Avia, hanaraka Ahy
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
fianakaviana manao kilalao

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana rehetra ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Fihirana sy Hiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Chants pour les enfants voatonta dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique SDJ.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ny gazetiboky Namana Liahona dia ahitana tantara sy asa atao izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy ireo ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mahita ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org.

Boky torolalana ho an’ny Seminera sy Institiota

Ny boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra fampahalalana fototra ara-tantara sy fanazavana ny fotopampianarana ho an’ireo fitsipika sy tantara hita ao amin’ny soratra masina.

Tahirim-pampahalalana amin’ny endriny maro

Ireo asa haikanto, horonan-tsary, ary fitaovam-pampahalalana hafa dia afaka manampy anao sy ny fianakavianao hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsidiho ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ireo andiana loharanom-pitaovana amin’ny endriny haino aman-jery an’ny Fiangonana, anisan’izany ireo andiana horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna, izay mampiseho ireo zava-nitranga tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday koa ny Médiathèque de l’ Eglise.

Sujets de l’Evangile

Azonao jerena ao amin’ny topics.ChurchofJesusChrist.org ireo fampahalalana fototra momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, izay miaraka amin’ny rohy maromaro mankany amin’ny loharanom-pitaovana tena manampy, toy ny zavatra mifandray amin’ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, ireo lahatsoratra nosoratana, ny soratra masina, ary ireo horonan-tsary.

Miorim-paka ao amin’ny Finoana

Raha mila fanampiana fanampiny ianao amin’ny fahatakarana ireo fitsipika fototry ny filazantsara dia hevero ny hijery ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana. Io fitaovana io dia manolotra fanazavana tsotra momba ireo lohahevitra ara-pilazantsara, izay voalahatra manaraka ny abidia.