Avia, hanaraka Ahy
13–19 janoary. 1 Nefia 8–10: “Hanatona … ka hihinana amin’ny voankazo”


“13–19 janoary. 1 Nefia 8–10: ‘Hanatona … ka hihinana amin’ny voankazo,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“13–19 janoary. 1 Nefia 8–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina

Ny nofin’i Lehia, nataon’i Steven Lloyd Neal

13–19 janoary

1 Nefia 8–10

“Hanatona … ka hihinana amin’ny voankazo”

Eo am-pamakianao ny 1 Nefia 8–10, dia eritrereto hoe hafatra inona avy amin’ny fahitan’i Lehia no azo ampiharina aminao. Raketo an-tsoratra ao amin’ny soratra masinao, na amin’ny kahie, na ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ireo fahatsapana ara-panahy azonao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fahitan’i Lehia izay ahitana ny anja-by, ny zavon’ny haizina, sy ny trano iray mijoalajoala, ary ny hazo misy voany “tena mamy” dia fanasana iray manentana ny fanahy mba handray ireo fitahiana avy amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny sorona manavotra nataony. Kanefa ho an’i Lehia, io fahitana io dia momba ny fianakaviany ihany koa: “Ary indro noho ny zavatra izay hitako dia misy antony maharavoravo ahy ao amin’ ny Tompo noho ny amin’ i Nefia ary koa ny amin’ i Samy. … Nefa indro, matahotra izaitsizy tokoa aho noho ny aminareo ry Lamàna sy i Lemoela” (1 Nefia 8:3–4). Rehefa namarana ny fitantarany ny fahitany i Lehia dia niangavy an’i Lamàna sy i Lemoela “mba hihainoany ny teniny fandrao mba ho feno famindram-po aminy ihany ny Tompo” (1 Nefia 8:37). Na dia efa nandalina ny fahitan’i Lehia im-betsaka aza ianao, amin’izao dia raiso amin’ny fomba nieritreretan’i Lehia azy izany. Mieritrereta olana iray tianao. Rehefa manao izany ianao dia hanjary hanana heviny vaovao ny fiarovana avy amin’ny anja-by, ireo loza avy amin’ilay trano mijoalajoala, ary ny hamamin’ilay voa. Ary ho lalina kokoa ny fahatakaranao “ny fihetseham-pon’[ilay] ray be fiantrana” izay nandray io fahitana miavaka io.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Nefia 8

Mitarika ahy hankamin’ny Mpamonjy sy manampy ahy hahatsapa ny fitiavany ny tenin’ Andriamanitra.

Ny fahitan’i Lehia dia manome fanasana iray hisaintsainanao ny toerana misy anao amin’izao, ary lalan-kizoranao, eo amin’ny dia ataonao manokana mba hahafantarana ny Mpamonjy sy hahatsapana ny fitiavany. Nampianatra toy izao ny Filoha Boyd K. Packer: “Mety hieritreritra ianao hoe tsy tena misy dikany manokana aminao ny nofy na ny fahitan’i Lehia, kanefa tena misy dikany izany. Tena ao anatin’izany ianao; ao anatin’izany isika rehetra (jereo ny 1 Nefia 19:23). “Ny nofy na fahitan’i Lehia mikasika ilay anja-by dia ahitana ny zavatra rehetra … ilain’ny Olomasin’ny Andro Farany iray mba hahatakarana ny sedran’ny fiainana” (“Lehi’s Dream and You,” New Era, jan. 2015, 2).

Fomba iray azo handalinana ny 1 Nefia 8 ny mameno tabilao iray tahaka ilay aseho etoana. Mba hahatakarana ny dikan’ireo tandindona dia manampy tokoa ny mijery ny fahitan’i Nefia tamin’ny fotoana nivavahany mba hahatakatra ny fahitan-drainy—jereo indrindra indrindra ny 1 Nefia 11:4–25, 32–36; 12:16–18; sy ny 15:21–33, 36. Mandritra ny fandalinanao ny fahitan’i Lehia dia eritrereto ny zavatra tian’ny Tompo hianaranao.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Hazo sy ny voany (1 Nefia 8:10–12)

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Inona no zavatra ataoko amin’izao izay manasa ny hafa handray amin’ny fitiavan’ Andriamanitra?

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Renirano (1 Nefia 8:13)

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Anja-by (1 Nefia 8:19–20, 30)

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Zavon’ny haizina (1 Nefia 8:23)

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Trano mijoalajoala sy malalaka (1 Nefia 8:26–27, 33)

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitan’i Lehia

Ny heviny

Fanontaniana tsara saintsainina.

Jereo ihany koa ny David A. Bednar, “Nofin’i Lehia: Mihazona mafy ny anja-by,” Liahona, ôkt. 2011, 33–37.

Sary
I Lehia mihinana ny voan’ny hazon’aina

I Lehia mihinana ny voan’ny hazon’aina Hazon’aina, nataon’i Marcus Alan Vincent

1 Nefia 9

Nahoana i Nefia no nanao rakitsoratra roa karazana?

