ny tanjona ho an’ny tany sy ny fiainantsika izy.

  • Inona avy ireo fanamby mety hatrehin’ny olona iray raha tsy mahatakatra ny hoe fa maninona no nohariana ny tany?

Vakio miaraka ny Mosesy 1:27–39, ary mitadiava fahamarinana mety hampitombo ny fomba fahitan’i Gretchen ny Zavatra nohariana. Avy eo dia angataho ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba hisafidy iray amin’ny teboka eo ambany ary haka minitra vitsivitsy hanomanana valiny iray. Avy eo ny olona tsirairay dia afaka mizara ny eritreriny amin’ilay vondrona.

  • Inona no ianaranao momba ny toetran’ny Mpahary avy amin’ny Fahariana? Ahoana no iantraikan’ny fahafantarana fa nahary ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy amin’ny finoanao Azy?

  • Inona avy no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mihevitra fa “isika no antony namoronan’ [Andriamanitra] izao rehetra izao”? (Azonao atao ny mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no zavatra nataonao na azonao atao mba hanampiana ny hafa hahatratra izay azony hahatongavana amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra azy? (Azonao asaina ny mpikambana ao amin’ny vondrona mba hirakitra an-tsoratra izay zavatra rehetra tsapany fa asain’ny Fanahy ataony ho an’ny olona iray fantany.)

  • Karazana fahalalana inona no afaka ny ho azontsika avy amin’ny siansa? Karazana fahalalana inona no afaka ny ho azontsika avy amin’ny soratra masina? Nahoana no mila ireo endri-pahalalana roa ireo isika? (Afaka mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ianao.)

Lesona 7

Ny fahamarinana sy ny fitiavan’ Andriamanitra

Ny fahamarinana sy ny fitiavan’ Andriamanitra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 7

Mialoha ny hanombohanareo ny fifanakalozan-kevitra anaty vondrona, dia iaraho mamaky ity soso-kevitra hoenti-mifanakalo hevitra ity:

Manatsara ny fifanakalozan-kevitra anaty vondrona

Ezaho ny hisian’ny fandraisana anjara mifandanja. Mianatra tsara kokoa isika rehefa maheno avy amin’ny olona rehetra ao amin’ny vondrona fa tsy iray na roa fotsiny. Raha efa toetranao mihitsy ny mahay mifandray amin’ny olona sy tia miresaka, dia mitandrema mba tsy hifehy ny fifanakalozan-kevitra, na hanapaka na hanindry ny hafa azafady. Raha efa toetranao mihitsy ny hoe mangingina sy tsy dia be resaka, dia mba manàna fahasahiana ary mitenena mafy mba hahafahan’ny hafa mianatra aminao azafady. Avelao any ny eritreritra hoe tsy manan-danja ny hevitrao.

Iaraho mamaky mafy ity rafi-tantara manaraka ity:

Mahatsiaro ho tototry ny lalàna sy didin’ Andriamanitra i Zane. Nandritra ny fotoana ela dia nahatsapa ho tsy dia mendrika loatra izy ary solafaka foana. Noho ny fahakiviany tamin’ny tsy fisian’ny “fandrosoana” dia lavo nanaraka endrika fandikan-dalàna goavana izy tato ho ato. Mahatsapa fahaverezan’ny Fanahy izy. Tsy mendrika ny hanana fahazoan-dàlana hiditra ny tempoly intsony izy. Manontany tena izy raha mbola tia azy Andriamanitra noho ny safidy ratsy nataony. Vao haingana izy no niteny tamin’i Maia namany hoe: “Tsy misy dikany ny fiainako. Tena azoko antoka fa niala tamiko Andriamanitra.” Hoy i Maia namaly azy: “Aza manahy ny amin’izany. Tia antsika tsy misy fepetra Andriamanitra ary hamonjy anao Izy na inona na inona no nataonao. Izany no ilana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Avereno jerena vetivety ny toe-javatra nialoha ny safo-drano. Avy eo dia avereno jerena ny Mosesy 7:28–29, 32–33, 37, ary tadiavo ny zavatra nianaran’i Enoka momba ny toetran’ Andriamanitra avy amin’ny fandinihana Azy mijery ireo zanany mijaly noho ny tsy fankatoavana. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy an’i Zane hahatsapa fa tia azy ny Ray any An-danitra na dia nandika ny didy aza izy? Ahoana no ahafahan’io fahalalana io manampy amin’ny fanatsarana ny fifandraisan’i Zane amin’ny Ray any An-danitra? (Azonareo atao ny mamaky ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ho tafiditra ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fahamarinan’ Andriamanitra, izay indraindray miseho amin’ny alalan’ny fahatezerana na fahavinirana, ho porofon’ny fitiavany? (Hevero ny hamaky miaraka ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Raha tsy marina Andriamanitra, ahoana no mety handemen’izany ny finoantsika Azy?

