Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fitahiana avy amin’ny fahafahana ara-pivavahana


“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fitahiana avy amin’ny fahafahana ara-pivavahana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fitahiana avy amin’ny fahafahana ara-pivavahana

Sary
Nampakatra ny fanevan’ny fahafahana ny Kapiteny Môrônia (Kapiteny Môrônia sy ny Fanevan’ny Fahafahana), nataon’i Arnold Friberg

Hatraiza ny lanjan’ny fahafahana ara-pivavahana aminao? Araka ny voamarika ao amin’ny tranonkalan’ny Church Newsroom, “Ny fahafahana ara-pivavahana dia zon’olombelona fototra iray izay miaro ny feon’ny fieritreretan’ny olona rehetra. Izany dia mamela antsika hieritreritra, haneho hevitra ary hanao zavatra miainga amin’ny zavatra inoantsika lalina. … [Izany] dia miaro ny zon’ny vondron’olona na ny tsirairay rehetra, ao anatin’izany ireo marefo indrindra, na mpivavaka na tsia” (“Religious Freedom,” newsroom.ChurchofJesusChrist.org).

Raha niresaka momba ny androntsika ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina izy hoe: “I [Satana] dia romotra mafy manimba, manohitra, ary manaparitaka fikorontanana momba ny fahalalahana ara-pivavahana—ny votoatin’izany sy ny antony ilana izany eo amin’ny fiainam-panahintsika sy ny famonjena antsika mihitsy” (“Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana,” Liahona, mey 2015, 112). Rehefa mandalina ianao mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia saintsaino izay azon’ny Bokin’i Môrmôna ampianarina antsika momba ny maha-zava-dehibe ny fahafahana ara-pivavahana ary hevero izay azonao atao mba hampiroboroboana, hitandrovana ary hiarovana izany.

Fizarana 1

Ahoana no iarovan’ny fahalalahana ara-pivavahana ireo zavatra inoako sy ny fomba nosafidiako iainana izany?

Nandritra ny tantara manontolo, ny zon’olombelona fototra hanao zavatra mifanaraka amin’ny zavatra inoantsika dia matetika no notoherina ary nofoanana mihitsy aza. Ohatra, nandritra ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Môzià dia nanjary henjana ny fanenjehana nataon’ny tsy mpino ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana (jereo ny Môzià 27:1).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny tantara ao amin’ny Môzià 27:1–4 ka tadiavo ny fomba niarahan’ny mpitondra fiangonana sy mpitondra fanjakana niasa mba hampisy fandriampahalemana teo amin’ny vahoaka.

Ny fahafahafana ara-pivavahana dia tsy vitan’ny hoe miaro ny fanehoan’ireo mpivavaka ihany, fa manohana ny zon’ireo izay tsy mpivavaka na manana finoana hafa ihany koa. Hita ao anatin’ny tantaran’i Kôrihôra ny ohatra iray amin’izany. Niaina nandritra ny fotoana nanjakan’ny mpitsara i Kôrihôra, rafitra governemanta iray izay natao hitandrovana sy hiarovana ny fahafahan’ny olona amin’ireo mpanjaka tsy marina (jereo ny Môzià 29). Nitory i Kôrihôra fa “tsy tokony hisy i Kristy” (Almà 30:12). Nambarany fa tsy nisy ny ota ary ny tsirairay dia nambinina araka ny faharanitan-tsainy ihany. Ny fampianaran’i Kôrihôra dia nitarika olona maro hiala tamin’ny Tompo. (Jereo ny Almà 30:6, 12–18.)

Sary
Nifanandrina tamin’i Almà i Kôrihôra, nataon’i Robert T. Barrett
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 30:7–9, 11 dia fantaro ny antony nananan’i Kôrihôra zo hilaza ny zavatra inoany.

