Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Nanompo ny tsirairay i Jesoa Kristy


“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Nanompo ny tsirairay i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Nanompo ny tsirairay i Jesoa Kristy

Sary
Tsirairay, nataon’i Walter Rane

Ny asa fanompoan’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty teo anivon’ireo olona tany amin’ny tanin’i Soafeno dia manome antsika vavolombelona mahery vaika momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ohatra lalina iray amin’ny fomba fanompoana ny hafa. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao dia saintsaino izay azonao atao hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy anao. Rehefa mandinika ny fomba nanompoany ianao dia hevero ombam-bavaka hoe iza no mety mila mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalanao.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy?

Taorian’ny fandringanana lehibe sy haizina nandritra ny telo andro izay nanambara tamin’ny vahoaka fa maty ny Mpamonjy dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy manodidina ny 2500 no nivory nanodidina ny tempoly tao amin’ny tanin’i Soafeno. Nahare feo izay tsy azony tamin’ny voalohany izy ireo. Rehefa nitohy nihaino izy ireo dia nahatakatra fa feon’ny Ray any An-danitra izay nampahafantatra an’i Jesoa Kristy Zanakalahiny ilay izy. (Jereo ny 3 Nefia 11:1–10.) Avy eo dia nidina avy tany an-danitra ny Mpamonjy ary nanambara hoe: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:10).

Sary
Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy, nataon’i Arnold Friberg

Momba io fotoana io, ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Io fisehoana io sy io fanambarana io no ivo sy fotoana faratampony ao amin’ny tantara manontolo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io no fanehoana sy didy izay nampahalala sy nanainga ny mpaminany Nefita rehetra nandritra ny eninjato taona teo aloha. …

Niresaka momba Azy avokoa ny rehetra, nihira momba Azy, nanonofy Azy, ary nivavaka mba hisehoany—fa teto dia tena nisy tokoa Izy. Ilay andro lehibe indrindra! Tonga ilay Andriamanitra izay mamadika ny alina maizina rehetra ho hazavan’ny maraina. (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormona [1997], 250–51)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 11:13–17, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny olona mba hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa i Jesoa no ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty.

Sary
I Kristy tany amin’ny tanin’i Soafeno, nataon’i Simon Dewey
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao ianarana momba ny toetran’i Jesoa Kristy tamin’ny fifaneraserany tamin’ny Nefita sy ny Lamanita?

Ny Loholona Walter F. González ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao momba ny zavatra niainan’ilay vahoaka tamin’ny naha-vavolombelona nanatri-maso azy ireo an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty:

Sary
Ny Loholona Walter F. González

“[Mankanesa] aty Amiko [mba] hahazoanareo mitsapa sy mahita” [3 Nefia 18:25]. Didy nomen’ny Mpamonjy ireo mponina tao Amerika fahiny izany. Nahatsapa tamin’ny tanany sy nahita tamin’ny masony izy ireo fa i Jesoa no Kristy. Manan-danja amintsika amin’izao androntsika izao tahaka ny naha-nanan-danja izany tamin’izy ireo tamin’ny androny ity didy ity. Rehefa manatona an’i Kristy isika, dia afaka mahatsapa sy “mahafantatra marina tokoa” [3 Nefia 11:15]—tsy amin’ny tanantsika sy ny masontsika fa amin’ny fontsika sy ny saintsika manontolo kosa—fa i Jesoa no Kristy.

Fomba iray hanatonana an’i Kristy ny fikatsahana ny hianatra ireo fahamarinana tena manan-danja amin’ny fontsika. Raha manao izany isika, dia hanome antsika fahalalana izay tsy ho azontsika amin’ny fomba hafa ireo fahatsapana izay avy amin’ Andriamanitra ireo.. (“Mianatra amin’ny fontsika,” Liahona, nôv. 2012, 81)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Rehefa misaintsaina momba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy ianao dia raketo ao amin’ny diarinao manokana ny zavatra niainana iray izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy. Na, ho solon’izay, dia afaka mitady hira fihirana iray izay ahitana taratra ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy ianao ary mirakitra ireo fahatsapana anananao rehefa maheno na mihira an’io hira io.

Fizarana 2

Inona no azoko ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fanaovana asa fanompoana?

Rehefa avy nanome fotoana ny tsirairay hanana fahafahana hitsapa ny ratra amin’ny tanany sy ny tongony ny Mpamonjy dia niantso mpianatra roa ambin’ny folo izy ary nampianatra ny vahoaka fahamarinana manan-danja maro (jereo ny 3 Nefia 11–16). Rehefa niomana ny handao i Jesoa dia hoy Izy: “Takatro fa … tsy afaka ny hahatakatra ny teniko rehetra [ianareo],” ary nasainy nody tany an-tranony ny olona, nisaintsaina izay nampianariny azy ireo, ary niomana ho amin’ny fiverenany ny ampitso (3 Nefia 17:1–3).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 17:5–10, ary mitadiava fomba nanomezan’ny Tompo ohatra momba ny hatsaram-panahy sy fangorahana tamin’ny fotoana nanaovany asa fanompoana teo anivon’ny vahoaka.

Rehefa avy nanasitrana ny valalabemandry ny Mpamonjy dia nandidy ny “hitondrana ny ankizy madininy” ho eo Aminy Izy (3 Nefia 17:11) ary tokony handohalika ny olona hafa rehetra. Avy eo dia nanao vavaka ho azy ireo izay “lehibe sy mahatalanjona” Izy (andininy 16–17) ka ankon’ny hafaliana ny valalabemandry. (Jereo ny 3 Nefia 17:10–19.)

Sary
I Kristy sy ireo ankizy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, nataon’i Del Parson
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 17:19–24, dia saintsaino ny antony nahatonga ny fanompoana hitondra fifaliana ho an’ny Mpamonjy.

Ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy rehefa manompo isika:

Sary
Ny Filoha Jean B. Bingham

Amin’ny farany, tontosa tsirairay ny tena fanompoana marina rehefa ny fitiavana no nanosika hanao izany. Ny tombony sy ny voka-tsoa ary ny fahagagana entin’ny fanompoana tena avy amin’ny fo dia ny hoe manova fiainana tokoa izany! Rehefa misokatra ny fontsika ka vonona hitia sy handray ary hamporisika sy hampahery, dia tsy ho hay toherina ny herin’ny fanompoana ataontsika. Rehefa ny fitiavana no antony manosika dia hisy fahagagana hitranga. …

Ny Mpamonjy no ohatra arahintsika amin’ny zavatra rehetra—tsy amin’ny zavatra tokony hataontsika ihany fa amin’ny antony tokony hanaovantsika izany ihany koa [jereo ny Efesiana 5:2]. (“Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 106)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta olona iray mety mila ny fanampianao. Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy hanehoanao hatsaram-panahy sy fangorahana amin’izany olona izany?