Institiota
Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny ilantsika fahaterahana indray ara-panahy


“Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny ilantsika fahaterahana indray ara-panahy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 12, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny ilantsika fahaterahana indray ara-panahy

Sary
olona mandeha ao anaty saham-bozaka

Hoy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny Bokin’i Môrmôna dia boky torolalana ho antsika rehefa mandeha eo amin’ilay lalana miainga any amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara ary mitondra amin’ny tsara kokoa isika sy rehefa miezaka ny hanova ny fontsika” (“Ny Sorompanavotana sy ilay dia eto an-tany,” Liahona, apr. 2012, 40). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna io fiovana io dia faritana ho toy ny fahaterahana indray ara-panahy sy fiovam-po. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao ho fanomanana ny fotoam-pianarana dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy manampy anao hampitombo kokoa ny fiovam-ponao sy hahatonga anao ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy mampitombo ny fiovam-poko?

Ity famintinana manaraka ity dia manoritsoritra ny zavatra mitranga rehefa lasa niova fo marina isika:

Ny fiovam-po dia ahitana ny fiovana eo amin’ny fitondrantena, kanefa mbola mihoatra ny fitondrantena izany. Fiovan’ilay tena toetrantsika mihitsy izany. Fiovana lehibe tokoa izany hany ka nantsoin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny hoe fahaterahana indray sy fiovam-po ary batisan’ny afo. (“Conversion,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org)

Ohatra, rehefa avy nantsoin’ny anjely mba hibebaka i Almà zanany dia nokaikerin’ny fanenenana mafy noho ny fahotany izy. Raha nijaly i Almà dia nitodika tamin’ny Tompo izy, navela ny fahotany, ary niaina fahaterahana indray ara-panahy izy (jereo ny Môzià 27:11–23).

Sary
I Almà zanany mivavaka
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 27:25–26 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Almà momba ny ilana ny fahaterahana indray ara-panahy.

Ny fahaterahana indray ara-panahy, na ny fiovam-po dia tsy tranga mandalo fotsiny. “Ny fiovam-po dia vokatry ny ezaka marina natao mba hanarahana ny Mpamonjy. Izany ezaka izany dia ahitana ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana amin’ny fahotana, ny firotsahana amin’ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany amim-pinoana [mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy]” (“Conversion,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka dia maneho fa ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy dia mitarika ho amin’io fahaterahana indray ara-panahy sy fiovam-po amin’ny Tompo io.

Sary
Benjamina Mpanjaka manao lahateny

Tao amin’ny lahateny farany nataony i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra fa isika rehetra dia “mpanompo tsy mahasoa” avokoa ary “raiki-trosa mandrakizay” amin’ Andriamanitra (Môzià 2:21–25, 34). Dia nijoro ho vavolombelona izy avy eo fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahantsika ho avotra. Rehefa nihetsi-po be tamin’io hafatra io ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka dia nianjera tamin’ny tany tamim-panajana sy tamim-pitsaohana (jereo ny Môzià 3:17–4:2).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 4:2–3 dia tadiavo ny fomba nampiharan’ny vahoakan’i Benjamina mpanjaka ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fitahiana voarain’izy ireo.

Mianatra isika avy ao amin’ny Môzià 4 fa rehefa avy nahazo famelana ny fahotany ny vahoakany, dia nampianatra azy ireo i Benjamina Mpanjaka mba hino an’ Andriamanitra sy hiaina amim-pinoana mba hahafahan’izy ireo “hitana mandrakariva ny famelana ny fahota[ny]” (andininy 12). Rehefa nahavita ny lahateniny i Benjamina Mpanjaka dia naniry ny hahafantatra raha toa ka nino ny zavatra nampianariny ny vahoaka (jereo ny Môzià 5:1).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 5:2–7 hitadiavana ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka rehefa nampihatra ny fotopampianaran’i Kristy teo amin’ny fiainany izy ireo.