Ao amin’ny Almà 30:29–58 dia vakintsika fa i Kôrihôra dia nentina tany amin’ny mpaminany Almà sy ny lohan’ny mpitsara tao Zarahemlà, ary i Almà dia nanohitra ny fampianaran’i Kôrihôra tamin’ny alalan’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy. Tahaka ny nananan’i Kôrihôra zò haneho ny tsy finoany an’ Andriamanitra, dia afaka nanamarina ihany koa i Almà fa misy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nitaky famantarana avy tamin’ Andriamanitra i Kôrihôra rehefa nisafidy ny tsy hino an’i Almà ka lasa moana izy. Rehefa navoaka hiely ny zava-nitranga, ireo rehetra izay nino an’i Kôrihôra dia resy lahatra fa diso izy ary “niova fo ho an’ny Tompo indray izy rehetra” (andininy 58).

Raha niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny fahafahana ara-pivavahana ho an’ny olon-drehetra ny Mpaminany Joseph Smith dia hoy izy:

Sary
Ny Mpaminany Joseph Smith

Tena vonona ny ho faty aho mba hiarovana ny zon’ny Presbyteriana iray na Batista iray na olona tsara iray avy amin’izay mety ho antokom-pinoana hafa [tahaka ny zon’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana]; satria ilay fitsipika izay hanitsakitsahana ny zon’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no hanitsakitsahana ny zon’ny Katôlika Rômana na antokom-pinoana hafa izay mety tsy malaza na marefo loatra ka tsy afaka miaro ny tenany. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 370)

Nantitranterin’i Joseph Smith ho fampianarana fototra ho an’ny Fiangonana ihany koa ny fahafahana ara-pivavahana: “Mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika, ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, koa aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany” (Fanekem-pinoana 1:11).

Sary
ankizilahy mamaky lahatsoratra ara-pivavahana bodista

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia namoaka izao fanambarana manaraka izao momba ny fikatsahana am-pilaminana ny fahafahana ara-pivavahana:

Raha manery ny fahafahana ara-pivavahana ny lalàna, ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ny fankatoavana ny lalàna kanefa mikatsaka ny fiarovana ny zon’izy ireo fototra amin’ny alalan’ny fomba ara-dalàna izay mety hisy isaky ny fahefana na firenena. (“Religious Freedom: The Basics,” ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Hevero ny hiresaka amin’olona iray na maromaro avy amin’ny finoana hafa, dia anontanio azy ireo ny antony maha-zava-dehibe amin’izy ireo ny fivavahany ary raha toa ka efa niaina fanenjehana ara-pivavahana izy ireo. Aoka ho vonona hizara ny zavatra ianaranao rehefa tonga ao am-pianarana.

Sary
Olona mivavaka eo amin’ny Manda andrefan’i Jerosalema

Fizarana 2

Inona no azoko atao hanampiana amin’ny fampiroboroboana na fitandrovana ny fahafahana ara-pivavahana?

Mety hanampy ny fieritreretana ohatra vitsivitsy amin’ny mety ho endriky ny fiainana raha tsy misy fahafahana ara-pivavahana. Alao sary an-tsaina ny fiatrehanao ny iray na ny maromaro amin’ireto trangan-javatra manaraka izay ahitana fahafahana ara-pivavahana voafetra ireto:

  • Mety ho very asa na toerana ambony ianao noho ny filazanao zavatra inoanao ara-pivavahana—na dia ivelan’ny asa aza. …

  • Mety hotakiana hanafina ny fivavahanao ianao na hanao asa any am-piasana izay mifanohitra amin’ny zavatra inoanao. …

  • Mety hotakiana hiasa Sabata na andro tsy iasana ara-pinoana ianao na dia misy hafa te handray ny anjaranao aza. …

  • Ny zanakao any amin’ny sekolim-panjakana dia mety hotakiana hianatra momba ny teôria momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy izay mifanohitra amin’ny fampianarana fototry ny Fiangonana. …

  • Mety tsy afaka manangan-jaza ianao na ho lasa ray aman-dreny mitaiza noho ny zavatra inoanao ara-pivavahana na ny fomba fijery anananao momba ny fianakaviana.

