Institiota
Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany


“Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany

Sary
andian-jatovo

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa afa-mitaha amin’ny halehibeny, tsy misy zavatra hafa afa-mitaha amin’ny lanjany, tsy zavatra hafa afa-mitaha amin’ny voninahiny” (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 8 jona, 2018), fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 3 HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org). Ato anatin’ity toko ity ianao dia hanana fahafahana handalina fampianarana miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fanangonana an’i Isiraely ary hijery ny fomba itondran’io asa manan-danja io ny olona ho any amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo andraikitra sy fahafahana izay afaka ny ho anao eo am-pandraisanao anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Fizarana 1

Nahoana no manan-danja ny maha-isan’ny mpianakavin’i Isiraely?

Mba hahatakarana ny maha-zava-dehibe ny maha-isan’ny mpianakavin’i Isiraely dia manampy ny mianatra momba ny nanombohan’ny mpianakavin’i Isiraely. Fotoana iray taorian’ny 2000 taona talohan’i Kristy dia niseho tamin’i Abrahama i Jesoa Kristy ary nanao fanekempihavanana maharitra mandrakizay taminy. Nampanantena an’i Abrahama sy i Saraha ny Tompo fa hotolorana ireo fitahian’ny filazantsara rehetra ny taranak’izy ireo. Ireo fampanantenana sy fitahiana ireo no antsoina hoe fanekempihavanan’i Abrahama. (Jereo ny Abrahama 2:6–11; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanan’i Abrahama,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Sary
I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre, nataon’i Grant Romney Clawson

Nohavaozin’ny Tompo tamin’i Isaka zanany sy i Jakoba zafikeliny io fanekempihavanana io. Novain’ny Tompo ho Isiraely ny anaran’i Jakoba. Nanan-janaka lahy 12 i Isiraely, izay fantatra amin’ny hoe mpianakavin’i Isiraely na Isiraelita ny taranany. (Jereo ny Genesisy 26:24; 28:10–15; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Sary
i Jakoba mitsodrano ireo zanany lahy (i Jakoba mitsodrano an’i Josefa), nataon’i Harry Anderson

Ny Mpianakavin’i Isiraely no vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Amin’ny fahefan’ny fisoronana masina dia manana andraikitra hitondra ny filazantsaran’ny Tompo any amin’ny olona rehetra eto an-tany izy ireo mba hahafahan’ireo izay maty tsy nisy ny filazantsara manao ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana manan-danja.

Rehefa mino an’i Jesoa Kristy ireo taranaka ara-bakitenin’i Isiraely ary manaiky ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama dia angonina ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely izy ireo ary lasa isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Ireo izay tsy taranaka ara-bakitenin’i Abrahama sy i Jakoba ary i Isaka dia azo atsangana ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanekena ireo ôrdonansy sy fanekempihavanan’ny filazantsarany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fananganan’anaka,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
sarin-tany mampiseho olona

Raha niresaka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Isika dia … zanaky ny fanekempihavanana. Nahazo ny fisoronana masina isika, tahaka azy ireo taloha, ary ny filazantsara maharitra mandrakizay. Razambentsika i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. Isan’ny Isiraely isika. Manana ny zo isika handray ny filazantsara, sy ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana, ary ny fiainana mandrakizay. Hotahiana amin’ny ezaka ataontsika sy ny asa ataon’ny taranatsika ireo firenena manerana ny tany. Ireo taranaka ara-bakitenin’i Abrahama sy ireo izay nangonina ka natsangana ho ao amin’ny fianakaviambeny dia mahazo ireo fitahiana nampanantenaina ireo, izay mifototra amin’ny fanekena ny Tompo sy ny fankatoavana ireo didiny. (“Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 33)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny atao hoe mpianakavin’i Isiraely sy ny antony maha-manan-danja izany?

