Avia, hanaraka Ahy
Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
vehivavy iray mandalina ny soratra masina

Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina

Ireto misy fomba tsotra vitsivitsy izay mba hanatsarana ny fandalinanao ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina.

Mitadiava fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy

Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4; Mosesy 6:63), koa tadiavo Izy ao amin’ireo zava-niseho sy tantara ary fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny handray an-tsoratra na hanisy marika ireo andininy izay mampianatra momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanarahana Azy.

Mitadiava teny sy andian-teny manentana ny fanahy

Mety hahita ianao fa misy teny na andian-teny sasany ao amin’ny soratra masina manohina ny fonao, toa ireny hoe nosoratana manokana ho anao ireny. Mety ho tena misy lanjany sy manentana ny fanahy ary mandrisika manokana izany. Hevero ny hanisy marika azy ireny ao amin’ny soratra masinao na soraty ao anaty diary fandalinana.

Tadiavo ny fahamarinana ara-pilazantsara

Indraindray ny fahamarinana ara-pilazantsara (izay antsoina matetika hoe fotopampianarana na fitsipika) dia voalaza mivantana, ary indraindray izy ireny resahina amin’ny alalan’ny ohatra na tantara. Manontania tena hoe: “Inona no fahamarinana mandrakizay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?”

Henoy ny Fanahy

Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana anananao na dia tsy misy hidirany amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao.

Ampitahao amin’ny soratra masina ny fiainanao

Eritrereto ny fomba fiantefan’ireo tantara sy fampianarana vakinao eo amin’ny fiainanao. Ohatra, afaka manontany tena ianao hoe: “Inona no zavatra efa niainako ka mitovy amin’ny zavatra izay vakiko?” na “Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra asehon’ity olona ao amin’ny soratra masina ity?”

Mametraha fanontaniana eo am-pandalinana

Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsaina. Ireo fanontaniana ireo dia mety hifandray amin’ny zavatra vakinao na amin’ny fiainanao amin’ny ankapobeny. Saintsaino ireo fanontaniana ireo ary mitadiava valiny rehefa manohy mandalina ny soratra masina ianao.

Ampiasao ireo fitaovana fandalinana soratra masina

Mba hahazoana hevitra fanampiny amin’ireo andininy izay vakinao dia ampiasao ireo fanamarihana eny ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ireo fitaovana fandalinana hafa.

Jereo ny sahan-kevitry ny soratra masina

Afaka mahita hevi-baovao manan-danja momba ny soratra masina iray ianao raha jerenao ny sahan-kevitr’izany, izany hoe ireo toe-javatra sy toerana nitrangan’ilay soratra masina. Ohatra, afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra tian’ireo teny ambara ny fahafantarana ny foto-piaviana sy ny finoan’ny olona tamin’ny fotoana nitenenan’ny mpaminany iray.

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao

Misy fomba maro azo hiraketana ireo fahatsapana tonga mandritra ny fandalinanao. Ohatra, afaka manisy marika teny na andian-teny manan-danja ianao ka hanoratra ny eritreritrao mba ho fanamarihana ao amin’ny soratra masinao. Afaka mampiasa diary ihany koa ianao asiana hevi-baovao, fahatsapana, ary eritreritra tonga ao aminao.

Alalino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany

Vakio ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly velona momba ireo fitsipika izay hitanao ao amin’ny soratra masina (ohatra, jereo ao amin’ny conference.ChurchofJesusChrist.org na ny gazetibokin’ny Fiangonana).

Mizarà hevi-baovao

Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo hevi-baovao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia tsy fomba tsara hampianarana ny hafa fotsiny ihany fa manamafy orina ny fahatakaranao ny zavatra novakinao ihany koa.

Iaino izay ianaranao

Ny fandalinana soratra masina dia tsy tokony hanentana ny fanahintsika fotsiny fa hitarika antsika hanova ny fomba fiainantsika ihany koa. Henoy ny zavatra bitsihin’ny Fanahy mba hataonao rehefa mamaky ianao, ary avy eo dia manolora tena hanao zavatra araka izany bitsika izany.

Sary
lehilahy iray mandalina ny soratra masina

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha -mibosesika handroso [isika] ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany … [dia] hahazo ny fiainana mandrakizay [isika]- [2 Nefia 31:20].

“Mihoatra ny hoe manandrana ny mivoky. Ny atao hoe mivoky dia mankafy. Mankafy ny soratra masina isika amin’ny alalan’ny fandalinana azy ao anatin’ny toe-tsaina mikaroka amim-pifaliana sy mankato amim-pahatokiana. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia tafalentika ao anatin’ny -vato fisaka nofo, dia ny fo- izany [2 Korintiana 3:3]. Lasa tafiditra tanteraka ao anatin’ny toetrantsika izany” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, nôv. 2000, 17).