  • Amin’ny maha-tompona orinasa na matihanina anao, dia mety hoesorina aminao ny fahazoan-dàlana na ho voasazy handoa onitra ianao raha mandà tsy hanao asa mifanohitra amin’ny zavatra inoanao ara-pivavahana. (“Religious Freedom Matters: What’s at Risk,” Ensign, July 2017, 37)

Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra fa tamin’ny taona faha-19 nanjakan’ny mpitsara dia nisy lehilahy ratsy fanahy iray antsoina hoe Amalikia nanao tsikombakomba mba ho tonga mpanjaka teo amin’ny Nefita. Nitady an-kafetsena izay hamotehana ny Fiangonan’ny Tompo sy “ny fiorenan’ny fahafahana izay efa notovin’ Andriamanitra taminy” izy (Almà 46:10). Nandokandoka ny maro tamin’ny Nefita i Amalikia, ary nandao ny Fiangonana mba hanaraka azy ireo Nefita ireo. (Jereo ny Almà 46:1–10.)

Rehefa fantatr’i Môrônia kapitenin’ny tafika Nefita ny drafitr’i Amalikià dia tezitra izy ary namory ny vahoaka hiaro ny zon’izy ireo, ao anatin’izany ny fahafahan’izy ireo ara-pivavahana (jereo ny Almà 46:11–13, 19–20).

Sary
Mandrosoa (Fanevan’ny fahalalahana), nataon’i Walter Rane
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 46:11–13, 19–20 ary tadiavo ny zavatra nataon’ny kapiteny Môrônia mba hiarovana ny vahoaka amin’ny fandrahonana ny fahafahan’izy ireo.

Nivondrona tamin’i Môrônia ny vahoaka ary nanao fanekempihavanana hijoro hanohitra ny fandrahonana natao tamin’ny fahafahan’izy ireo (jereo ny Almà 46:21–22). Raha niresaka ny adidintsika amin’ny fanohanana ny fahafahana ara-pivavahana ny Loholona Hales dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Manana andraikitra isika amin’ny maha-mpanara-dian’i Jesoa Kristy antsika mba hiaraha-hiasa amin’ireo mpino mitovy hevitra amintsika mba hanambara amin’ny alalan’ny feontsika ny zavatra marina. …

… Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ireo fahafahana sy zo masina ireo isika ho an’ny tenantsika sy ny taranatsika. Inona no azontsika sy ianao atao?

Voalohany, afaka maka vaovao isika. Fantaro izay olana miseho eo amin’ny fiarahamonina misy anao ka mety hisy fiantraikany eo amin’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana.

Faharoa, amin’ny anaran’ny tenanao manokana dia miaraha amin’ireo olona hafa izay manohana koa ny fanoloran-tenantsika hiaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana. Miaraha-miasa mba hiarovana ny zom-pahafahana misafidy ny finoana.

Fahatelo dia aoka ny fiainana iainanao ho toy ny ohatra tsara maneho ny zavatra inoanao—eo amin’ny teny sy fihetsika. Ny fomba iainantsika ny fivavahantsika dia manan-danja lavitra bebe kokoa noho izay mety holazaintsika mikasika ny fivavahantsika.

Efa manakaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Aoka isika tsy hanemotra ny fanaovana ity asa lehibe ity. Tsarovy ny kapiteny Môrônia izay nanandratra ny fanevan’ny fahafahana [jereo ny Almà 46:12]. … Aoka hotsaroantsika ny fihetsika nasehon’ny vahoaka: nampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo ka “niara-nirohotra” niaraka tamin’ny fanekempihavanana fa handray andraikitra [Almà 46:21]. (“Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana,” 112, 113)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao atao mba hampiroboroboana sy hitandrovana ny fahafahana ara-pivavahana amin’ny toerana onenanao?

Sary
Mifandray tanana amin’ny Papa François ny Filoha Russell M. Nelson