Institiota
Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Hadihadio ny soratra masina


“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Hadihadio ny soratra masina,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Hadihadio ny soratra masina

Sary
tanora mamaky ny soratra masina

Hoy ny Loholona Richard G. Scott avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Aza milefitra amin’ny laingan’i Satana hoe tsy manana fotoana ianareo handalinana ny soratra masina. … Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéos, na ny tambajotran-tserasera ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra.” (“Ataovy ho toy ny laharam-pahamehana ny fampiasana ny finoana,” Liahona, nôv. 2014, 93). Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto hoe nahoana no tian’ny Loholona Scott ho ataonao laharam-pahamehana ambony ny fandalinana ny soratra masina. Diniho hoe inona no anjara asan’ireo soratra masina eo amin’ny fiainanao ankehitriny.

Fizarana 1

Aiza amin’ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainako no misy ny soratra masina?

Rehefa namakivaky ny tany foana nandritra ny andro maro i Lehia sy ny fianakaviany dia nandidy an’i Lehia ny Tompo handefa ireo zanany lahy hiverina any Jerosalema mba haka ireo takela-barahina any amin’i Labana. Ireo takela-barahina dia rakitsoratra masina tranainy azo oharina amin’ny Testamenta Taloha izay mirakitra ny rakitsoratr’ireo Jiosy sy rakitsoratr’ireo mpaminany maro (jereo ny 1 Nefia 5:11–16; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Takela-barahina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Nahafantatra ny Tompo fa tena ilain’i Lehia sy ireo taranany ireo soratra masina ireo. Nandidy an’i Nefia hamono an’i Labana mihitsy ny Tompo mba hahazoana ireo rakitsoratra ary nilaza hoe “Tsaratsara kokoa ny hahafatesan’ny olona iray toy izay ny firenena no hihemotra ka ho faty ao amin’ny tsy finoana.” (1 Nefia 4:13).

Rehefa nahazo ny takela-barahina i Lehia dia nanomboka “nodinihiny izany” (1 Nefia 5:10), “heniky ny Fanahy izy ary nanomboka naminany” (andininy 17).

Sary
I Lehia mamaky ny takela-barahina
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 5:19, 21–22, dia tadiavo hoe nahoana no nilain’ny fianakavian’i Lehia ny nitondra ireo soratra masina niaraka tamin’izy ireo raha nandeha ho any amin’ny tany nampanantenaina izy ireo.

Raha niresaka momba ny hasarobidin’ireo soratra masina teo amin’ny fiainany manokana ny Filoha Julie B. Beck, izay Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nampianatra izy hoe:

Sary
Rahavavy Julie B. Beck

Ny fifaliana dia tonga avy amin’ny fahazarana mamaky ny soratra masina isan’andro izay natomboka taona maro lasa izay. Indraindray aho dia manam-potoana betsaka handinihina ny soratra masina. Ary indraindray kosa dia misaintsaina andininy vitsivitsy. Toy ny maha-zava-dehibe ny fihinanana sakafo sy ny fifohana rivotra hanohanana ny vatana dia mamahana sy manome aina ny fanahiko ny soratra masina. Ankehitriny aho dia afaka milaza ny tenin’i Nefia izay manao hoe: “Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina, ary ny foko misaintsaina ireny. … Indro ny fanahiko dia finaritra amin’ny zavatry ny Tompo; ary ny foko misaintsaina lalandava ny zavatra izay efa hitako sy reko” (2 Nefia 4:15–16). (“My Soul Delighteth in the Scriptures,” Ensign or Liahona, May 2004, 109)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Raketo an-tsoratra ireo antony sasantsasany mahatonga anao mieritreritra fa ny fandalinana manokana ny soratra masina dia tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 2

Ahoana no hanampian’ny soratra masina ahy hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy?

Nandritra ny fanompoany dia namorona rakitsoratra anankiroa i Nefia: ireo takelaka lehibe sy ireo takelaka kelin’i Nefia. Tamin’ny voalohany ireo takelaka lehibe dia nirakitra ireo tantara tsy ara-pivavahan’ny vahoakan’i Nefia. Ireo takelaka kely kosa dia noforonina ary nanana “tanjona manokana” dia ny hitahirizana rakitsoratra iray momba ny asa fanompoan’ny vahoakan’i Nefia (1 Nefia 9:3). Nilaza i Nefia fa ny “tena fikasa[ny]” amin’ny fanaovana ity rakitsoratra ity dia ny handresy lahatra ny olona rehetra mba hanatona an’i Kristy ary mba ho voavonjy (1 Nefia 6:4).

