Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manatòna an’i Kristy


“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manatòna an’i Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 28,Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manatòna an’i Kristy

Sary
I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena, nataon’i Heinrich Hofmann

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna no tena mitondra valisoa indrindra rehefa mifantoka amin’ny tanjony voalohany, dia ny hijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy, ny olona iray. Raha ampitahaina aminy dia tsy dia misy lanjany ireo zavatra hafa” (“A Testimony of the Book of Mormon,” Ensign, Nov. 1999, 69). Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy? Rehefa mandalina ianao dia manontania tena momba ny fomba izay hahafahanao hanatona Azy bebe kokoa.

Fizarana 1

Inona no hery tokony ho azoko raha toa aho ka manorina ny finoako amin’i Jesoa Kristy?

“Efa lavo tao amin’ny toetry ny tsy finoana sy ny faharatsiana mahatsiravina” ary “masaka ho amin’ny famongorana” ny Nefita tamin’ny faha-30 taona talohan’i J.K. (Helamàna 4:25; 5:2). Rehefa reraka noho ny haratsian-toetran’ny vahoaka i Nefia dia niala tamin’ny toeram-pitsarana ka nanokana ny androny sisa rehetra ho amin’ny fitoriana ny filazantsara miaraka amin’i Lehia rahalahiny (jereo ny Helamàna 5:4). Mialoha ny nandehanan’izy ireo tany amin’ny misiônan’izy ireo dia tsaroan’izy ireo ny torohevitra manan-danja izay noraisin’izy ireo avy tamin’i Helamàna rain’izy ireo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Helamàna 5:9–12, dia tadiavo ny zavatra izay nampianarin’i Helamàna an’ireo zanany lahy momba ny antony ilàn’izy ireo ny manorina ny fiainan’izy ireo eo amin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy.

Sary
rambondanitra
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nofaritan’i Helamàna tamin’ny alalan’ny endrika tafio-drivotra ireo olana eo amin’ny fiainana. Inona avy ireo tafio-drivotra atrehanareo izay mety ilanareo ny fanampian’ny Tompo?

Raha nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ny Rahavavy Sheri L. Dew dia nampianatra momba ny antony maha-hany fototra tokana azontsika antoka an’i Jesoa Kristy.

Sary
Rahavavy Sheri L. Dew

Tavela samirery, ny olona araka ny nofo dia tsy maintsy ho resin’i Satana lahatra (jereo ny Môzià 3:19), Satana ilay mandao ny hazany rehefa nosintoniny hiala ny lalana ety sy tery izy ireo. Ny Mpamonjy anefa dia hitari-dalana an’ireo izay manaraka Azy hatrany amin’ny fonenana any an-danitra. …

Mahafantatra ny lalana ny Tompo satria Izy no lalana ary Izy no hany ahazoantsika fahafahana hahomby amin’ny fiatrehana ny fiainana an-tany. Noho ny Sorompanavotany no ahafahantsika mahazo ny hery sy ny fiadanana sy ny fahazavana ary ny tanjaka rehetra izay ilaintsika mba hiatrehana ireo fanambin’ny fiainana, manomboka amin’ireo fahadisoantsika sy fahotantsika manokana ka hatramin’ireo fisedrana izay tsy voafehintsika saingy mbola tsapantsika ny fanaintainany.

… Nampanantena Izy fa raha toa isika ka manorina ny fiainantsika eo amin’ny vatolampiny, ny devoly dia tsy hanana hery handresena antsika [jereo ny Helamàna 5:12]. Ary efa nianiana Izy fa Izy dia tsy hanadino na hahafoy antsika na oviana na oviana [jereo ny Hebreo 13:5]. Tsoriko fa tsy misy olona mitovy Aminy eto an-tany. Tsy misy raha ny resaka fanoloran-tena, hery, na fitiavana. Izy no hany ahafahantsika mahomby. (“Our Only Chance,” Ensign, Mey 1999, 66–67)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanorenanao amin’i Jesoa Kristy ny fototra ijoroanao anao handresy ireo tafiotra izay tonga teo amin’ny fiainanao?

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hanatonako an’i Jesoa Kristy?

Manasa ny hafa mba hanatona an’i Jesoa Kristy i Môrônia ao amin’ny toko farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrônia 10:30, 32–33, dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’i Môrônia momba ny vokatry ny safidy ataontsika mba hanatona an’i Jesoa Kristy.

