Avia, hanaraka Ahy
6–12 janoary. 1 Nefia 1–7: “Handeha aho ary hanao”


“6–12 janoary. 1 Nefia 1–7: -Handeha aho ary hanao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“6–12 janoary. 1 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
ny fianakavian’i Lehia mandeha any an-tany foana

I Lehia mandeha eny akaikin’ny Ranomasina Mena, nataon’i Gary Smith

6–12 janoary

1 Nefia 1–7

“Handeha aho ary hanao”

Nirakitra “ny zavatr’ Andriamanitra” (1 Nefia 6:3) i Nefia. Eo am-pandalinanao ny rakitsoratr’i Nefia dia mifantoha amin’ny zavatr’ Andriamanitra izay hitanao, indrindra fa ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Bokin’i Môrmôna dia manomboka amin’ny tantara iray momba ny fianakaviana iray tena nisy izay niaina fahasahiranana tena nisy. Tamin’ny 600 talohan’i J.K. no nitrangan’izany, kanefa misy zavatra momba izany tantara izany izay mety ho toy ny efa mahazatra ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Io fianakaviana io dia niaina tao anatin’ny tontolo iray nisian’ny faharatsiana lehibe, fa ny Tompo anefa dia nampanantena azy ireo fa raha hanaraka Azy izy ireo, dia hitarika azy ireo ho any amin’ny toerana azo antoka Izy. Teny an-dalana teny izy ireo dia niaina fotoana mamy sy fotoan-tsarotra. Nahazo fitahiana sy niaina fahagaga lehibe izy ireo, kanefa tsy latsak’izany ihany koa ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifandirana teo amin’izy ireo. Tsy dia fahita firy ao amin’ny soratra masina ny tantara lava toy izany momba ny fianakaviana iray izay miezaka ny miaina ny filazantsara: raim-pianakaviana iray miady mafy mba hanao izay hananan’ny fianakaviany finoana, zanakalahy izay manapa-kevitra raha toa izy ireo ka hino izay lazainy na tsia, renim-pianakaviana iray matahotra sao azon-doza ireo zanany, ary mpirahalahy miatrika fialonana sy fifandirana, ary indraindray dia mifamela heloka. Amin’ny ankapobeny dia azo tsapain-tanana ny hery azo avy amin’ny fanarahana ny ohatry ny finoana izay nasehon’ity fianakaviana ity, na dia teo aza ny tsy fahatanterahan’izy ireo.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Nefia 1–6

Sarobidy ny soratra masina.

Ireo toko enina voalohany ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna dia ahitana firesahana maro momba ireo boky masina, rakitsoratra masina, ary ny tenin’ny Tompo. Rehefa mamaky ny 1 Nefia 1–6 ianao dia inona no ianaranao momba ny antony maha-”sarobidy” ny tenin’ Andriamanitra? (1 Nefia 5:21). Inona no ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo momba ny soratra masina? Inona no hitanao ka mitaona anao hamakafaka ny soratra masina amin’ny fanolorantena bebe kokoa?

1 Nefia 1:7–15

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Noho ny fiorenan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ilay tanjona voalaza ao amin’ny pejin-dohateniny, izay ny handresy lahatra ny rehetra fa i Jesoa no Kristy izany, dia miantomboka amin’ny fahitan’i Lehia ny Mpamonjy izay miavaka tokoa ny Bokin’i Môrmôna. Inona no zavatra ianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra hitan’i Lehia? Inona avy ireo asa “lehibe sy mahatalanjon”’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao? (1 Nefia 1:14).

1 Nefia 2

Rehefa mitady sy matoky ny Tompo aho dia afaka manalefaka ny foko Izy.

Na dia niara-lehibe tao amin’ny fianakaviana iray ihany aza i Lamàna sy Lemoela ary i Nefia ary niaina zavatra nitovy, dia nisy fahasamihafana lehibe teo amin’ny fihetsika nasetrin’izy ireo ny didy avy amin’ Andriamanitra izay voarain’ny rain’izy ireo ao amin’io toko io. Rehefa mamaky ny 1 Nefia 2 ianao dia jereo raha toa ka afaka mahita ny antony nampalefaka ny fon’i Nefia ianao raha toa kosa ka tsy toy izany ny fon’ireo rahalahiny. Azonao atao koa ny mieritreritra ireo fihetsika hasetrinao ny torolalana avy amin’ny Tompo, na izany avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina na amin’ny alalan’ny mpaminaniny. Oviana ianao no nahatsapa fa nanalefaka ny fonao ny Tompo ka nahafahanao nanaiky an-tsitrapo ny torolalana sy ny toroheviny?