Rehefa nomen’i Nefia an’i Jakôba rahalahiny ny andraikitra hihazona ireo takelaka kely dia nandidy an’i Jakôba izy mba tsy hanoratra ankoatra ireo zavatra “tena sarobidy” (Jakôba 1:1–2).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jakôba 1:4, 6–8 sy ny Jakôba 4:3–4 ary tadiavo izay noheverin’i Jakôba fa “tena sarobidy” (Jakôba 1:2).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa i Nefia sy Jakôba ary ireo mpaminany hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanampy ny tenivavolomben’izy ireo amin’ireo mpaminany avy amin’ny soratra masina hafa. Nanazava Izy hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Tao anatin’ny amboaram-panambarana nataon’ny mpaminany izay toa tsy nisy farany—ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo “mpaminany masina rehetra” [Jakôba 4:4] nandritra ny “an’arivon-taona marobe mialoha ny fiaviany,” [Helamàna 8:18]—ny Bokin’i Môrmôna dia manambara marina fa i Jesoa no ilay Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. (“A Testimony of the Book of Mormon,” Ensign, Nov. 1999, 69)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no lasa fantatrao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa namaky ny soratra masina ianao, indrindra ny Bokin’i Môrmôna? Inona ireo andinin-tsoratra masina izay nitarika anao hanakaiky kokoa Azy?

Fizarana 3

Ahoana no hitarihan’ireo soratra masina ahy hamaha olana sy handray fanapahan-kevitra?

Rehefa notanterahin’i Lehia avokoa ny zavatra rehetra nandidiana azy dia nomen’ny Tompo fitaovana antsoina hoe Liahona izy (jereo ny Almà 37:38). Toy ny kompà ny fiasan’ny Liahona ary nitarika ny fianakavian’i Lehia izany raha namakivaky ny tany foana izy ireo. Nampiseho hafatra manokana avy amin’ny Tompo ihany koa izany. Nianatra i Nefia fa ny Liahona dia nandeha arakaraka ny finoana sy ny faharisihana izay nasehon’izy ireo” manoloana ireo hafatra avy amin’ny Tompo (1 Nefia 16:28–29).

Sary
ny Liahona

Teo ho eo amin’ny 500 taona taty aoriana dia nankinin’i Almà tamin’i Helamàna zanany ny fitahirizana ireo takela-barahina sy ireo soratra masina hafa, ary nomeny torolalana izy momba ny fiasan’ny Liahona.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio sy saintsaino ny fomba fijerin’i Almà ao amin’ny Almà 37:40–41, 43–45 mikasika ny hahafahantsika mampitaha ny soratra masina amin’ny Liahona.

Fony izy tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny Loholona W. Rolfe Kerr hoe:

Sary
Loholona W. Rolfe Kerr

Ny tenin’i Kristy dia afaka ny ho lasa Liahona an’ny tena manokana ho an’ny tsirairay avy amintsika, manoro lalana antsika izany. Aoka isika tsy ho kamo noho ny fahamoran’ny lalana. Aoka isika hampiditra amim-pinoana ny tenin’i Kristy ho ao an-tsaintsika sy ho ao am-pontsika araka izay voarakitra ao amin’ny soratra masina, sy araka izay ambaran’ireo mpaminany, sy mpahita ary mpanambara velona. Aoka isika hivoky amim-pinoana sy amim-pahazotoana amin’ny tenin’i Kristy, satria ny tenin’i Kristy no ho Liahona ara-panahy ho antsika, izay milaza amintsika ny zavatra rehetra tokony ataontsika. (“The Words of Christ—Our Spiritual Liahona,” Ensign or Liahona, May 2004, 37)

Sary
sary famantarana, fifanakalozan-kevitra

Hifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Anontanio ny namanao na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao ny naha-loharanom-pitarihana ireo soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona teo amin’ny fiainan’izy ireo, toy ny Liahona azy ireo manokana. Mandritra ny fifampiresahanareo dia azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao manokana momba izany.