Avia, hanaraka Ahy
Fampanantenana nambaran’ny mpaminany


“Fampanantenana nambaran’ny mpaminany,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Fampanantenana nambaran’ny mpaminany,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Fampanantenana nambaran’ny mpaminany

Hanova ny fiainanao ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Hanova ny fianakavianao izany. Nanome fampanantena hatrany ny amin’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna ireo mpaminanin’ny andro farany hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Saintsaino ireto teny nambara manaraka ireto ary avereno jerena matetika izany. Iza amin’ireo fitahiana ireo no tianao ho azo? Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hevero ny hirakitra an-tsoratra sy hizara amin’ny hafa ny fomba nahatanterahan’ireo fampanantenana ireo teo amin’ny fiainanao.

Mpaminany Joseph Smith: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (Enseignement des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 64).

Filoha Ezra Taft Benson: “Tsy hoe mampianatra antsika ny fahamarinana fotsiny ny Bokin’i Môrmôna, na dia tena manao izany aza izy. Tsy hoe mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy fotsiny ihany ny Bokin’i Môrmôna, na dia tena manao izany tokoa ihany koa aza izany. Saingy mbola misy zavatra hafa ankoatra izany. Misy hery ao anatin’ilay boky izay hanomboka hirotsaka ao amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ny boky ianao. Hahita hery lehibe kokoa ianao hanoherana ny fakam-panahy. Hahita hery ianao hisorohana ny famitahana. Hahita hery ianao hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery. Antsoina hoe -tenin’ny fiainana- ny soratra masina ary tena marina kokoa izany raha ho an’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny boky hafa (FF 84:85). Rehefa manomboka noana sy mangetaheta ireo teny ireo ianao, dia hanana fiainana miroborobo bebe kokoa hatrany” (Enseignement des Présidents de l’Église: Ezra Taft Benson [2014], 141).

Filoha Gordon B. Hinckley: “Ry Rahalahy sy Anabavy, tsy am-pihambahambana no hampanantenako anareo fa raha mamaky ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna ianareo, na dia efa namaky izany im-betsaka aza ianareo teo aloha, dia hisy ampahany fanampiny amin’ny Fanahin’ny Tompo ho tonga ao am-ponareo. Hisy hery ho tonga hampatanjaka ny fahatapahan-kevitrareo ny handeha eo amin’ny lalan’ny fankatoavana ireo didiny, ary ho tonga ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ny amin’ny fisian’ilay Zanak’Andriamanitra velona” (Enseignement des Présidents de l’Église: Gordon B. Hinckley [2016], 233).

Filoha Russell M. Nelson: “Ry rahalahy sy ranabaviko malala, mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo,isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vanin’andro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.” (“Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62–63).