Ny “fikasana hendry” tao amin’ny Tompo tamin’ny nampanamboarana an’i Nefia rakitsoratra roa karazana dia lasa nazava taonjan-jato maro taty aoriana. Taorian’ny nandikan’i Joseph Smith ireo sora-tanana 116 takila tamin’ny Bokin’i Môrmôna dia nomeny an’i Martin Harris ireo takila ka dia very tany aminy izany (jereo ny FF 10:1–23). Kanefa ny rakitsoratra karazany faharoa nataon’i Nefia dia mirakitra zavatra momba ny vanim-potoana tao anatin’izany ihany, ary ny Tompo dia nandidy an’i Joseph Smith mba handika ireo takelaka ireo toy izay hamerina handika ireo izay very (Jereo ny FF 10:38–45).

Ho fampahalalana misimisy kokoa ny amin’ireo takelaka izay voalaza ao amin’ny 1 Nefia 9, dia jereo ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna”; 1 Nefia 19:1–5; 2 Nefia 5:29–32; sy ny Ny tenin’i Môrmôna 1:3–9.

1 Nefia 10:2–16

Nahafantatra momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy nijoro ho vavolombelona momba Azy ireo mpaminany fahiny.

Tsy isalalana fa nisy fiantraikany teo amin’ny fianakaviany ny tantaran’ny fahitan’i Lehia saingy mbola nanana fahamarinana mandrakizay hafa izy mba hampianarana azy ireo momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy. Eo am-pamakianao ny 1 Nefia 10:2–16, dia eritrereto ny amin’ny antony nanirian’ny Tompo an’i Lehia sy fianakaviany, ary isika rehetra, hahafantatra ireny fahamarinana ireny. Eritrereto ny zavatra azonao lazaina an’ireo olon-tianao mba hanasana azy ireo hitodika any amin’ny Mpamonjy. Rehefa avy nandalina ny fahitan’i Lehia sy ny fampianarany ianao dia inona no fitaomana azonao, tahaka ny an’i Nefia, mba hianarana “tamin’ny herin’ny Fanahy Masina”? (1 Nefia 10:17).

1 Nefia 10:17–19

Hanambara ny fahamarinana amiko Andriamanitra raha toa aho ka mikatsaka izany amim-pahazotoana.

Inona no ataonao rehefa sendra fitsipiky ny filazantsara iray izay tsy takatrao ianao? Jereo ny fahasamihafana misy eo amin’ny fihetsika nasetrin’i Nefia ny fahitan’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 10:17–19; 11:1) sy ny fomba nandraisan’i Lamàna sy i Lemoela izany (jereo ny 1 Nefia 15:1–10). Nahoana izy ireo no nandray izany tamin’ireo fomba ireo, ary inona no vokatry ny fomba nandraisain’izy ireo izany?

Hevero ny hanoratra momba ny fotoana iray izay nanirianao hahafantatra raha toa ka marina ny fampianaran’ny filazantsara iray. Nanao ahoana ny dingana narahinao raha oharina amin’ny nataon’i Nefia?

Jereo koa ny 1 Nefia 2:11–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1–3.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

1 Nefia 8

Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakavianao ny hilalao an-tsehatra na hanao sary ny fahitan’i Lehia sy hampiasa ireo sary mba hitantarana izany. Na azonao atao ny mampiseho ny sary natao-na mpanao hosodoko momba ny fahitan’i Lehia izay miaraka amin’ity lesona ity ary manasa ny olona ao amin’ny fianakaviana hanondro ireo antsipiriany ka hikaroka ireo soratra masina izay mamariparitra ny zavatra asehon’ireny zavatra ireny. Miaraka tsara amin’ity toko ity ny fihirana ny “The Iron Rod” (Hymns, no. 274). Azonao hatao ihany koa ny mijery horon-tsary iray izay maneho ny fahitan’i Lehia (jereo ny Book of Mormon Videos collection ) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application an’ny Bibliothèque de l’Évangile).

1 Nefia 8:10–16

Iza no azontsika asaina mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy hahatsapa ny hamamin’ny fitiavany? Inona no azontsika atao “[hanofahofana] tanana azy] ireo”?

1 Nefia 9:5–6

Oviana ianao no nanaraka ny didin’ Andriamanitra kanefa tsy nahatakatra tanteraka ny anton’izany? Ahoana no nitahiana anao?

1 Nefia 10:20–22

Inona no mampitovy ny tsy fahadiovana ara-batana amin’ny tsy fahadiovana ara-panahy? Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa mitoetra ho madio ara-panahy isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Ahoana no ifandraisan’io soratra masina io amin’ny fiainantsika? Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina iray dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny fiantefan’ilay andinin-tsoratra masina amin’izy ireo. Ohatra, rehefa mamaky ny 1 Nefia 8:33 ny olona ao amin’ny fianakavianao dia mety horesahan’izy ireo ny fomba tsy hihainoana ny tenin’ireo izay “nanondro [ … ] tamin’ny rantsan-tanana mamingavinga.”

Sary
Ny fahitan’i Lehia

Ny hazon’aina, nataon’i Avon Oakeson