Avia, hanaraka Ahy
Mampianatra ankizy madinika


“Mampianatra ankizy madinika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Mampianatra ankizy madinika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Mampianatra ankizy madinika

Raha misy ankizy madinika ao amin’ny fianakavianao dia ireto misy zavatra atao izay mety hanampy azy ireo hianatra:

  • Mihira. Ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ireo hira avy ao amin’ny Chants pour les enfants dia mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika.  Ampio ny ankizy hampifandray ny hafatra ao amin’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, mety hametraka fanontaniana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ny tonony ianao. Ankoatra ny fihirana dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ireo hira ireo ankizy na mihaino ny hira alefa moramora eo am-panaovana zavatra hafa.

  • Mihaino na milalao tantara iray. Ny ankizy madinika dia tia tantara, mety ho avy ao amin’ny soratra masina izany na avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ireo gazetibokim-piangonana. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fitantarana tantara. Afaka mitazona sary na zavatra izy ireo, na manao sarin’ny zavatra izay henony, na milalao an-tsehatra ny tantara na manampy amin’ny fitantarana ilay tantara mihitsy aza. Ampio ireo ankizy hahita ireo fahamarinana ara-pilazantsara ao anatin’ireo tantara izay zarainao.

  • Mamaky soratra masina. Mety tsy tena hahay hamaky teny loatra ny ankizy madinika, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Mety ho mila mifantoka amin’ny andininy na andian-teny na teny manan-danja iray ianao. Mety ho afaka manao tsianjery andian-teny fohy avy ao amin’ny soratra masina mihitsy aza izy ireo rehefa averimberiny matetika izany. Rehefa mandre ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia hahatsapa ny Fanahy.

  • Mijery sary na horonan-tsary. Rehefa maneho sary na horonan-tsary mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray na tantara iray ao amin’ny soratra masina ianao dia ametraho fanontaniana izay manampy azy ireo hianatra avy amin’ny zavatra izay hitany izy ireo. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe: “Inona no mitranga eo amin’io sary io na ao amin’io horonan-tsary io? Mahatonga anao hahatsapa inona izany?” Ny application Bibliothèque de l’Évangile, medialibrary.ChurchofJesusChrist.org, ary children.ChurchofJesusChrist.org dia toerana tsara hitadiavana sary na horonan-tsary.

  • Mamorona. Ny ankizy dia afaka manorina zavatra, na manao sary na mandoko zavatra mifanaraka amin’ny tantara na fitsipika izay ianarany.

  • Mandray anjara amin’ny lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Ny lesona tsotra ampiasana ohatra azo tsapain-tanana dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ny fitsipiky ny filazantsara iray izay sarotra takarina. Rehefa manao lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana dia mitadiava fomba ahafahan’ny zanakao mandray anjara. Hianatra bebe kokoa izy ireo avy amin’ny fanaovana zavatra izay andraisana anjara toy izay mijery fampisehoan-javatra fotsiny.

  • Milalao toe-javatra an-tsehatra. Rehefa milalao an-tsehatra toe-javatra iray izay hitranga eo amin’ny fiainany ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fiantefan’ny fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainany.

  • Mamerimberina ireo asa atao. Mety ho mila maheno hevitra imbetsaka ny ankizy madinika vao hahatakatra izany. Aza matahotra mamerina matetika tantara na asa atao. Ohatra, mety hizara tantara ao amin’ny soratra masina imbetsaka amin’ny fomba samihafa ianao: mamaky ilay soratra masina, mamintina izany amin’ny teninao manokana, maneho horonan-tsary, mamela ny zanakao hanampy anao hitantara ilay tantara, manasa azy ireo hilalao an-tsehatra ilay tantara, sy ny sisa sy ny sisa.

    Sary
    fianakaviana manao fandalinana