Institiota
Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fiainana aorian’ny fahafatesana


“Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fiainana aorian’ny fahafatesana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fiainana aorian’ny fahafatesana

Sary
Ilay tanàna mandrakizay, nataon’i Keith Larson

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy tokony hojerentsika ho toy ny fahavalo ny fahafatesana. Rehefa mahatakatra sy miomana feno dia lasa finoana ny tahotra. Misolo fanantenana ny famoizam-po” (“Doors of Death,” Ensign, May 1992, 74). Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ity ianao dia eritrereto ny zavatra ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fahafatesana sy ny fiainana aorian’ny fahafatesana izay afaka manampy anao hiomana hihaona amin’ Andriamanitra (Almà 12:24).

Fizarana 1

Inona no mitranga aorian’ny fahafatesantsika?

Rehefa nandao ny fanompoany i Kôriantôna, iray amin’ireo zanakalahin’i Almà zanany, ka nanao fahotana ara-nofo, dia niresaka taminy ny rainy momba ny hamafin’ny zavatra nataony. Hitan’i Almà fa niahiahy momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ny sazy miandry ny mpanota i Kôriantôna. Nampianatra an-janany i Almà fa na dia hitsangana amin’ny maty avokoa aza ny olona rehetra dia ny marina ihany no hiaina miaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 40:1, 9–10, 25–26). Nohazavainy ihany koa ny zavatra mitranga amin’ny fanahintsika eo anelanelan’ny fahafatesana sy ny Fitsanganana amin’ny maty.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Rehefa mamaky ny sasany amin’ireo fampianaran’i Almà momba ny tontolon’ny fanahy ao amin’ny Almà 40:11–14 ianao dia ampitahao ny fahasamihafana misy eo amin’ny zavatra iainan’ny olo-marina sy ny zavatra iainan’ny olon-dratsy. (Rehefa nampiasa ny andian-teny hoe “haizina ivelany” i Almà dia niresaka ny toetran’ireo olon-dratsy eo anelanelan’ny fahafatesana sy ny Fitsanganana amin’ny maty izy fa tsy niresaka momba ny toetra farany hananan’i Satana sy ireo mpanara-dia azy. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Helo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Sary
Ireo iraka notendrena, nataon’i Harold I. Hopkinson

Hoy ny nampianarin’ny Filoha Joseph Fielding Smith momba ny andian-teny hoe “entina mody any amin’ilay Andriamanitra izay nanome aina azy”:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

[Io andian-teny io] dia midika fotsiny hoe tapitra ny fisian’izy ireo teto an-tany, ary niverina any amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo, ary any no hanomezana azy ireo toerana mifandray amin’ny asany niaraka tamin’ny marina na ny tsy marina, ary miandry ny fitsanganana amin’ny maty ao. (Joseph Fielding Smith, Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., [1958], 2:85)

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza izao manaraka izao ihany koa momba ny tontolon’ny fanahy:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Fantatsika avy amin’ny soratra masina fa manohy miaina amin’ny maha-fanahy antsika isika any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny hahafatesan’ny vatantsika. Mampianatra koa ny soratra masina fa io tontolon’ny fanahy io dia mizara roa eo amin’ireo izay “marina” nandritra ny fiainana sy ireo izay ratsy fanahy. Ny soratra masina koa dia mitantara ny fomba nampianaran’ireo fanahy mahatoky ny filazantsara tamin’ireo izay ratsy fanahy na mpikomy (jereo ny 1 Petera 3:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19–20, 29, 32, 37). Fa ny manan-danja indrindra, dia manambara ny fanambarana maoderina fa mitohy any amin’ny tontolon’ny fanahy ny asa famonjena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–34, 58), ary na dia entanina aza isika mba tsy hanemotra ny fibebahantsika mandritra ny fiainana an-tany (jereo ny Almà 13:27), dia ampianarina isika fa mbola misy fibebahana azo atao any (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58). (“Fatokiana ny Tompo,” Liahona, nôv. 2019, 26)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Manampy anao hanao safidy tsara amin’ny fomba ahoana ny fananana fahatakarana marina momba ny tontolon’ny fanahy?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny finoana ny Fitsanganana amin’ny maty mitondra fanantenana ho ahy?

