Institiota
Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy


“Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy

Sary
I Kristy mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane, nataon’i Hermann Clementz

Inona no zavatra tsapanao sy eritreretinao rehefa mieritreritra momba ny fijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane na teo amin’ny hazofijaliana ianao? Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra ny fahatakarana feno sy manan-danja indrindra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita n’aiza n’aiza” (“Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62). Eo am-pandalinanao ny zavatra ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia eritrereto ny fomba nanavotany anao tamin’ny vokatry ny Fahalavoana ka nahatonga anao ho afaka ny ho lasa tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra kokoa.

Fizarana 1

Nahoana aho no mila manaiky ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Tany ho any amin’ny taona 74 talohan’i JK i Almà dia nitarika asa fitoriana tany amin’ny Zôramita, izay nanana fomba fivavahana diso ary nampianatra fa “tsy hisy Kristy” (Almà 31:16). Rehefa nitory filazantsara tamin’ny vondrona Zôramita mahantra iray izay noroasina hiala ny toeram-pivavahan’izy ireo i Almà sy i Amioleka dia nampianarin’izy ireo azy ireo ny fomba fivavahana amin’ Andriamanitra ary nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana izy ireo fa ho avy i Kristy ary hanatanteraka Sorompanavotana tsy misy fetra.

Fantatsika avy amin’ny soratra masina sy ny fanambarana maoderina fa “Ny Sorompanavota[n’i Jesoa Kristy] dia nahitana ny fijaliany …, noho ny fahotan’ny olombelona, ny fandatsahana ny rany ary ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty taorian’izay” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Sorompanavotana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 34:8–10, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Amioleka momba ny filantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
Ny fanomboana an’i Kristy, nataon’i Louise Parker

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny Sorompanavotana tsy manam-petran’ny Mpamonjy:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Tsy manam-petra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotan’i [Jesoa Kristy]. Tsisy fetra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ilay fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsisy fetra izany raha ilay fijaliany lehibe no jerena. Tsisy fetra izany eo amin’ny lafin’ny fotoana satria namarana ilay fomba arahana hanaovana sorona biby taloha. Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahina indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariany. Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona.

I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa.. (“The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 35)

Sary
Miresaka amin’i Kristy efa nitsangana tamin’ny maty i Maria

Nanao lahateny mafonja ihany koa ny mpaminany Jakôba izay miresaka momba ny filantsika ny Sorompanavotana tsy misy fetran’ny Tompo sy ny fomba hanafahan’i Jesoa Kristy antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy ny vokatry ny fahotantsika.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Halalino ny 2 Nefia 9:6–10, 19–22, dia tadiavo ny zavatra mety ho nitranga raha tsy nisy ny Sorompanavotana tsy misy fetran’ny Mpamonjy.

Afaka matoky tanteraka isika fa afaka mibebaka amin’ny fahotantsika sy ho voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotana tsy misy fetran’ny Mpamonjy. Ny Filoha Tad R. Callister, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nanome izao fampitandremana manaraka izao mikasika ny fanisiana fetra ny Sorompanavotan’ny Tompo:

Sary
Filoha Tad R. Callister

Nisy fotoana aho tafahaona tamina Olomasina tsara, izay nanana olana tamin’ny famelana ny tenany, izay tsy tamim-pananan-tsiny saingy tamim-pahadisoana, dia nametraka fetra amin’ny herim-panavotan’ny Mpamonjy. Novain’izy ireo tsy nahy ny Sorompanavotana tsy manam-petra ho lasa manam-petra, ary toa tsy miantraika amin’ny fahotany na ny fahalemen’izy ireo manokana. Saingy Sorompanavotana tsy misy fetra izy io noho izy mandrakotra sy misahana ny fahotana sy ny fahalemena rehetra, ary koa ny herisetra na fanaintainana rehetra izay nataon’ny hafa. (“NY Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 85–86)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Misy fiantraikany eo amin’ny fahatakaranao sy ny fomba hiatrehanao ny adinao sy ny olanao manokana amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa tsy manam-petra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Tena mino ve ianao fa afaka manampy sy mamonjy anao ny Sorompanavotana tsy misy fetran’i Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy ahy handresy ny olona araka ny nofo?

Rehefa nanakaiky ny andro nahafatesan’i Benjamina Mpanjaka dia nanao toriteny mahery vaika nifantoka tamin’i Kristy tamin’ireo vahoakany izy. Nandritra io toriteny io dia nizara ny zavatra nampianarin’ny anjely iray azy izy mikasika ny fanompoan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana nataony. Nampianatra izy fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Tompo ihany no ahafahantsika mandresy ilay ampahany araka ny nofo, na mpanota ao anatintsika.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 3:19, dia tadiavo ny zavatra azonao atao handresena ny olona araka ny nofo.

Sary
Ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina mivavaka

Nanome ireto hevi-baovao momba ny lehilahy na vehivavy ara-nofo ireto ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

Amin’ny ampahany, ny olona araka ny nofo izay noresahan’ny Mpanjaka Benjamina dia velona tokoa ao anatin’ny tsirairay avy amintsika (jereo ny Môzià 3:19). Ny lehilahy na vehivavy araka ny nofo dia tsy mibebaka, olon’ny nofo sy manaram-batana (jereo ny Môzià 16:5; Almà 42:10; Mosesy 5:13), mamela ny zavatra handeha ho azy sy mpanao zavatra diso tafahoatra, ary mpieboebo sy tia tena. Araka ny nampianarin’ny Filoha Spencer W. Kimball, “Ny -olona araka ny nofo- dia ny -olon’izao tontolo izao- izay mamela ny firehetam-po toy ny an’ny biby iraisan’ny be sy ny maro hanalokaloka ny fironany ara-panahy” (“Ocean Currents and Family Influences,” Ensign, Nov. 1974, 112). …

Ny toetra voajanahary marin’ny fitsapana amin’ny fiainana an-tany, noho izany, dia afaka ny ho fintinina ao amin’ity fanontaniana manaraka ity: Hanao zavatra amin’ny fironan’ny olona araka ny nofo ve aho, sa hihaino ny fitaoman’ny Fanahy Masina ve aho ary hanaisotra ny maha olona araka ny nofo ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo (jereo ny Môzià 3:19)? Izay ilay fizahan-toetra. Ny filana, ny faniriana, ny fironana, ary ny fihetseham-po tsy hay tohaina rehetra an’ny olona araka ny nofo dia azo toherina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Eto an-tany isika mba hampitombo toetra tahaka ny an’ Andriamanitra sy hifehy ny filan’ny nofo rehetra. (“Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” Liahona, mey 2013, 42, 43)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Efa nahatsapa ve ianao hoe tsy afaka nifehy na nandresy ny filana sy ny fihetseham-po tsy hay tohaina an’ny olona araka ny nofo? Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 3:19 mitondra fanantenana ho anao fa afaka manao fanovana marina sy ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa ianao?