1 Nefia 3–4

Hanomana lalana ho ahy Andriamanitra mba hanaovako ny sitrapony

Rehefa nandidy an’i Lehia sy ny fianakaviany ny Tompo mba haka ireo takela-barahina tany amin’i Labana dia tsy nanome torolalana voafaritra mazava tsara Izy ny amin’ny fomba hanatanterahana io didy io. Mitombina ihany koa izany amin’ireo didy hafa na ireo fanambarana ho an’ny tena manokana izay raisintsika avy amin’ Andriamanitra, ary izany dia mety hitarika antsika hahatsapa toy ny hoe mitaky “zavatra [sarotra]” (1 Nefia 3:5) Izy. Inona no zavatra mahaliana anao mikasika ny valinteny nasetrin’i Nefia ny didin’ny Tompo izay hita ao amin’ny 1 Nefia 3:7, 15–16? Misy zavatra hanosehan’ny Fanahy anao ve fa tokony “handeha … ary hanao” izany ianao?

Eo am-pandalinanao ny 1 Nefia 1–7, dia mitadiava fomba nanomanan’ Andriamanitra ny lalana ho an’i Lehia sy ny fianakaviany. Ahoana no nanaovany izany ho anao?

Jereo koa ny Ohabolana 3:5–6; 1 Nefia 17:3; “Obéissance,” Sujets de l’évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org; Book of Mormon Videos collection ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Évangile.

1 Nefia 4:1–3; 5:1–8; 7:6–21

Ny fahatsiarovana ireo asan’ Andriamanitra dia afaka manome ahy finoana mba hankatò ny didiny.

Rehefa te himonomonona i Lamàna sy i Lemoela dia mazàna i Nefia sy i Lehia no teo akaikin’izy ireo mba hankahery sy hananatra azy ireo. Rehefa te himonomonona ianao dia afaka manome torohevitra sy fomba fijery manan-danja ny famakiana ny tenin’i Nefia sy i Lehia. Inona no ezaka nataon’i Nefia sy i Lehia hanampiana ireo olona tao amin’ny fianakaviany mba hampiorina finoana an’ Andriamanitra? (jereo ny 1 Nefia 4:1–3; 5:1–8; 7:6–21). Inona ny zavatra ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo ka afaka manampy anao amin’ny manaraka rehefa alaim-panahy himonomonona na hikomy ianao?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

1 Nefia 1–7

Ao anatin’ny 1 Nefia 1–7, dia azonao atao ny mamporisika ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hjery ireo fifaneraserana eo amin’ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo fifandraisana ireo ka afaka manampy ny fianakaviantsika?

Sary
I Nefia sy ny fianakaviany mandalina ireo takelaka

Nanome lanja lehibe ny tenin’ireo mpaminany i Nefia sy ny fianakaviany.

1 Nefia 2:20

Ilay fitsipika ao amin’ny 1 Nefia 2:20 dia miverimberina matetika manerana ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no hahafahan’ny olona ao amin’ny fianakavianao mampihatra izany eo amin’ny fiainany mandritra ny fiarahanareo mandalina ny Bokin’ i Môrmôna amin’ity taona ity? Azonareo atao ny miara-manamboatra peta-drindrina maneho ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’io andininy io sy mametaka izany ao an-tokantranonareo. Azo atao fampahatsiahivana izany mba hiresadresahana tsindraindray ny fomba nahitanareo ny nampiroboroboan’ny Tompo ny fianakavianareo rehefa nitandrina ny didiny ianareo. Azonareo atao ny manoratra ireo zavatra niainana ireo eo amin’ilay peta-drindrina.

1 Nefia 2:11–13; 3:5–7

Mety hahita tombotsoa amin’ny fanoratana ny fahasamihafana teo amin’ny valinteny nasetrin’i Lamàna sy i Lemoela an’ilay didin’ Andriamanitra sy ny valintenin’i Nefia ny fianakavianao. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny 1 Nefia 2:11–13; 3:5–7 mikasika ny fimonomononana? Inona no fitahiana azo rehefa mampihatra finoana isika?

1 Nefia 3:19–20; 5:10–226

Afaka mitaona ny fianakavianao ireo andininy ireo mba hitana rakitsoratra momba ireo zava-nitranga manan-danja sy ireo traikefa avy amin’ny fiainanareo. Azonao atao ny manomboka manao diarin’ny mpianakavy, izay mitovy amin’ireo rakitsoratra notanan’i Nefia sy i Lehia momba ny zavatra niainan’ny fianakaviany. Inona no mety hampidirinao ao amin’ny rakitsoratry ny fianakavianao?

1 Nefia 7:19–21

Inona no nanaitra antsika momba ny ohatra nasehon’i Nefia ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no hitahiana ny fianakaviantsika rehefa “[mifamela …] tsy an-kifonofono” isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Halalino tsy tapaka ny soratra masina. Fomba tsara iray hanaovana fampianarana manan-danja ao an-tokantrano ny famoronana fahafahana tsy tapaka hianarana ho an’ny fianakavianao. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny fandalinana maimaika sy henjikenjehana dia tsy hahitam-pahombiazana mihoatra ny famakiana isan’andro isan’andro ary ny fampiharana ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika” (“Aoka ianao hanao izay tsara indrindra vitanao,” Liahona, mey 2009, 68).

Sary
i Nefia mijoro eo akaikin’i Labana izay mamo

Nankatò ny feon’ny Fanahy aho, nataon’i Walter Rane