Institiota
Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra


“Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra

Sary
zatovolahy mizara ny Bokin’i Môrmôna

Eritrereto hoe firy ny olona hitanao isan’andro izay tsy mianoka ireo fitahiana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mety hiova toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha mahalala bebe kokoa momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarany izy ireo? Eo am-pandalinanao mikasika ireo ohatra amin’ireo misiônera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia eritrereto ombam-bavaka ny olona iray azonao hizarana ny filazantsara. Tadidio fa rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa ianao dia mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Fizarana 1

Afaka mampitombo ny faniriako hizara ny filazantsara amin’ny fomba ahoana ny fiezahako hanana fiovam-po lalina?

Niaraka tamin’i Almà zanany ireo zanakalahin’i Môzià miisa efatra (Amôna, Aharôna, Ômnera, ary Himnia) rehefa nisy anjely iray niseho sy niantso azy hibebaka. Lasa nahatsapa alahelo lehibe noho ny zavatra nataony avokoa ireo lehilahy tanora miisa dimy ireo, dia nibebaka tamin’ny fahotany ary niova fo ho an’ny Tompo. Taorian’ny fiovam-pon’izy ireo dia “fitaovana … teo an-tanan’ Andriamanitra tamin’ny fitondrana ny maro ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana [izy ireo], eny, ho amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy” (Môzià 27:36).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 28:1–3, mba hitadiavana ny fiantraikan’ny fiovam-pon’ireo zanakalahin’i Môzià tamin’ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara sy ho fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra.

Taorian’ny taona maro nitoriana ny filazantsara teo anivon’ny Lamanita dia nilaza izao manaraka izao tamin’ireo rahalahiny i Amôna: “Ary izany no fitahiana izay efa natolotra antsika, dia ny efa nanaovana antsika ho fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe [an’ny famonjena] ity” (Almà 26:3).

Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany mikasika ny fiantraikan’ny fiovam-pontsika eo amin’ny faniriantsika hizara ny filazantsara:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Tsy vesatra ny fizarana ny filazantsara fa fifaliana. Ilay antsointsika hoe “asa fitoriana ataon’ny mpikambana” dia tsy fandaharan’asa fa toetra feno fitiavana sy fanoloran-tanana hanampiana ireo manodidina antsika. Fotoana tsara koa izany hijoroana ho vavolombelona mikasika ny zavatra tsapantsika momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy antsika naverina tamin’ny laoniny. Nampianatra ny Loholona Ballard hoe: “Ny porofo tena manan-danja maneho ny fiovam-pontsika sy ny zavatra tsapantsika mikasika ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika manokana dia ny fahavononantsika hizara izany amin’ny hafa” [M. Russell Ballard, “Now Is the Time,” Liahona, Jan. 2001, 89]. (“Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,” Liahona, nôv. 2016, 60)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mitadiava ohatra iray avy ao amin’ny soratra masina na ny tantaran’ny Fiangonana mikasika ny fomba nampitomboan’ny fiovam-pon’ny olona iray ny faniriany sy ny fahavononany ho lasa fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra sy hizara ny filazantsara. Miomàna hizara ao an-dakilasy ilay ohatra hitanao.

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako ho lasa fitaovana mahomby kokoa eo an-tanan’ Andriamanitra?

Ireo zanakalahin’i Môzià sy ireo olona niaraka taminy dia nifanehitra tamina “vahoaka baribariana sy mafy fo ary lozabe” rehefa nandeha nampianatra ny Lamanita (Almà 17:8, 14). Rehefa niasa teo anivon’ireo vahoaka ireo misiônera ireo dia “niaritra fatratra, na ara-batana, na ara-tsaina, toy ny hanoanana, hetaheta sy havizanana ary koa tebitebin-tsaina be” (Almà 17:5).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 17:2–3, 9–11, dia tadiavo ny zavatra nataon’ireo zanakalahin’i Môzià mba handraisana ny fanahin’ny fanambarana sy hiomanana ny ho lasa fitaovana mahomby teo an-tanan’ Andriamanitra. Asio marika izay hitanao.

