Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Finoana, fanantenana ary fiantrana


“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Finoana, fanantenana, ary fiantrana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 27, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Finoana, fanantenana ary fiantrana

Sary
Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka, nataon’i Mary R. Sauer

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe: “Ny finoana sy fanantenana ary fiantrana dia mifameno, ary rehefa mitombo ny anankiray dia mitombo ihany koa ireo roa hafa. … Ireo toetra telo ireo, finoana sy fanantenana ary fiantrana, izay miara-miasa, mifototra amin’ny fahamarinana sy fahazavan’ny filazantsran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, dia mitarika antsika amin’ny asa tsara [jereo ny Almà 7:24]” (“Ny hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” Liahona, nôv. 2008, 23, 24; jereo ny Môrônia 10:20). Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hampidirana tanteraka ireo toetra araka an’ Andriamanitra ireo eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Inona no fiantraikan’ny finoako an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanantenako?

Taorian’ny faharavan’ny sivilizasiôna Nefita dia tavela irery i Môrônia tamin’ny famitana ny Bokin’i Môrmôna. Nanampy fampianarana vitsivitsy avy amin’i Môrmôna rainy koa izy, izay nahitana toriteny niresaka mikasika ny finoana, ny fanantenana ary ny fiantrana (jereo ny Môrônia 7:1).

Sary
i Môrônia manoratra eo amorom-patana
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrônia 7:33, 38, 40–43, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Môrmôna momba ny zavatra mampifandray ny finoana sy ny fanantenana.

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo dia nampianatra momba ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fanantenana:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ny tena finoana, avy amin’ny fanoloran-tena tanteraka sy tsy voahozongozona, dia hery tena mahery vaika eto amin’izao zavatra rehetra ary izao. Afaka ny ho hery mahatantera-javatra izany izay hahatanterahan’ireo fahagagana. Na afaka ny ho loharanon-kery avy ao anaty izany, izay ahazoantsika fiadanana, fiononana, ary herim-po hiatrehan-javatra.

Rehefa mampiasa ny finoana sy ny fitokisantsika isika dia teraka avy amin’izany ny fanantenana. Vokatry ny finoana ny fanantenana ary mampisy lanjany sy tanjona ny zavatra rehetra ataontsika izany. Afaka manome antsika ilay toky feno fiadanam-po ilaintsika koa aza izany mba hiainana ao anatina tontolo masaka ao anatin’ny heloka, ny loza, ary ny tsy rariny. (“The Joy of Hope Fulfilled,” Ensign, Nov. 1992, 32)

Sary
zatovovavy mitsiky
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao na mety ho tonga rehefa nampifantoka ny finoanao sy ny fanantenanao tamin’i Jesoa Kristy ianao?

Fizarana 2

Ahoana no afahafahako mampitombo ny fahafahako manana fanantenana?

Rehefa namintina ny rakitsoratry ny Jaredita i Môrônia dia nampidiriny tao ny fampianaran’ny mpaminany Etera momba ny finoana. Avy eo izy dia nitantara fahagagana maro izay nitranga tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. (Jereo ny Etera 12:3–22.) Nanazava i Môrônia fa “ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita” (andininy 6).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Etera 12:4, 32, dia eritrereto ny zavatra azonao andrandraina rehefa mampihatra finoana an’ Andriamanitra ianao.

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Uchtdorf momba ny hery tsy misy fetran’ny fanantenana:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ny fanantenana dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy [jereo ny Môrônia 8:26]. Fanantenana ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay isika ary izany dia noho ny finoantsika an’ilay Mpamonjy [jereo ny Môrônia 7:41]. Izany karazam-panantenana izany dia sady fitsipiky ny fampanantenana no didy [jereo ny Kolosiana 1:21–23 ary, toy ny amin’ny didy rehetra dia manana andraikitra isika mba hanao izany ho ampahan-javatra tena miasa eo amin’ny fiainantsika sy handresy ilay fakam-panahy hoe mitady ho very fanantenana. Ny fanantenana an’ilay drafitry ny fahasambarana izay feno famindram-po an’ny Raintsika any An-danitra dia mitondra fiadanana [jereo ny Romana 15:13], famindram-po [jereo ny Salamo 33:22], fiderana [jereo ny Romana 12:12], ary fifaliana [jereo ny Ohabolana 10:28]. Toy ny fiarovan-doha ny fanantenana ny famonjena [jereo ny 1 Tesaloniana 5:8]. Fototry ny finoantsika [jereo ny Hebreo 11:1, Môrônia 7:40] ary vatofantsiky ny fanahintsika [jereo ny Hebreo 6:19; Etera 12:4]. (“Ny hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” 21–22)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao atao mba hahatonga ny fanantenana ho ampahan-javatra miasa kokoa eo amin’ny fiainanao isan’andro?

