Institiota
Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo


“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo

Sary
zatovolahy mitazana eo am-baravarankely

Efa nivavaka mba hitrangan’ny fahagagana ve ianao? Mikatsaka fijoroana ho vavolombelona ara-panahy lalina kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ve ianao? Moa ve misy zavatra antenainao horaisina avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Eritrereto ireo fanantenana sy faniriana ireo eo am-pandalinana bebe kokoa momba ny finoana sy ny fomba hampianaran’ny Bokin’i Môrmôna antsika hampihatra izany.

Fizarana 1

Afaka manampy ahy hianatra sy hivoatra eo am-piatrehako fitsapana amin’ny fomba ahoana ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

Noraketin’i Môrônia ao amin’ny bokin’i Etera fa rehefa nanenika ny fiarahamonina Jaredita ny ady sy ny fikomiana ary ny faharatsiana dia nandefa ny mpaminany Etera ny Tompo hanambara ny finoana sy ny fibebahana ary ny fanantenana tamin’ny vahoaka.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Etera 12:3–7, 12, 18, dia eritrereto ny antony maha-zava-dehibe ny finoana an’Andriamanitra amin’ny fivoarantsika ara-panahy.

Satria tia antsika ny Tompo ary tiany hivoatra isika, dia manome fahafahana antsika Izy mba hizahana toetra ny finoantsika Azy. Nilaza ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

Isaky ny “mizaha toetra ny finoanao” ianao, izany hoe manao asa amim-pahamendrehana araka ilay zavatra tsapa, dia hahazo porofo marina avy amin’ny Fanahy. Rehefa manao zavatra araka izay farany hahatakaranao azy ianao nefa mbola miahiahy ny amin’izay tokony hatao dia amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana no hitarihana anao hahita vahaolana izay tsy ho azonao amin’ny fomba hafa ankoatra izany.. (“Ilay herim-panovan’ny finoana sy ny toetra,” Liahona, nôv. 2010, 44)

Sary
zatovovavy mijery masoandro mody

Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nanaovanao asa tamim-pinoana ny Tompo ka nahazoanao fijoroana ho vavolombelona ara-panahy taorian’izay. Indray mandeha ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba nanampian’ny fijanonana ho mahatoky azy hivoatra ara-panahy:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Na dia nijaly aza aho tamin’izay fotoana izay, dia mankasitraka aho, rehefa manao ijery todika, fa tsy nisy ny vahaolana haingana ho an’ny olako. Ny nahavoatery ahy hitodika tamin’ Andriamanitra hikatsaka fanampiana saika isan’andro nandritra ny taona maromaro no tena nampianatra ahy ny fomba hivavahana sy ny hahazoana valim-bavaka ary nampianatra ahy tamin’ ny fomba tena mora mba hanam-pinoana an’ Andriamanitra. Lasa nahafantatra ny Mpamonjy ahy sy ny Raiko any An-danitra aho tamin’ny lafiny iray ary tamin’ny fomba lalina kokoa izay tsy ho tanteraka raha tsy nisy an’io, na izay mety ho nitaky fandaniana fotoana lava be kokoa vao ho tanteraka. … Nianatra nitoky tamin’ny Tompo amin’ny foko manontolo aho. Nianatra niara-nandeha Taminy isan’andro isan’andro. (“Look to God Each Day,” New Era, Apr. 2015, 4)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no lesona nianaranao na inona no fitahiana noraisinao rehefa nitoetra ho mahatoky nandritra ny fotoan-tsarotra ianao? Ahoana no hanampian’io karazana zavatra iainana io anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mahazo fitahiana sy hery amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 12:7–22, i Môrônia dia nanome ohatra momba ireo olona izay nampihatra finoana ka notahiana tamin’ny alalan’ny fahagagana, ny fanambarana, ny fanafahana, ny fiovam-po, ary ny fampanantenana. Raha nanao fanamarihana momba ny rahalahin’i Jareda izay nanisaka ny tendrombohitr’i Zerina tamin’ny herin’ny Tompo i Môrônia dia namarana hoe: “Ary raha tsy nanam-pinoana izy dia tsy ho nifindra izany; koa [ny Tompo] dia miasa aorian’ny ananan’ny olona finoana” (Etera 12:30).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mitarika antsika hanao zavatra izay tsy ho vitantsika raha tsy misy izany. Finoana no mandrisika antsika hanao asa izay manampy antsika hahazo hery bebe kokoa avy Aminy.. (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 41)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mitadiava andalan-tsoratra masina na tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay maneho olona mahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra rehefa avy nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Raha mila ohatra maromaro ianao dia vakio ireto manaraka ireto:

Rehefa avy mandalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao na andinin-tsoratra masina iray tonga ao an-tsainao, dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto ary raketo an-tsoratra ny valin-teninao. Mivonòna hizara ao an-dakilasy ireo hevitra hitanao.

