Avia, hanaraka Ahy
30 desambra–5 janoary. Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna: “Testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy”


“30 desambra–5 janoary. Pejin-dohatenin’ny Bokin’ i Môrmôna: -Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“30 desambra–5 janoary. Pejin-dohatenin’ny Bokin’ i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020

Sary
ireo takela-bolamena

30 desambra–5 janoary

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

“Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy”

Ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna dia afaka ny hihatsara raha toa ka atombokao amin’ny famakiana ireo pejy izay mialoha ny 1 Nefia. Inona no hitanao fa mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na tsy mbola tonga ao amin’ny 1 Nefia toko 1 akory aza ianao dia hita mazava fa ny Bokin’i Môrmôna dia boky miavaka. Ny pejin-dohateniny dia mamariparitra tantara iray izay tsy mitovy amin’ny hafa—ahitana ny famangian’ny anjely, rakitsoratra taloha nilevina nandritra ny taon-jato maro tao amin’ny vohitra iray, ary mpiompy sy mpamboly tsy misy mpahalala iray mandika ilay rakitsoratra amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy tantaran’ny riban’ny mponina Amerikana fahiny fotsiny ihany. Mirakitra ny “fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay” izany (pejin-dohantenin’ny Bokin’i Môrmôna), ary Andriamanitra mihitsy no niahy ny namoahana azy, dia ny fomba nanoratana azy, ny fomba nitehirizana azy, ary ny fomba nahatonga izany ho azontsika ampiasaina amin’izao androntsika izao. Amin’ity taona ity, rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao, sy mivavaka momba izany, ary mampihatra ireo fampianarany, dia hanasa ny heriny eo amin’ny fiainanao ianao, ary mety hanam-paniriana ny hiteny, tahaka ny nataon’ireo Vavolombelona Telo tao amin’ny tenivavolombelon[y], hoe “Fahagagana teo imaso[ko] izany.”

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manamafy ny finoako an’i Jesoa Kristy.

Ny Pejin-dohatenin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia manome zavatra betsaka fa tsy hoe lohateny fotsiny. Ankoatra ireo zavatra hafa, izy io dia mitanisa tanjona maro ananan’io rakitsoratra masina io. Tadiavo ireo tanjona ireo ary avy eo rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao amin’ity taona ity dia raketo ireo andinin-tsoratra masina izay tsapanao fa manatanteraka ireo tanjona ireo. Ohatra, inona ireo andinin-tsoratra masina izay mandresy lahatra anao “fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay”?

Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia “mamintina ny drafitry ny famonjena.”

Ny drafitry ny famonjena dia drafitry ny Ray any An-danitra mba hanampiana ireo zanany ho tonga olona nasandratra tahaka Azy, ka hahatsapa ny fifaliana tsapany (jereo ny 2 Nefia 2:25–26). Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no mahatonga io drafitra io ho azo tanterahina, ary ny fotopampianarana tsirairay, ny ôrdônansy, ny fanekempihavanana, ary ny didy izay nomen’ Andriamanitra dia natao hanampy amin’ny fanatontosana ilay drafitra.

Raha tianao ny hahatakatra ny drafitry ny famonjena dia tsy misy boky tsaratsara kokoa azo vakina mihoatra ny Bokin’i Môrmôna. Miresaka ny drafitr’ Andriamanitra izany, amin’ny alalan’ny fampiasana karazana anarana, mihoatra ny in- 20. Mandritra ny fandalinanao amin’ity taona ity dia mariho rehefa voatonona na resahina ny drafitr’ Andriamanitra sy ny zavatra lazain’ny Bokin’i Môrmôna momba izany.

Indro misy asa atao hanampiana anao hanomboka izany. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary ataovy lisitra ireo anarana samihafa nomena ny drafitr’ Andriamanitra: 2 Nefia 9:13; 11:5; sy ny Almà 12:32–34; 24:14; 41:2; 42:15–16. Inona no lazain’ireo anarana ireo aminao momba ny drafitry ny Ray?