Fizarana 2

Nahoana aho no tokony handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Rehefa nandalina ireo takelaka varahina i Lehia dia nianatra bebe kokoa momba ny tetiarany sy ny toerany ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely izy (jereo ny 1 Nefia 5:14). Mba hanampiana ny fianakaviany hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny maha-isan’ny mpianakavin’i Isiraely dia nampitahain’i Lehia tamin’ny hazo oliva ny mpianakavin’i Isiraely. Nohazavainy fa tahaka ny sampana iray izay mety ho tapaka avy amin’ny hazo oliva dia torak’izany koa no hanapahana sy hampielezana ny vahoakan’i Isiraely any an-tany lavitra. Ary tahaka ny sampan’oliva avy amin’ny hazo iray izay azo atao grefy sy lasa isan’ny hazo iray hafa dia torak’izany koa no hanangonana an’i Isiraely miely patrana amin’ny farany ka ho lasa isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. (Jereo ny 1 Nefia 10:12–14.)

Sary
sampana iray atao grefy amin’ny hazo iray

Ny fanaovana grefy dia dingana iray izay hanambarana sampana iray notapahana avy tamin’ny hazo iray ho any amin’ny hazo iray hafa ka lasa ampahany tsy afa-misaraka amin’ilay hazo ilay sampana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 10:12–14, ary asio marika ireo fahamarinana momba ny fanangonana an’i Isiraely. (Fanamarihana: Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny teny hoe Jentilisa amin’ny ankapobeny dia midika hoe “firenena izay tsy manana ny filazantsara, na dia mety hisy ra Isiraelita ihany aza any anivon’ny vahoaka” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jentilisa,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org].)

Tsy ela taorian’ny nampianaran’i Lehia momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely dia hitan’i Nefia ireo rahalahiny nifamaly momba ny zavatra nampianarin-drain’izy ireo. Nilaza tamin’i Nefia izy ireo fa tsy azony ny zavatra nampianarin’i Lehia “momba ny sampana voajanaharin’ny hazo oliva ary koa ny momba ny Jentilisa” (1 Nefia 15:7).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny fanazavan’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 15:12–15, ary hevero ny hanisy marika ireo fahamarinana izay manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fanangonana an’i Isiraely.

Raha niresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely ny Filoha Nelson dia nilaza hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. (“Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8)

Ny olona eo amin’ny lafy roan’ny voaly dia ireo izay velona sy ireo izay efa maty.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Makà fotoana hiraketana an-tsoratra ny fomba nitahian’ny fanangonana an’i Isiraely ny fiainanao na ny fiainan’ny fianakavianao. Mieritrereta olona iray, na eto na any ambadiky ny voaly, izay mety mila mandray ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Raketo ny anaran’ilay olona sy ny antony maha-manan-danja azy aminao. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanampiana io olona io handray ireo fitahiana ireo.

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

I Jakôba, zandrin’i Nefia, dia nampianatra momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely tamin’ny findramana ny fanoharana nataon’i Zenôsa momba ny hazo oliva voakolokolo sy hazo oliva dia. Ao anatin’ilay fanoharana, ny tompon’ilay tanim-boly dia maneho an’i Jesoa Kristy, ary ireo mpanompo dia maneho ireo mpaminaniny sy ireo mpanara-dia hafa izay nantsoina hanangona an’i Isiraely. Ireo hazo oliva isan-karazany novolena tao amin’ilay tanimboly dia maneho ireo vondron’ny zanak’ Andriamanitra, tafiditra amin’izany ireo olona ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely. (Jereo ny Jakôba 5.)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jakôba 5:61–62, 70–72 ary tadiavo ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo izay nantsoina hanangona an’i Isiraely.

Ny Filoha Nelson dia nanazava ny maha-tsotra ny manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy. (“Fanantenana ho an’i Isiraely,” 15)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova drafitra

Eritrereto ilay olona, na eto na any ambadiky ny voaly, izay nosoratanao tao amin’ny fizarana 2. Manaova drafitra tsotsotra ny amin’ny zavatra hataonao mba hanampiana io olona io hanao ireo dingana mankany amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Ohatra, afaka manasa olona iray hanatrika hetsika ataon’ny Fiangonana ianao na mizara soratra masina amin’olona, na afaka misintona sy manomboka mampiasa ny application Arbre Familial FamilySearch ianao. Jereo fa maro ireo fitaovana ao amin’io application io izay afaka manampy anao hanangona an’i Isiraely na aiza na aiza misy anao.