Institiota
Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Matoky an’i Jesoa Kristy ho Mpitsara antsika


“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Matoky an’i Jesoa Kristy ho Mpitsara antsika,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Matoky an’i Jesoa Kristy ho Mpitsara antsika

Mamaky isika ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” fa “isika tsirairay dia mbola hijoro hotsaraina eo anatrehany [ny Mpamonjintsika] araka ny asa sy ny fanirian’ny fontsika”(ChurchofJesusChrist.org). Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hilaza ny antony ahafahantsika manana fahatokiana tanteraka an’i Jesoa Kristy ho mpitsara antsika. Hanana fahafahana ihany koa izy ireo hanombana izay zavatra azony atao mba hiomanana amin’ny Fitsarana Farany.

Soso-kevitra enti-mampianatra

I Jesoa Kristy no mpitsara antsika.

Zarao ity rafi-tantara manaraka ity:

Eritrereto hoe manana namana voampanga ho nanao heloka bevava ianao. Fantatrao koa ilay niharan’ny heloka bevava. Tianao avokoa izy roa.

  • Raha afaka misafidy mpitsara ho an’ny namanao ianao, inona avy ireo toetra tianao indrindra hananan’ilay mpitsara?

  • Inona no mampanahy anao raha toa ka tsy manana ny iray na maromaro amin’ireo toetra hitantsika ilay mpitsara? (Ahoana, ohatra, raha manana fangorahana ilay mpitsara nefa tsy manao ny rariny na manao ny rariny fa tsy manana fangorahana?)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo hiomana ho amin’ny kilasy amin’ny alalan’ny famantarana toetra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay mampiseho fa afaka matoky Azy ho mpitsara marina isika. Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hamerenana hijery ilay toetra hitany na, raha ilaina, hamantatra anankiray. Avy eo dia angataho izy ireo mba hamorona vondrona kely ary omeo azy ireo ity taratasy zaraina manaraka ity.

I Jesoa Kristy no “Mpitsara marina” (2 Timoty 4:8).

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 24

Vakio amin’ny feo mafy ny Salamo 9:8 sy 96:11–13. Avy eo dia asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba hizara toetra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho fa i Jesoa Kristy dia mitsara ny olona rehetra amim-pahamarinana. Rehefa mizara toetra ianareo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho fiantraikan’izany toetra izany amin’ny fomba fitsaran’i Jesoa Kristy antsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’io toetra io ny fahatokianao ny fetezan’ny hoe ny Mpamonjy no mpitsara anao?

Rehefa avy mamantatra ireo toetra manokana dia ifanakalozy hevitra ny maha-samihafa an’i Jesoa Kristy amin’ireo olombelona mpitsara rehetra. (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Azonao atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny hananan’ny Mpamonjy ireo toetra ireo amin’ny maha-mpitsara antsika Azy.

I Jesoa Kristy no “Mpitsara marina” (2 Timoty 4:8).

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 24

Sary
I Jesoa Kristy no Mpitsara marina, taratasy zaraina

Rehefa avy nanome fotoana ampy hanaovana fifanakalozan-kevitra ianao dia afaka manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy ho mpitsara azy ireo.

Hitsara antsika amin’ny asantsika sy ny fanirian’ny fontsika i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Lazao mazava tsara ireo fitsipika marina. Ny Loholona B. H. Roberts, izay tao amin’ny Fitopololahy taloha, dia nampianatra hoe: “Mba ho fantatra dia tsy maintsy ambara ny fahamarinana, ary arakaraka ny maha-mazava sy feno kokoa ilay fanambarana, no ananan’ny Fanahy Masina fahafahana tsara kokoa hijoroana ho vavolombelona amin’ny fanahin’ny olona fa marina ilay asa” (ao amin’ny James E. Faust, “Ce que je veux que mon fils sache avant de partir en mission ,” Ensign, mai 1996, 41). Omeo fahafahana ireo mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika marina hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina.

