Institiota
Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina


“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina

Sary

Eritrereto ireo olona, fikambanana, tanonkala amin’ny internet, na ireo sehatra ao amin’ny tambajotran-tserasera izay mitaona ny eritreritrao sy ny safidy raisinao ary ireo zavatra ataonao isan’andro. Firy amin’ireo loharano ireo no manentana anao mba hanaraka an’i Jesoa Kristy? Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny fomba mety hanampian’ny tenin’ Andriamanitra anao hampitombo ny fahafahanao mandeha amin’ilay lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny Tompo sy ireo fitahian’ny Sorompanavotany.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako mahatsapa kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako?

Raha “nonina tany an-tany foana” ny fianakavian’i Lehia (1 Nefia 8:2) nandritra ny dia nataon’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina dia nahita fahitana avy amin’ Andriamanitra i Lehia. Tao amin’ilay fahitana hitany i Lehia dia notarihin’ny lehilahy iray manao akanjo fotsy nankany amin’ny “tany ngazana sy mahonena” (1 Nefia 8:1–7).

Sary

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 8:8–12 hahitana ny zavatra hitan’i Lehia rehefa avy nivavaka tamin’ny Tompo mba hahazo famindram-po izy.

Sary

Taty aoriana dia nahita fahitana mitovitovy amin’ny an-drainy i Nefia. Rehefa nangataka mba hahatakatra ny dikan’ilay hazon’aina i Nefia dia naseho azy ny “renin’ny Zanak’ Andriamanitra, araka ny fomban’ ny nofo … nitrotro zazakely teo an-tanany” (1 Nefia 11:18, 20). Avy eo dia nisy anjely niseho mba hanampy an’i Nefia hahatakatra kokoa ny dikan’ilay hazo.

Sary

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 11:21-22, dia tadiavo ny zavatra notsoahan’i Nefia momba ny dikan’ilay hazo.

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny mandray ny fitiavan’ Andriamanitra dia midika ihany koa fa mandray ny Sorompanavotan’i Jesoa sy ireo … fifaliana hoentin’izany” (“Lessons from Laman and Lemuel,” Ensign, nôv. 1999, 8).

Hoy ihany koa ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary

Ny fihinanana amin’ny voan’ilay hazo koa dia maneho fa nanaiky ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika: natao batisa, nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ary niditra ny tranon’ny Tompo mba hotafina hery avy any ambony. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanana nataontsika dia mahazo fampanantenana goavana isika fa hiaraka hiaina mandrakizay amin’ny olo-marina ao amin’ny fianakaviantsika.

Tsy mahagaga raha toa ilay anjely ka namariparitra ilay voankazo ho “mampiravoravo indrindra ny fanahy.” [1 Nefia 11:23]. (“Voa,” Liahona, nôv. 2019, 117)

Sary

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Saintsaino ireo teny nampiasan’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 8:10-12) mba hamariparitana ilay hazon’aina sy ny voany. Inona no ampianarin’ireo teny ireo anao mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny fanomezany an’i Jesoa Kristy Zanany Lahy?

Fizarana 2

Inona no mety hanasaraka ahy amin’i Jesoa Kristy sy ireo voan’ny Sorompanavotany?

Tsy ireo olona rehetra tao anatin’ny nofin’i Lehia no nanandrana ilay voa na nijanona rehefa avy nihinana tamin’ilay izy. Mianatra isika avy amin’ity tantara ity fa na misy aza ireo izay mandà ny handray ny Mpamonjy sy ireo fitahiana azo avy amin’ny Sorompanavotany dia misy ihany koa ireo hafa izay nanandrana ny hatsarany ary taty aoriana nanalavitra Azy satria voahenlingelina na menatra na koa voataona hiaina anatin’ny fahotana.

Sary

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino tsara ny 1 Nefia 12:16–18 ary tadiavo ireo singa ao amin’ny nofin’i Lehia izay nanasaraka ireo olona tamin’ilay hazo sy ny zavatra nianaran’i Nefia momba ny tandindon’ireo singa tsirairay.

Sary

Olona mihazona ny anjam-by ao anatin’ny zavon’ny haizina.

Sary

Hifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mitadiava ohatra amin’ireo “loharanon’ny rano maloto” (1 Nefia 12:16) sy ny ”zavon’ny haizina” (andininy 17), ary ny fanesoana nataon’ireo izay tao anatin’ilay trano lehibe sy malalaka, miaraka amin’ny fanampian’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namana iray. Mivonòna hizara ny traikefanao mandritra ny fotoam-pianarana.

Sary

Fizarana 3

Inona no azoko atao mba hahatohitra fakam-panahy sy hijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy?

Tao amin’ilay fahitany i Lehia dia nahita vondron’olona telo izay nikatsaka ny handeha amin’ilay lalana ety sy tery mitondra mankeny amin’ilay hazo sy ny voany. I Lehia ihany koa dia nahita anja-by izay nanaraka ilay lalana nitondra nankany amin’ilay hazo.

Sary

Nampianatra i Nefia fa ilay anja-by dia maneho ny tenin’ Andriamanitra ary ireo izay mihazona izany “dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy” (1 Nefia 15:24). Nanamarika ny Filoha Ezra Taft Benson fa ny tenin’ Andriamanitra dia hita ao amin’ireo “soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona ary ny fanambarana ho an’ny tena manokana” (“The Power of the Word,” Ensign, mey 1986, 80).

Sary

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Rehefa mamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ianao dia tadiavo ny maha samy hafa ireo izay niantehitra tamin’ny tenin’ Andriamanitra sy ireo izay tsy nanao izany.

Sary

Ny Rahavavy Ann M. Dibb izay efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nanolotra ity teny fampaherezana ity ho an’ireo izay namotsotra ilay anja-by:

Sary

Tsy mora foana ny famikirana amin’ilay anja-by. Mety hamotsotra izany isika noho ny faneriteren’ny olona na ny fieboeboana ka mihevitra fa afaka mahita ny lalantsika hiverenana isika any aoriana. … Hoy i Nefia hoe, “Ary maro no tsy hitan’ny masony fa nirenireny tamin’ny lalana hafahafa” (1 Nefia 8:32). Mandritra ireo fotoan-tsarotra amin’ny fiainantsika isika dia mety mahita ny tenantsika ho toy ny “mirenireny amin’ny lalana hafahafa.” Manome antoka anareo indray aho fa misy foana ny fahafahantsika hahita ny lalana hiverenantsika indray. Amin’ny alalan’ny fibebahana, izay azo atao noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia afaka hamikitra mafy indray sy hanolo-tena hamikitra mafy indray amin’ny anja-by isika ary hahatsapa indray ny fitarihana feno fitiavan’ny Raintsika any An-danitra. Nanome fanasana misokatra ho antsika rehetra ny Mpamonjy hoe: mibebaha, mamikira tsara ary aza avotsotra izany. ( “Hold on,” Ensign or Liahona, Nov. 2009, 81)

Sary

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto hoe iza amin’ireo vondrona fariparitan’i Nefia no maneho amin’ny fomba tsara indrindra ny toe-javatra misy anao ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny tenin’ Andriamanitra anao hanatona kokoa ny Mpamonjy sy ny herin’ny Sorompanavotany? Misy fanovana tianao atao ve mba hahafahana mamikitra mafy kokoa amin’ilay anja-by?