Nanazava ny dikan’ny hoe “manatona an’i Kristy”(Môrônia 10:30, 32) ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Teny fanafohezana fotsiny ihany ny hoe manatona an’i Kristy, fomba iray entina hamaritana amin’ny teny telo ny drafitry ny famonjena. Izany dia midika hoe mandray ny voan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany amin’ny maty, ary amin’ny farany dia ny fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia miankina amin’ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy ny tsara sy ny ratsy, saingy amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahana mahatratra an’izany. Ny dikan’ny hoe manatona Azy dia ny fanaovana ny zavatra izay takina mba handraisana an’ilay fahasoavana, ny hery manavotry ny sorony tsy manam-piafarana, sy mitondra famelana sy manamasina ary manova. (“Why We Share the Gospel,” Ensign, Aug. 2014, 37)

Sary
tanana manakatra hazavana

Ny Filoha Tad R. Callister, izay nanompo tamin’ny naha-filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany azy, dia nanazava ny fahasoavan’ny Tompo tamin’ny fomba toy izao:

Sary
Filoha Tad R. Callister

Noho ny Sorompanavotany, dia manana hery mpanafaka ny Mpamonjy, izay indraindray antsoina hoe fahasoavana, [jereo Ny Torolalana ho an’ ny Soratra Masina, “fahasoavana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org], izay afaka manampy antsika handresy ireo fahalementsika sy ireo tsy fahalavorariantsika ary amin’izany dia hanampy antsika amin’ny fikatsahantsika ny hitovy kokoa Aminy.

Nampianatra an’izao i Môrônia: “Eny, manatona an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, … fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.” [Môrônia10:32]. Toa misy lalam-pifandraisana na fomba roa raha kely indrindra, izay manome antsika ireo hery mpanafaka ireo izay afaka manadio, na hanampy antsika, ho lasa lavorary mihitsy aza.

Voalohany, ireo ôrdônansin’ny fanavotana. … Indraindray isika dia mety hihevitra ny ôrdônansy ho toy ny lisitra ho marihina, izay ilaina amin’ny fisandratana, saingy raha ny marina ny tsirairay amin’izy ireny dia mamoaka hery araka an’ Andriamanitra izay manampy antsika ho lasa hitovy kokoa amin’i Kristy. …

Ny lalam-pifandraisana faharoa ho an’ireo hery mpanafaka ireo dia ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Noho ny Sorompanavotan’i Kristy, dia afaka ny handray ny fanomezan’ny Fanahy Masina isika sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy miaraka amin’izany. Ireo fanomezana ireo dia toetra araka an’ Andriamanitra; noho izany, isaky ny mandray fanomezan’ny Fanahy isika, dia lasa mitovy kokoa amin’ Andriamanitra. (“Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 87)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto izay zavatra azonao atao amin’ny alalan’ny hery manafaky ny Tompo, na ny fahasoavany. Inona no zavatra ataonao amin’izao fotoana izao mba hanasanao ny fahasoavan’ny Tompo sy ny fanampiany ao amin’ny fiainanao?

Fizarana 3

Ahoana no nitondran’ny Bokin’i Môrmôna ahy ho amin’i Jesoa Kristy sy nanampiany Ahy hitoetra ho mahatoky Aminy?

Naneho ny fanahiany fa ny mpamaky aty aoriana dia mety “hanaraby ireto zavatra ireto, noho ny fahalemen[a]y amin’ny soratra” i Môrônia tamin’ny fotoana namintinany ny takelaky ny Jarèdita (Etera 12:23). Ny Tompo dia nankahery an’i Môrônia tamin’ny fanambarana hoe, “ary ny fahasoavako dia ampy ho an’ny malemy fanahy, ka tsy hanararaotra ny fahalemenareo izy” (Etera 12:26). Ary avy eo dia nivavaka ho an’ireo jentilisa i Môrônia sady nijoro ho vavolombelona fa efa nahita an’i Jesoa izy, ary nanolotra fanasana lehibe ho an’ireo izay hamaky ny Bokin’i Môrmôna any aoriana (jereo ny Etera 12:36–41).

Sary
zatovovavy mamaky ny Bokin’i Môrmôna
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Etera 12:41, ary hevero ny fomba mety ho namalianao ny fanasan’i Môrônia nandritra ny fianarana ity taranja ity.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Rehefa miomana ho amin’ny kilasy farany ianao dia eritrereto ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hanatona an’i Kristy sy ho lasa tahaka Azy bebe kokoa. Fantaro ireo eritreritra voafaritra tsara na ireo fahatsapana na ireo zavatra niainana izay nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy naha-lalim-paka ny fiovam-ponao. Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao.

Mba hiomanana amin’ny andronao farany ao amin’ny kilasy dia safidio ary fenoy ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto:

  • Safidy 1: Misafidiana andalan-tsoratra masina iray na fampianarana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tena nahery vaika tamin’ny fanampiana anao hanatona an’i Kristy, ary raketo ny fiasan’izany taminao.

  • Safidy 2: Mitadiava olona iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny dikan’izany hoe manatona an’i Kristy izany tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony, ary raketo ny zavatra nianaranao.

  • Safidy 3: Saintsaino ny fomba nanampian’ny fandalinanao vao haingana ny Bokin’i Môrmôna anao hanatona an’i Kristy. Raketo ny fomba nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny nampatanjaka ny fiovam-ponao tamin’ny Mpamonjy.

Rehefa avy nirakitra an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao sy ny fahatsapanao ianao dia eritrereto ombam-bavaka ny olona izay mety ho voatahy amin’ny alalan’ny zavatra izay mety ho nosoratanao ary zarao amin’izy ireo izany. Miomàna hizara ihany koa ny zavatra tonga ao an-tsainao mandritra ny fotoam-pianarana.