Rehefa nampianatra ny vahoakan’i Amôniha i Almà sy i Amioleka dia nisy mpahay lalàna iray nantsoina hoe Zezrôma nanandrana nanolakolaka ny tenin’i Amioleka sy nanambany ny fampianarany momba an’i Jesoa Kristy. Ho valin’izany dia nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana i Amioleka fa ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fanavotana amin’ny fahotana dia tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 11:42–44, dia tadiavo ireo fitahiana ho azontsika amin’ny alalan’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Sary
zatovovavy ambony seza misy kodiarana mamihina olona

Raha nijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty ny Filoha Susan W. Tanner, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Susan W. Tanner

Itony vatana masina itony, izay maha-velom-pankasitrahana antsika tokoa, dia ianjadian’ny famerana voajanahary. Ny olona sasany dia teraka manana fahasembanana, ary ny sasany dia miaritra ny fanaintainan’ny aretina mandritra ny fiainany. Rehefa mitombo taona isika rehetra dia mahatsapa ny vatantsika ho mihareraka tsikelikely hatrany. Rehefa mitranga izany dia miandrandra ilay andro hahasitrana sy hahasalama ny vatantsika isika. Manantena ilay Fitsanganana amin’ny maty izay nataon’i Jesoa Kristy ho azo tanterahina isika. … Fantatro fa amin’ny alalan’i Kristy no ahafahantsika miaina fifaliana feno, izay tsy azo raha tsy rehefa mifamatotra tsy azo sarahina ny fanahy sy ny singa (jereo ny F&F 93:33). (“The Sanctity of the Body,” Liahona, Nov. 2005, 15)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Rehefa manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Fitsanganana amin’ny maty ianao dia ahoana no hanampian’izany anao hiatrika ireo fanambin’ny fiainana ao anatin’ny fanantenana sy herim-po bebe kokoa?

Fizarana 3

Inona no azoko atao mba ho vonona bebe kokoa hihaona amin’ Andriamanitra?

Afaka taona maro taorian’ny nampianarana tao Amôniha dia nanao asa fitoriana iray hafa i Almà sy i Amioleka, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia tany amin’ireo Zôramita nihemotra. Nanomboka nahita fahombiazana teo anivon’ireo tena nanetry tena tamin’ny vahoaka i Almà sy i Amioleka. Rehefa avy nampianatra ny vahoaka mba hijery an’i Jesoa Kristy sy hino ny herin’ny Sorompanavotany i Amioleka dia nanasa azy ireo hiomana hihaona amin’ Andriamanitra.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hiomanana bebe kokoa hihaona amin’ Andriamanitra eo am-pamakianao ny Almà 34:32–34.

Sary
vehivavy misaintsaina

Raha niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fiomanana hihaona amin’ Andriamanitra ankehitriny dia nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Misy loza miafina ao anatin’ny teny hoe indray andro any rehefa hoe -tsy ity androany- no tiana ambara amin’izany. “Hibebaka aho indray andro any.” “Hamela azy aho indray andro any.” …

Hazavain’ny soratra masina tsara ny loza avy amin’ny fanemorana fotoana. … Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ny andro androany. Mety hanafoana ireo fotoana ahafahana manao zavatra sy ireo fitahiana mandrakizay ilay eritreritra hoe “Indray andro any aho dia”. (“This Day,” Liahona, May 2007, 89)

Rehefa nanompo an’ireo vahoaka tao amin’ny tanin’i Zarahemlà i Almà zanany dia nametraka fanontaniana mampiasa saina betsaka izy mba hanampiana azy ireo handinika ny zavatra tokony hataony mba ho vonona ny hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Almà 5).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 5:15–17, 19, 27, 33 dia diniho ny hamalianao ny fanontanian’i Almà.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Rehefa avy nisaintsaina ny fanontanian’i Almà dia diniho ny fomba azonao hamaliana izao fanontaniana avy amin’ny Filoha Oaks manaraka izao: “Raha fanta[trareo] fa hihaona amin’ny Tompo [ianareo] rahampitso, amin’ny alalan’ny fahafatesa[nareo] aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina, dia inona no hatao[nareo] anio? (“Preparation for the Second Coming,” Liahona, May 2004, 9).