Asao ny mpianatra hamerina hijery amim-pahanginana ny Apokalypsy 20:12 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9 ary handray an-tsoratra ny fahamarinana momba ny fomba hitsarana antsika. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fahamarinana hitan’izy ireo. Amin’ny fampiasana ny hevi-baovao hitan’ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe fahamarinana iray mitovy amin’izao manaraka izao: Hijoro eo anatrehan’ny Tompo isika tsirairay ary hotsaraina araka ny asantsika sy ny fanirian’ny fontsika. Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny asantsika amin’ny Fitsarana Farany? (Lazao amin’izy ireo fa ny asa dia mety ahitana ny fitandremana ny didy, ny fandraisana ireo ôrdônansy, ny fanajana ny fanekempihavanana, ny fibebahana ary ny fanompoana ny hafa.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no hotsarain’ny eritreritsika sy ny fanirian’ny fontsika koa isika? (Azonao atao ny mizara an’izao fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Oaks izao: “Ireo faniriana izay asehontsika amin’ny asa no mamaritra ireo fiovana misy eo amintsika, ireo tanjona tratrantsika ary ny iafarantsika” [“Ny faniriana,” Liahona, mey 2011, 42].)

  • Nahoana no zava-dehibe ny manombantombana tsy tapaka ny fiantraikan’ny faniriantsika sy ny tenintsika ary ny zavatra ataontsika amin’izay hahatongavantsika? (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Oaks ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Almà Zanany dia nametraka fanontaniana mafonja izay afaka manampy antsika hanombantombana ny toetrantsika. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Almà 5:15–16, 19, 26–27 ary hisaintsaina fanontaniana iray farafahakeliny izay manan-danja indrindra amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy hieritreretana mangina, dia amporisiho ny mpianatra iray na roa mba hizara ny fomba nanampian’ny na mety hanampian’ny fandinihan-tena tamin-kitsim-po azy ireo ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Araka ny soso-kevitr’i Almà dia asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny tenany mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina.

  • Inona no mety ho tsapanao amin’izao fotoana izao? Nahoana?

  • Iza no tena tianao hiaraka aminao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ankoatra ny maha-mpitsara antsika Azy, i Jesoa Kristy ihany koa no Mpisolovava antsika amin’ny Ray? (Azonao atao ny mamerina mijery ny dikan’ny hoe i Jesoa Kristy no mpisolovava antsika [jereo ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana].)

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5, ary asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa i Jesoa Kristy dia mitalaho manokana ho azy ireo.

  • Inona no mety ho tsapanao rehefa mihaino an’i Jesoa Kristy mitalaho ho anao eo anatrehan’ny Ray any An-danitra? (Azonao averina jerena ny teny nambaran’ny loholona Dale G. Renlund ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hahazoana antoka fa takatry ny mpianatra fa amin’ny maha-Mpisolovava antsika ny Mpamonjy dia tsy manohitra ny sitrapon’ny Ray Izy.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana sy ny fanekena ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpisolovava antsika Azy hitondra fanantenana ho an’ny olona iray izay mahatsapa fa tsy ho mendrika na oviana na oviana ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra izy?

  • Inona no azonao atao anio mba hanehoana amin’ny Tompo fa maniry Azy ho Mpisolovava anao ianao?

Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa tsy vitan’ny hoe hisolo tena antsika fotsiny amin’ny Fitsarana Farany ny Tompo fa vonona ny ho Mpisolovava antsika koa Izy ankehitriny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5–6). Hisolo vava antsika Izy rehefa mikatsaka ny fanampiany isika.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana alohan’ny fotoam-pianarana manaraka, dia hevero ny handefa hafatra mitovy amin’izao manaraka izao: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 25 ianao dia manontania tena hoe: Inona no fiantraikan’ny maha-mpianatra ahy isan’andro eo amin’ny anjarako mandrakizay?