Nilaza izao manaraka izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fahaterahana indray ara-panahy:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Mety hanontany ianao hoe, nahoana no tsy mitranga haingana kokoa amiko izany fiovana mahery vaika izany? Tokony hotsaroanao fa ny ohatra niavaka nasehon’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, i Almà, ary ny hafa ao amin’ny soratra masina dia izao fotsiny— miavaka fa tsy zava-misy mahazatra [jereo ny Ezra Taft Benson, “A Mighty Change of Heart,” Ensign, Oct. 1989, 2–5]. Mandeha tsikelikely kokoa sy miandalana ny fiovana ho an’ny ankamaroantsika. Ny ateraka indray, izay tsy mitovy amin’ny fahaterahantsika ara-batana, dia dingana fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray. Ary ny fidirana ao anatin’izany dingana arahana izany no tanjona lehiben’ny fiainana eto an-tany.

… Aoka isika handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isak’alahady ary hanohy hanakaiky ny Fanahy Masina mba hamongotra ireo fahalotoana sisa tavela ao anatintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manohy ao anatin’ilay lalan’ny fahaterahana indray ara-panahy ianao, dia hanala ny fahotanao sy ny pentimpentin’ireo fahotana ao aminao ny fahasoavan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ka tsy afaka ny hisarika intsony ireo fakam-panahy, ary ho tonga masina ianao amin’ny alalan’i Kristy, toy ny maha-masina Azy sy ny Raintsika. (“Ateraka indray,” Liahona, mey 2008, 78)

Nampianatra ny filoha Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, hoe:

Sary
Filoha Bonnie L. Oscarson

Mila mikatsaka ny hanova ny fontsika sy ny tena toetrantsika isika rehetra mba tsy hanana faniriana ny hanaraka ny fomban’izao tontolo izao intsony fa hampifaly an’ Andriamanitra kosa. Ny fiovampo tena izy dia fitambarana dingana izay maharitra fotoana iray ary mitaky fahavononana ny hampiasa finoana. … Mitaky tsy fiovaovana sy ezaka isan’andro izany. (“Mino ve aho?Liahona, mey 2016, 88)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Fizarana 2

Ahoana no hanehoako an’ny Tompo fa tena te hanana fiovam-po aho?

Diniho ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo Antia-Nefia-Lehia momba ny finiavantsika hiezaka ny hahazo sy hihazona fiovam-po mahery vaika. Ireo Lamanita taloha ireo dia “vahoaka baribariana sy mafy fo ary loza be; dia vahoaka izay finaritra tamin’ny famonoana ny Nefita sy tamin’ny fandrobana ary ny famaboana azy” (Almà 17:14). Na izany aza dia nandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Antia-Nefia-Lehia rehefa nampianarin’i Amôna sy ireo rahalahiny, ary betsaka no “niova fo ho an’ny Tompo, dia tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 24:9–11, 15, 19, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Antia-Nefia-Lehia mba hanamafy orina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’ny Tompo.

Sary
Ilay lalana manadion’ny fankatoavana sy ny fahafoizan-tena ary ny fanamasinana, nataon’i Dan Burr

Raha niresaka momba ny fiovam-po mahery vaika nananan’ireo vahoaka ireo ny Loholona Bednar dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

Mitaky bebe kokoa mihoatra ny finoana sy ny fahalalana fotsiny ny fametrahana ireo “fiadian’ny fikomiana” izay ankamamiantsika, toy ny fitiavan-tena, ny avonavona, ary ny tsy fankatoavana. Ny fananana finoana matanjaka, ny fanetrentena, ny fibebahana, ary ny fankatoavana dia mandeha alohan’ny fametrahantsika ny fiadian’ny fikomiantsika. Moa ve izaho sy ianao mbola manana fiadian’ny fikomiana izay manakana antsika tsy hiova fo ho an’ny Tompo? Raha izany, dia mila mibebaka isika izao ankehitriny izao. (“Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 108–9)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no “fiadian’ny fikomiana” izay mety manakana anao tsy hiaina fiovam-po?