  • Inona no mety hamitaka amin’ny fomba fijerin’i Maia momba ny fitiavan’ Andriamanitra? (Mety hanampy ny famakiana ny fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson’s ao amin’ny fizarana 1.) Inona no mety ho fomba tsara kokoa hamaritana ny fitiavan’ Andriamanitra? Tamin’ny fomba ahoana no niainanao ny fitiavan’ Andriamanitra?

Lesona 9

Ny fiambanian’ Andriamanitra

Ny fiambanian’ Andriamanitra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 9

Zarao amin’ny vondrona misy anao ity vakiteny ampanaovina ity. Rehefa mamaky ianareo dia tadiavo ny fomba nidinan’ny Tompo an-tsitrapo avy amina toerana iray ambony kokoa mankamina sata iray ambany kokoa.

  1. Abrahama 3:24–25, 27; Filipiana 2:7–8

  2. 1 Nefia 11:14–22

  3. 1 Nefia 11:26–27, 31–33

  4. Ireo teny nambaran’ny Filoha Tad R. Callister sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary ity teny nambaran’ny Rahavavy Wendy Ulrich, izay mpikambana tao amin’ny birao filankevitry ny mpanoro hevitry ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha:

Teraka toy ny zazakely tsy afaka manao n’inona n’inona tao anatina vatana mety maty [ny Mpamonjy] ary notezaina [ray aman-dreny] tsy tonga lafatra. Nila nianatra nandeha, niteny, niasa ary niaraka tamin’ny hafa Izy. Niaina hanoanana sy havizanana ary nahatsapa ireo fihetsehampon’ny olombelona Izy ary afaka narary, nijaly, nivoa-dra ary nandalo fahafatesana. (“Tsy fahotana ny fananana fahalemena,” Liahona, apr. 2015, 23)

Dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no ampianarin’ireo vakiteny ireo antsika momba ny fiambanian’i Jesoa Kristy?

  • Inona no ampianarin’ny fiambanian’i Jesoa Kristy antsika momba ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra antsika ? Inona ny fiantraikan’ny fitiavan’Izy Ireo anao eo amin’ny fitiavanao azy ireo?

Lesona 10

Aoka Andriamanitra no hanjaka

Aoka Andriamanitra no hanjaka

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 10

Ampiasao ny minitra vitsy manaraka hanomanana hevitra fohifohy momba ny fanoavana ny sitrapon’ Andriamanitra. Tokony hahitana ohatry ny fanoavana iray avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainanao na ny fiainan’olona iray fantatrao ny hevitrao. Mety hahitana ny fomba ahafahantsika mampihatra izany ohatra izany eo amin’ny fiainantsika ihany koa izany. Hevero ny hampiasa ny iray amin’ireto loharanon-kevitra manaraka ireto rehefa manomana ianao:

Lesona 16

Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika

Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 16

Vakio ireto fanontaniana manaraka ireto ary mifantoha amin’ireo izay tena tian’ny vondrona misy anao ifanakalozana hevitra.

  1. Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny Mpamonjy rehefa mandinika ny fijaliany ho anao ianao? Mampianatra antsika inona momba Azy ny fahavononany hijaly? (Hevero ny hamaky ny 1 Nefia 19:9.)

  2. Nahoana ny Ray any An-danitra no nanaisotra ny Fanahiny rehefa nijaly teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy? (Hevero ny hamerina hijery ny Marka 15:34 sy ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Ahoana no hanampian’izany antsika hahatsiaro ny zavatra niainan’ny Tompo teo amin’ny hazo fijaliana rehefa mahatsiaro ho irery isika, na adino, na nafoy?

  3. Ahoana no ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’ny Tompo manampy antsika rehefa misalasala ny amin’ny lanjan’ny tenantsika manokana isika? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11.) Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hisy fiantraikany amin’ny fomba fijerintsika ny tanjona azontsika tratrarina sy ny hoavintsika?

  4. Inona no hafatra alefantsika ho an’ny tenantsika sy ny Mpamonjy rehefa misafidy ny hibebaka isika? Nahoana no mety hahatsapa fifaliana ny Tompo rehefa mibebaka isika? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13).

  5. Raha misy olona tsy mahazo antoka ny amin’ny fisian’ny Sorompanavotan’ny Tompo dia inona no azony atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba izany?

Lesona 21

Henoy Izy

Henoy Izy!