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo”; “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo

Afaka ny ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna aho.

Afaka mijoro ho vavolombelona aminao ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna, na dia tsy nahita ireo takela-bolamena tahaka ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo aza ianao. Manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo? Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao “[manome an’] izao tontolo izao ny [anaranao] ho vavolombelona amin’ izao tontolo izao” ny amin’ny zavatra fantatrao momba ny Bokin’i Môrmôna? (“Ny Tenivavolombelon’ ireo Vavolombelona Valo”).

Ny Fanambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith

Fahagagana ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.

Raha misy olona manontany anao hoe avy aiza no niavian’ny Bokin’i Môrmôna dia inona no holazainao? Ahoana no hamariparitanao ny herin’ny Tompo tamin’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna? Ahoana no namariparitan’i Joseph Smith ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Fanambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith

Ahoana no nandikana ny Bokin’i Môrmôna?

“Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” no nandikana ny Bokin’i Môrmôna. Tsy mahafantatra antsipirian-javatra maro momba ny dingana mahagagan’ny fandikan-teny isika kanefa fantatsika fa i Joseph Smith dia mpahita iray izay nampian’ny fitaovana roa nomanin’ Andriamanitra, dia ny vato roa mangarahara antsoina hoe Orima sy Tomima niampy vato iray hafa antsoina hoe vaton’ny mpahita. Hitan’i Joseph teo amin’ireo vato ireo ny dikanteny tamin’ny teny anglisin’ireo tarehin-tsoratra teo amin’ireo rakitsoratra, dia novakiny tamin’ny feo mafy ny dikanteny raha toa kosa ka nirakitra an-tsoratra izany ny mpitantsoratra iray. Ny tsirairay avy tamin’ireo mpitantsoratr’i Joseph dia nijoro ho vavolombelona fa tsapa tamin’ny fandikana io asa masina io ny herin’ Andriamanitra.

Jereo ny “Traduction du Livre de Mormon” (Sujets de l’Évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Azon’ny ny fianakavianao atao ny manomboka manao lisitra ireo andininy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanamafy orina ny finoanareo “fa i Jesoa no Kristy” ary hanampy ny ao amin’io lisitra io mandritra ny taona. Izany ihany koa dia mety ho fotoana tsara hanaovana drafitra ho an’ny fianakaviana amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna ny amin’ny hoe: Rahoviana sy aiza no hivorianareo mba hamakiana? Ahoana no fomba handraisan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana anjara? Raha mila fanampiana fanampiny dia jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina” izay any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna

Ny hoe vato ifaharana dia vato marirana iray eo an-tampon’ny andohalambo izay mihazona ny vato hafa rehetra. Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny maha- “vato ifaharan’ny fivavahantsika” ny Bokin’i Môrmôna dia azonao atao ny manamboatra na manao sarina andohalambo iray misy vato ifaharana iray eo an-tampony. Inona no mitranga raha esorina ilay vato ifaharana? Inona no mety hitranga raha toa ka tsy nanana ny Bokin’i Môrmôna isika? Ahoana no hahafahantsika manao ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Sary
andohalambo iray vita amin’ny vato ahitana vato ifaharana iray mihazona izany tsy hirodana

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo”; “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo

Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao ny manoratra ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny amin’ny Bokin’i Môrmôna, sy manisy ny anarany eo amin’izany, ary mieritreritra fomba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny hafa.

Ny Fanambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith

Inona ao amin’ny zavatra notantaran’i Joseph Smith no porofo hitantsika fa nandray anjara tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna Andriamanitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Fampanantenana avy amin’ny mpaminany. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo [ao amin’ny Bokin’i Môrmôna] ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo” “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62–63).

Sary
I Joseph nandray ireo takela-bolamena avy tamin’i Môrônia

I Môrônia nanolotra ireo takela-bolamena, nataon’i Gary L. Kapp