Sary
Miara-mivavaka amin’ireo rahalahiny i Amôna
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo zavatra nataonao izay tena nanampy anao ho mendrika ny Fanahy ka ho lasa fitaovana mahomby kokoa teo an-tanan’ Andriamanitra?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahan’ny Fanahy manampy ahy hanompo ny hafa amin’ny fomba tsara kokoa sy hizara ny filazantsara?

Lasa fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra ireo zanakalahin’i Môzià izay nanampy tamin’ny fitondrana ny maro tamin’ireo Lamanita hanatona ny Mpamonjy. Nandeha irery tany amin’ny tanin’i Ismaela i Amôna ka nafatotra sy nentina teo anoloan’ny Mpanjaka Lamônia. Nanontanian’ny Mpanjaka ny zavatra nokasain’i Amôna hatao, dia nilaza i Amôna fa te hiaraka honina tamin’ny Lamanita izy, ary angamba nandritra ny androm-piainany. Nahafaly ny mpanjaka izany ka dia lasa isan’ireo mpanompony i Amôna. (Jereo ny Almà 17:19–25.)

Nirahina hiambina ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna. Rehefa niezaka nampiparitaka ireo ondry ireo mpangalatra dia nampandamòka ny ezak’izy ireo tamin’ny antsamotadiny sy ny sabany i Amôna. Gaga tamin’ny herin’i Amôna ireo mpangalatra ka nandositra. (Jereo ny Almà 17:25, 33–38.)

Sary
I Amôna miaro ny andian’ondrin’i Lamônia Mpanjaka

Rehefa fantatry ny Mpanjaka Lamônia ny fahombiazan’i Amôna tamin’ny fiarovana ny andian’ondriny dia talanjona izy ary nametra-panontaniana raha toa ka i Amôna no ilay “Fanahy Lehibe izay mandefa famaizana lehibe toy izany amin’ity vahoaka ity?” (Almà 18:2). Rehefa “heniky ny Fanahin’ Andriamanitra i Amôna” (andininy 16), dia afaka namantatra ny eritreritry ny mpanjaka sy namaha ny olany ary nanomboka nampianatra azy ny filazantsara (jereo ny Almà 18:15–24).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 18:33–35, dia eritrereto ny zavatra azonao ianarana avy amin’i Amôna mikasika ny hoe ahoana izany lasa fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra izany.

Sary
I Amôna mijoro eo anoloan’ny Mpanjaka Lamônia

Nino ny tenin’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia dia niova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Afaka nampianatra ny vadin’i Lamônia sy ireo mpanompon’ny mpanjaka koa i Amôna. Maro tamin’izy ireo no nino ny fampianaran’i Amôna sy nijoro ho vavolombelona fa “efa novana ny fony” (Almà 19:33). Noho i Amôna lasa fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra, “ny asan’ny Tompo [dia nanomboka] teo anivon’[izany ampahany tamin’ny] Lamanita [izany]” (Almà 19:36).

Na dia mety tsy ho mampitaintaina toy ny an’i Amôna aza ny zavatra iainantsika dia afaka manova zavatra eo amin’ny fiainan’ny hafa isika rehefa manomana ny tenantsika ho lasa fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra.

Sary
vehivavy anankiroa miresaka

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny hafa:

Sary
Loholona Dieter F. Uchtdorf

Na aiza na aiza misy anao eto an-tany dia misy fahafahana marobe hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona mifanena sy miara-mianatra, miara-mipetraka, miara-miasa na mifanerasera aminao. …

Na inona na inona fomba tsotra sy voajanahary aminao dia zarao amin’ny hafa ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao. …

Aza mivavaka fotsiny mba hahitan’ireo misiônera ireo voafidy. Mivavaha isan’andro amin’ny fonareo manontolo mba hahitanareo ireo izay hanatona ka hizaha sy hanatona ka hanampy, ary ireo izay ho avy hitoetra. (“Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15, 17)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo zavatra nataonao hizarana ny filazantsara tamin’ny fomba “tsotra sy voajanahary”? Iza no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny hanasa olona iray hanakaiky kokoa ny Mpamonjy ianao? Inona no mety ho ataonao mba ho fitaovana eo an-tanan’ny Tompo amin’ny fanampiana ireo olona eritreretinao?