  1. Ahoana no nampiharan’ilay olona na ireo olona finoana an’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fitahiana sy herin’ Andriamanitra nomen’ny Tompo rehefa avy nampihatra finoana taminy izy ireo?

  2. Inona no fitsipika na fampiharana azonao ianarana avy amin’io tantara io? Ahoana no ahafahanao mampihatra izany eo amin’ny fiainanao?

Sary
Ireo sambo Jaredita, nataon’i Gary E. Smith

Ny Loholona L. Whitney Clayton Ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fiainana amin’ny alalan’ny finoana:

Sary
Loholona L. Whitney Clayton

Mangataka ny mba hahatakarantsika Azy Andriamanitra, ny hitokiana Aminy sy ny hanarahana Azy. Miangavy antsika Izy mba “[tsy hitodika], satria tsy mahita ianareo.” Nampitandrina antsika Izy fa tsy tokony hanantena ny hahazo valiny mora foana na fanampiana vetivety avy any an-danitra isika. Mandeha tsara ny zavatra ataontsika rehefa mijoro ho mafy orina isika mandritra ny “fizahan-toetra ny finoan[tsika],” na dia sarotra toy ny inona aza ny sedra mety holalovana na mihisatra toy ny inona aza vao ho tonga ny valin-teny andrasantsika [jereo ny Etera 12:6]. Tsy fankatoavana “an-jambany” [jereo ny Boyd K. Packer, “Agency and Control,” Ensign, May 1983, 66–68] no resahiko eto fa ny fankatoavana ombam-pahalalana ny fitiavana sy ny fandaminam-potoana tonga lafatry ny Tompo. (“Ataovy izay asainy ataonareo,” Liahona, mey 2017, 99)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no mety hangatahin’ny Tompo hataonao ka mitaky ny hanaovanao asa amim-pinoana? Ahoana no ahafahanao maneho ny fahatokianao rehefa mandroso ianao?

Fizarana 3

Inona no ilaiko atao mba hahazoako na hanamafisako ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana momba ny Bokin’i Môrmôna?

Taorian’ny faharavan’ny sivilizasiôna Nefita dia tavela irery i Môrônia tamin’ny famitana ny Bokin’i Môrmôna. Talohan’ny nanasiany tombokase ilay rakitsoratra dia nanolotra torohevitra sy fankaherezana vitsivitsy izy. Nanentana ireo mpamaky aty aoriana izy mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna amim-pinoana mba hahazoan’izy ireo mandray fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina fa marina ilay boky.

Sary
I Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny fanasana nomen’i Môrônia ao amin’ny Môrônia 10:3–5, dia asio marika ny fomba azontsika hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy hahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
tanora roa mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Fony izy mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia nohazavain’ny Loholona Gene R. Cook ny maha-asa atao amim-pinoana ny fanekena ny fanasan’i Môrônia:

Sary
Loholona Gene R. Cook

Jereo ilay fomba miavaka hahazoantsika valin-teny avy amin’ Andriamanitra: mila “manontany amin-kitsimpo [isika], omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy” [Môrônia 10:4]. Eritrereto indray ilay teny nampiasaina hoe “manam-pinoana an’i Kristy.” Midika ho fananana toe-tsaina manan-danja izany. Ny hoe manam-pinoana an’i Kristy dia midika hoe manaiky isika fa misy Andriamanitra, manaiky fa afaka mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy Zanany, ary mino fa afaka maneho fahamarinana amintsika Andriamanitra. Tsy mijanona amin’izao fotsiny isika rehefa mampihatra finoana an’i Kristy. Manao asa isika! Na dia mety hoe kely aza ny finoantsika dia manao tahaka izay nampianarin’i Almà isika: “[mampihatra] sombiny amin’ny finoana [isika], eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza [isika fa afaka manampy antsika Andriamanitra], dia avelao izany faniriana izany hiasa ao [amintsika]” (Almà 32:27). (“Moroni’s Promise,” Ensign, Apr. 1994, 14)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Eritrereto ny fomba hanarahan’ny fanasana sy fampanantenan’i Môrônia an’ilay lamina handraisana fijoroana ho vavolombelona rehefa avy mampihatra finoana (jereo ny Etera 12:6). Inona no traikefa azonao mahakasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? Inona no azonao atao mba hahazoanao fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna na hampitomboana ilay fijoroana ho vavolombelona izay efa anananao?