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 21

Alaivo sary an-tsaina hoe nomena fahafahana hamorona horonan-tsary fohy ianao izay maneho ny fomba andrenesanao ny feon’ny Mpamonjy. Manorata rindran-damina fohy momba ny zavatra hozarainao ho valin’ilay tari-dresaka hoe “Ny fomba andrenesako Azy.” Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy rehefa mamorona ny drafitrao ianao:

  • Inona no zavatra niainana ka nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba iresahan’ny Tompo aminao?

  • Inona no hevitra azonao ampidirina avy amin’ny teny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Rahavavy Michelle D. Craig ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana?

  • Ahoana no ahafahanao mizara ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao amin’ny fomba mora azon’ny hafa?

Miainga avy amin’ny drafitrao, mamorona hafatra fohy (andiam-pehezan-teny iray na roa) azonao zaraina amin’ny iray kilasy.

Ho solon’izany, raha tianao, dia azonao atao ny misaintsaina sy mirakitra ny zavatra tianao hatao mba hampitomboana ny fahafahanao mandre ny feon’ny Mpamonjy.

Lesona 23

Ireo virijiny adala

Ireo virijiny adala

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay, Lesona 23

  1. Miaraha mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no mety asehon’ireo fanala sy solika ao amin’ilay fanoharana? (Azonao atao ny mamerina mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57 sy ny teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

    • Inona no mety ho manan-danja momba ireo andian-teny hoe “ary raha naharitra ela ny mpampakatra” (Matio 25:5) sy ny hoe “ary nony mamatonalina, dia nisy antso” (andininy 6)?

    • Nahoana no nofaritana hoe adala ny dimy tamin’ireo virjiny? (Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’ireo andian-teny hoe “tsy fantatro ianareo” [andininy faha-12] sy ny hoe “tsy mahafantatra ahy ianareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 25:11 ) antsika momba ny fiomanana nataon’ireo virijiny ireo.)

  2. Mitadiava ohatra mahazatra iray na roa mikasika ny fomba mety hisafidianantsika mpikamban’ny Fiangonana ny hitovy amin’ireo virijiny adala. Miomàna hizara ny ohatra hitanao amin’ny vondrona iray izay niresaka momba ireo virijiny hendry.

Lesona 23

Ireo virijiny hendry

Ireo virijiny hendry

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay, Lesona 23

  1. Miaraha mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  2. Mitadiava ohatra iray na roa mikasika ny fomba ahafahantsika mpikamban’ny Fiangonana misafidy ny hitovy amin’ireo virijiny hendry rehefa miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Miomàna hizara ny ohatra hitanao amin’ny vondrona iray izay niresaka momba ireo virijiny adala.

Lesona 24

I Jesoa Kristy no “Mpitsara marina” (2 Timoty 4:8).

I Jesoa Kristy no “Mpitsara marina” (2 Timoty 4:8).

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay, Lesona 24

Vakio amin’ny feo mafy ny Salamo 9:8 sy 96:11–13. Avy eo dia asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba hizara toetra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho fa i Jesoa Kristy dia mitsara ny olona rehetra amim-pahamarinana. Rehefa mizara toetra ianareo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho fiantraikan’izany toetra izany amin’ny fomba fitsaran’i Jesoa Kristy antsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’io toetra io ny fahatokianao ny fetezan’ny hoe ny Mpamonjy no mpitsara anao?

Rehefa avy mamantatra ireo toetra manokana dia ifanakalozy hevitra ny maha-samihafa an’i Jesoa Kristy amin’ireo olombelona mpitsara rehetra. (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Azonao atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny hananan’ny Mpamonjy ireo toetra ireo amin’ny maha-mpitsara antsika Azy.

Lesona 25

Fanombanan-tena momba ny maha-mpianatra

Fanombanan-tena momba ny maha-mpianatra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay, Lesona 25

Eritrereto ny teny tsirairay ary tombano ny tenanao amin’ny fampiasana izao maridrefy manaraka izao: 1 = tena tsy miombon-kevitra, 2 = somary miombon-kevitra, 3 = sady tsy miombon-kevitra no tsy mandà, 4 = somary miombon-kevitra, ary 5 = tena miombon-kevitra.

  1. Miezaka amin-kitsim-po ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy aho.

  2. Miezaka ny mitandrina ny didin’ny Mpamonjy isan’andro aho.

  3. Miezaka ny mitia sy manompo ireo manodidina ahy tahaka izay ho nataon’i Jesoa Kristy aho.

  4. Miezaka ny mamoy ny fanirian’izao tontolo izao aho mba hanarahana ny Mpamonjy.