Fizarana 3

Inona no mety ho fiantraikan’ny fiantrana eo amin’ny fifandraisako amin’ny hafa sy amin’i Jesoa Kristy?

Rehefa avy niresaka momba ny finoana sy ny fanantenana i Môrmôna dia namarana ny toriteniny tamin’ny fifantohana tamin’ny fiantrana, na “ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrônia 7:43–48, dia asio marika ireo teny na andian-teny mamaritra sy manoritra ny fiantrana.

Hoy ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Filoha Jean B. Bingham

I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra eo amin’ny fiantrana. Fanehoana faratampony ny fiantrana ny fanolorany ny tenany tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahany mba ho Mpamonjy, ireo fifandraisana narahan’asa nandritra ny fiainany teto an-tany, sy ilay fanomezana faratampony natolony dia ny Sorompanavotana ary ny ezaka tsy tapaka ataony mba hamerenana antsika any amin’ny Raintsika any An-danitra. Zavatra iray ihany no ifantohan’ny sainy rehefa miasa Izy: fitiavana ny Rainy izay aseho amin’ny alalan’ny fitiavany antsika tsirairay. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony isika dia afaka mahazo ilay fananana fiantrana izay hitondra fifaliana lehibe ho antsika eto amin’ity fiainana ity ary ilay fitahiana nampanantenaina dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra. (“Hoentiko ao an-tokantranoko ny fahazavan’ny filazantsara,” Liahona, nôv. 2016, 6, 9)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta ohatra vitsivitsy maneho ny maha- “ohatra tsara indrindra eo amin’ny fiantrana” an’i Jesoa Kristy. Tadiavo ao amin’ny soratra masina ny fitantarana ireo ohatra, dia mivonòna hizara farafahakeliny ny iray amin’ireo ohatra amin’ny kilasinao.

Sary
I Kristy sy ireo ankizy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, nataon’i Del Parson

Rehefa mieritreritra ny ohatry ny Mpamonjy ianao dia eritrereto hoe afaka ny ho toy ny ahoana ny fiantrana eo amin’ny fiainanao andavanandro. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ny fiantrana izay ato an-tsaiko dia ilay fiantrana izay mamporisika ho tia, sy hamindra fo ary hangoraka, tsy amin’ny fotoan’ny aretina sy fahoriana fotsiny fa amin’ny fotoan’ny fahalemena sy fahadisoana ataon’ny hafa ihany koa.

Tena ilaina ny fananana fiantrana izay manome fitiavana hiahy ireo hafa izay tsy misy mpiraharaha, sy fanantenana ho an’ireo izay kivy, ary fanampiana ho an’ireo izay ory. Ny fiantrana marina dia fanehoam-pitiavana amin’ny alalan’ny asa. Hita taratra na aiza na aiza ny ilana izany fiantrana izany.

Ilaina ny fananana ilay fiantrana izay mandà ny hahita fahafaham-po amin’ny fihainoana na famerenana ny zava-manjo izay nitranga tamin’ny hafa, raha tsy hoe angaha ny fanaovana izany dia ahitana vahaolana ho an’izay nitrangany. Ilay mpampianatra sy mpanao pôlitika Amerikana Horace Mann dia niteny indray mandeha hoe: “Ny hoe onena amin’ny fahoriana dia toetran’olombelona ihany fa ny fanamaivanana ny fahorian’ny hafa dia toetran’Andriamanitra” [Horace Mann, Lectures on Education (1845), 297].

Ny fiantrana dia fananana faharetana amin’ireo olona izay nandiso fanantenana antsika. Mahatohitra ny toetra mora tafintohina. Manaiky ireo fahalemena sy ny tsy fahatanterahana. Mandray ny olona amin’ilay tena toetrany. Mijery mihoatra ny endrika ivelany ary mahita ireo toetra tsara izay tsy ho lefin’ny fotoana. Mahatohitra ny fironana hanavakavaka ny hafa. (“Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay,” Liahona, nôv. 2010, 124)

Sary
vehivavy anankitelo miresaka
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Inona no azonao atao mba hikatsahana fatratra ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana sy hananana fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho an’ny hafa? Iza no mila mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalanao? Inona no azonao atao mba hanampiana io olona io hahatsapa ny fitiavany?