Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo


“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo

Sary
lehilahy roa mifandray tanana

Ampahany lehibe amin’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita ny fananganana ny Fiangonany. Nilaza ny Mpamonjy fa tokony hantsoina amin’ny anarany ary haorina eo ambonin’ny filazantsarany ny Fiangonana (jereo ny 3 Nefia 27:7–9). Rehefa miomana amin’ny fotoam-pianarana ianao dia saintsaino ireo fitahiana omen’ny Tompo an’ireo izay mandray anjara ao amin’ny Fiangonany. Rehefa mieritreritra ireo fitahiana ireo ianao dia hevero izay azonao atao hanampiana ny Fiangonana ho lasa toerana maha-te hitoetra ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Fizarana 1

Inona avy ireo fitahiana tsy azoko raha tsy amin’ny alalan’ny Fiangonan’ny Tompo ihany?

Nandritra ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny Nefita tao amin’ny tempolin’i Soafeno dia nomeny an’ireo mpianany roa ambin’ny folo ny fahefan’ny fisoronana ary nomeny azy ireo ny fahefana hanao batisa sy hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina ary hitarika ny Fiangonany (jereo ny 3 Nefia 11:18–22; 12:1; 18:5, 37). Nampianatra ny Nefita ihany koa ny Mpamonjy fa mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy maintsy mibebaka isika, mino Azy, ary mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izay ao amin’ny Fiangonany ihany no anomezana azy, toy ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana (jereo ny 3 Nefia 11:32–41).

Sary
I Kristy miaraka amin’ireo mpianatra Nefita anankitelo, nataon’i Gary L. Kapp

Raha niresaka momba ny tanjon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny andro taloha sy ankehitriny, dia nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Mbola mijanona ilay tanjona taloha, dia ny hitory ny vaovao tsaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena—izany hoe hitondra ny olona ho ao amin’i Kristy. (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonana anao hanatona an’i Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manampy ahy amin’ny fiezahako ho tonga toa an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Rehefa namarana ny andro voalohany tamin’ny asa fanompoany tany amin’ny tanin’i Soafeno ny Mpamonjy dia nanolotra ny fanasan’ny Tompo tamin’ny mpianany roa ambin’ny folo sy ny vahoaka Izy. Naveriny io ôrdônansy io ny ampitson’iny taorian’ny nanomezany tamin’ny fomba mahagaga ny mofo sy ny divay. (Jereo ny 3 Nefia 18:1–9; 20:3–8.)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny 3 Nefia 18:3–12 sy ny 3 Nefia 20:8–9, dia hevero ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny tanjona masin’ny fanasan’ny Tompo.

Ny loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba amelan’io ôrdônansy io antsika hanana ny Fanahy Masina ho namana tsy tapaka:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia fanasana masina sy miverimberina mba hibebaka amin-kitsimpo ary mba hihavao ara-panahy. Fa rehefa miomana amin-kitsimpo sy mandray anjara amin’io ôrdônansy masina io isika amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina dia mahazo fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika. Ary amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina izay namantsika lalandava dia afaka mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika. (“Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 61–62)

Sary
Olona mandray ny fanasan’ny Tompo

Nampianatra ny Loholona Christofferson fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia afaka manampy antsika koa hifantoka amin’ny fahatongavana ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Ny mofo sy ny rano dia maneho ny nofo sy ny ran’ Ilay Mofon’aina sy Ilay Rano velona [jereo ny Jaona 4:10], izay mampahatsiahy amin-kery antsika ny sarany nefainy mba hanavotana antsika.

… Ny fihinanana ara-tsariteny ny nofony sy ny fisotroana ara-tsariteny ny rany dia ny fiezahana hanana ao anaty ny zavatra tsara sy ny toetra ananan’i Kristy, ny fanaisorana ny maha-olona araka ny nofo ary ny fahatongavana ho Olomasina “amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo” [Môzià 3:19]. Rehefa mandray ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika dia hiezaka kokoa ny hieritreritra ny fomba tsy maintsy hampidirantsika feno sy tanteraka ny toetrany sy ny lamin’ny fiainany tsy misy fahotana eo amin’ny fiainantsika sy ny fisiantsika. …

Ny fihinanana ny nofon’ny Mpamonjy sy ny fisotroana ny rany dia midika hoe manaisotra eo amin’ny fiainantsika izay mety ho zavatra tsy afaka miaraka amin’ny toetra tahaka ny an’i Kristy ary ny fiezahana hanana ny toetrany. (“Ilay mofo velona izay nidina avy any an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 37, 39)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe, “Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo no mahatonga ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ho fivoriana masina sy manan-danja indrindra ao amin’ny Fiangonana” (“Sacrament Meeting and the Sacrament (Fivorian’ny fanasan’ny Tompo),” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 17). Hevero ny hanoratra asa atao vitsivitsy azonao atao mba hahatonga ny fanasan’ny Tompo sy ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ho ampahany masina indrindra amin’ny fivavahanao amin’ny andro Sabata.

Fizarana 3

Inona no azoko atao hanampiana ny olon-drehetra hahatsapa fa misy toerana ho azy ireo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Rehefa avy nampiorina ny fanasan’ny Tompo teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita i Jesoa dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny fivoriana any am-piangonana ho maha-te hitoetra sy hahatsapana tena ho voaray tsara.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny 3 Nefia 18:22–25, dia hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay maneho tsara ny fampianaran’ny Tompo momba ny olona tokony horaisintsika ao amin’ny Fiangonany.

Sary
olona mifampiarahaba any am-piangonana
Sary
Ny Rahavavy Carol F. McConkie

Izaho dia mahalala olona tonga any am-piangonana isaky ny alahady mba hahazo aingam-panahy sy ho feno fifaliana saingy miala maina fotsiny ary mahatsapa ho voatsara sy tsy tiana ary tsy ilaina. …

Tokony ho fantatsika lalina tsara ny tanjon’ny fandehanana miangona amin’ny alahady ary tokony ho azo antoka fa ny olona rehetra tonga dia mahatsiaro ho tiana, ilaina, ekena ary mahazo fankaherezana.

Ny olon-drehetra dia manana ady izay tsy fantatsika akory, ary tena zava-dehibe ny fahafantarantsika fa ny olona rehetra manodidina antsika dia tian’ Andriamanitra ary mila mahita azy ireo amin’ny maso manahaka ny an’i Kristy isika. Ary tsy azontsika avela hibaiko ny fomba ifandraisantsika amin’ny olona ny fitsaratsarana. …

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy manilikilika olona. Ny olona no manilikilika olona, ary mila amboarintsika izany. Mila mahatsapa ny zavatra tsapan’ny olona sy tia azy ireo isika ary mamela azy ireo hanana fahafahana hitombo sy hamony ka haneho ilay olona tsara indrindra ao amin’izy ireo. Manana talenta sy fahaiza-manao ary toetra manokana ilaina ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireo. Ary raha hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra etỳ an-tany isika dia mila ny olona rehetra ho tonga. (“Lifting Others” [horonan-tsary], ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azoko atao mba ho olona mora anatonana sy manasa ny hafa kokoa ary mandray kokoa mba hanampiako ireo zanak’ Andriamanitra hahatsapa fa manana toerana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izy ireo?