Institiota
Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana


“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia “mampatanjaka ireo mpanara-dia an’i Kristy izay manetry tena hahatohitra ireo teti-dratsy, paikady ary fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Jan. 1988, 3). Ato amin’ity fizarana ity dia hanana fotoana hianarana ny fomba ampihariharian’ny Bokin’i Môrmôna ireo loza ireo ianao mba hahafahanao miaro tsara kokoa ny tenanao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava fitsipika izay afaka manampy anao hiaina am-pahamarinana mandritra ny fotoam-paharatsiana.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo rehefa miatrika fanenjehana noho ny fiainana ny filazantsara aho?

Rehefa nipetraka tamin’ny toeram-pitsarana i Helamàna, zanakalahin’i Helamàna, dia niaina vanim-potoana nilamina ny Nefita ary olona an’aliny no niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana. Na dia niroborobo aza ny Fiangonana dia nisy mpikambana sasantsasany lasa niavonavona ary nanomboka nanenjika ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy nanetry tena. (Jereo ny Helamàna 3:20–34.)

Sary
mampahory lehilahy iray ny Nefita tafalatsaka tanaty avonavona
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Helamàna 3:33–35, ary tadiavo ny fomba namalian’ireo mpanara-dia an’i Kristy nanetry tena ny fanenjehana nataon’ny mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mieritrereta fotoana iray izay niainanao na nanatrehanao maso fihetsika nandratra na teny mifono haratsiam-panahy avy amina mpikambana iray hafa ao amin’ny Fiangonana. Ahoana no nasetrinao izany? Inona no azonao ianarana avy amin’ireo Olomasina nanetry tena ireo momba ny fomba iatrehana karazana fanenjehana toy izany?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako ho olo-marina rehefa voahodidin’ny faharatsiana aho?

Ny mpaminany Môrmôna sy ny zanany lahy Môrônia dia niatrika fotoana nanjakan’ny faharatsiana. Noho ny fahotana sy ny tsy finoana dia nitsahatra ny fahagagana ary tsy niaraka tamin’ny vahoaka intsony ny Fanahy Masina. Nanjaka eran-tany ny herin’i Satana. (Jereo ny Môrmôna 1:13–19.) Tao amin’ny taratasy iray ho an’i Môrônia zanany lahy dia nilazalaza ny toetoetry ny olona i Môrmôna ary nanatsoaka hevitra fa mamohehitra izy ireo hany ka “tsy manaraka fahalalam-pomba” (Môrônia 9:11). Herisetra, ady ary vono olona no namely ny tany rehefa niady tsy anki-janona ny Lamanita sy ny Nefita. Nanjaka ny Lamanita tamin’ny farany ary nanatri-maso ny famongorana tanteraka ny Nefita i Môrmôna sy i Môrônia (jereo ny Mormôna 2–6; 8:1–3, 7).

Sary
Nanao fara-veloma ny firenena iray izay lehibe tokoa fahiny i Môrmôna, nataon’i Arnold Friberg
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrmôna 1:1–2, 15 sy ny Môrônia 9:25–26, ary tadiavo ireo antony vitsivitsy nahafahan’i Môrmôna sy i Môrônia nijanona ho mahatoky na dia voahodidin’ny faharatsiana aza izy ireo.

Raha niresaka momba ny herin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy ao anatin’ny tontolo feno ota ny Filoha Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Filoha Joy D. Jones

Raha toa ny fisarihan’izao tontolo izao ka matanjaka kokoa noho ny finoantsika ny Mpamonjy sy ny fahatokiantsika Azy dia handresy hatrany ny fisarihan’izao tontolo izao. …

… Raha matetika no mora kokoa ny matoritory ara-panahy raha oharina amin’ny fanaovana ny ezaka ara-panahy mba hahatsiahy sy hanaiky ny toetrantsika amin’ny maha-Andriamanitra, dia tsy azontsika atao ny manome vahana izany amin’izao andro farany izao. Enga anie isika … “ho mahatoky ao amin’i Kristy; … fa hanandratra [antsika] kosa anie i Kristy, ary enga anie ny fijaliany sy ny fahafatesany, … ary ny famindram-pony sy ny fahari-pony, ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandrakizay ao [an-tsaintsika]” [Môrônia 9:25]. Rehefa ampiakarin’ny Mpamonjy eo amin’ny faritra ambony kokoa isika dia tsy hoe afaka mahita mazava bebe kokoa fotsiny ilay tena maha-izy antsika fa lasa akaiky Azy kokoa noho izay noheverintsika.. (“Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 15)

Sary
I Kristy eo afovoany, nataon’i Judith Mehr

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao izao fijoroana ho vavolombelona manaraka izao momba ny fomba hanampian’ny Tompo ny mpino hiatrika tontolo ratsy:

Sary
Ny Loholona Neil L. Andersen

Efa hitan’ny Tompo mialoha ny androntsika, ary nomeny fiarovana ara-panahy isika. … Koa satria mitombo ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao, dia misy herin’ny fanambarana mifandanja amin’izany sy fanomezana ara-panahy omena ireo olo-marina. Omen’ny Tompo hery fanampiny isika rehefa vonona ny hitoetra ho marina ao anatin’ny tontolo ratsy.. (“A Classroom of Faith, Hope, and Charity” [takariva iarahana amin’ny Manam-pahefana Ambony, 28 feb 2014], ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Mitadiava olona na vondron’olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay niatrika faharatsiana ary nijanona ho mahatoky tamin’ny Tompo toa an’i Môrmôna na i Môrônia. Rehefa mieritreritra ity ohatra ity ianao dia mitadiava andinin-tsoratra masina iray izay afaka manome fahatakarana fanampiny momba io olona (na vondron’olona) io. Avy eo dia raketo an-tsoratra ny eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hamaritanao ny faharatsiana natrehin’io olona (na vondron’olona) io?

  • Inona no zavatra nataon’io olona (na vondron’olona) io ka azonao atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny Tompo rehefa miatrika ny faharatsiana sy ny fakam-panahin’izao tontolo izao ianao?

Aoka ianao ho vonona hizara ny ohatrao rehefa tonga ao am-pianarana. Azonao atao koa ny miomana hizara ohatra-na olona iray fantatrao manokana izay niatrika faharatsiana ary nijanona ho mahatoky tamin’ny Tompo.