Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-dison’ny andro farany


“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-dison’ny andro farany,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona, 22 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-dison’ny andro farany

Sary
zatovolahy mihazona soratra masina

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana hoe: “Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika. Misy fironana bebe kokoa -[hiantso] ny ratsy ho tsara ary miantso ny tsara ho ratsy- [2 Nefia 15:20; jereo ihany koa ny Isaia 5:20]” (“Milamina sy manaraka fomba eto Bristol: Aoka ianao ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly—amin’ireo fotoana milamina sy amin’ny fotoan-tsarotra,” Liahona, nôv. 2015, 40). Tamin’ny fahalalana mialoha sy fitiavana lehibe no nanomezan’ny Tompo ny Bokin’i Môrmôna izay manampy amin’ny fampiharihariana ireo fampianarana sy hevitra diso izay manjaka ankehitriny. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao dia hevero izay fitsipika avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna afaka manampy anao hahafantatra ny famitahana sy hiaro ireo zavatra fantatrao fa marina.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna miaro ahy amin’ireo fampianaran-diso eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Ny Filoha Ezra Taft Benson sy ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra izao manaraka izao momba ny herin’ny Bokin’i Môrmôna iarovana antsika amin’ny fampianaran-diso:

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Mampiharihary ny fahavalon’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Manaporofo ny mahadiso ny fotopampianarana sandoka. … Manamafy orina ny mpanara-dia an’i Kristy manetry tena hahatohitra ireo teti-dratsy sy paika ary ireo fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao. (Eseignement des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 132)

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Ny Bokin’i Môrmôna dia sady manazava ny fampianaran’ny Tompo no mampibaribary ny teti-dratsin’ny fahavalo [jereo ny 2 Nefia 26–33]. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fotopampianarana marina mba handresena ireo fomba amam-panao ara-pivavahana diso. (“Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy? Liahona, nôv. 2017, 62)

I Nefia dia nirakitra an-tsoratra faminaniana miavaka iray momba ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, izay ampahany tena nilaina tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 27:6–23). Avy eo dia naminany momba ny mpampianatra sandoka, ny fotopampianarana adala ary ny paikadin’ny devoly izay hahavery ny olona i Nefia (jereo ny 2 Nefia 28).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 28:7–9, 20–22, 29–30 dia hevero ny hanisy marika ireo fampianaran-diso nolazain’i Nefia fa hatrehintsika amin’ny andro farany.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ny fandalinana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna dia manasa ny Fanahy Masina hiditra eo amin’ny fiainantsika. Ny Fanahy Masina no mpanampy lehibe indrindra amin’ny fanavahana ny marina amin’ny diso. Oviana no nahitanao ohatra amin’ny fampianaran-diso izay nampitandreman’i Nefia fa hatrehantsika amin’ny andro farany? Ahoana no fomba namantaranao izany? Inona no nataonao mba hiarovanao tena tamin’izany fampianaran-diso izany?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako manomana ny tenako hanohitra ireo izay mety hitady hanimba ny finoako an’i Jesoa Kristy?

Mampitandrina amin’ny antikristy ny Bokin’i Môrmôna. Ny antikristy dia “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ny filazantsara marina ary manohitra an-kitsirano na mangingina an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Toy izao no nolazain’ny Filoha Nelson momba ny antikristy:

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

[Tadidinareo ve] i Kôrihôra, ilay antikristy? Nitety toerana i Kôrihôra, nilaza zavatra diso maro momba ny Mpamonjy, mandra-pitondrana azy teo anoloan’ny mpisorona avo iray izay nanontany azy hoe: “Nahoana ianao no mandeha mamilivily ny lalan’ny Tompo? Nahoana ianao no mampianatra ity vahoaka ity fa tsy hisy i Kristy, mba hampitsaharana ny firavoravoany?” [Almà 30:22].

Ny zavatra rehetra izay manohitra an’i Kristy na ny fotopampianarany dia hampitsahatra ny fifaliantsika. Izany dia ahitana ireo filôzôfian’olombelona, izay mitobaka tokoa any amin’ny Internet sy any amin’ny tontolon’ny blaogy, izay manao ny zavatra nataon’i Kôrihôra tanteraka. (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 83–84)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia halalino ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto: (1) Serema sy i Jakôba, (2) Nehôra sy i Gideona, na (3) Kôrihôra sy i Almà. (Fanamarihana: Ny fanovozan-kevitra ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izany ho an’ireo andininy ireo dia omena ao amin’ireto fizarana manaraka ireto.) Ny tantara tsirairay dia misy ny tantaran’ny antikristy izay nanohitra ny Tompo sy ny Fiangonany ary koa ny olona iray izay namaly tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ianao dia soraty ao amin’ny diarinao ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Tongava ao am-pianarana amim-pahavononana hizara ny zavatra nianaranao.

Fanontaniana enti-mandalina

  1. Inona no tetika nampiasain’ity antikristy ity hanimbana ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  2. Inona avy ireo ohatra maoderina amin’ireo hevi-diso ampianarina na fomba fiasa ampiasain’ny antikristy ao amin’ity tantara ity? Ahoana no fomba ampielezan’i Satana ireo hevitra ireo amin’izao androntsika izao?

  3. Inona no fitsipika na fomba fanao sasany nianaranao avy tamin’ny ohatra mahatokin’ilay olona nifanandrina tamin’ireo hafatra diso? (Mitanisà telo farafahakeliny.) Ahoana no mety hampiasan’ny olona iray ankehitriny ireo fitsipika sy fanao ireo mba hamaliana ireo fotopampianarana sy fiampangana diso?

Ampiasao ireo loharanom-pitaovana etsy ambany rehefa mandalina ny tantara nosafidianao ianao.

I Serema sy i Jakôba

Sary
I Serema mifanditra amin’i Jakôba

Vakio ny Jakôba 7:1–14 na jereo ny horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna “Shérem nie le Christ” hatramin’ny tondrom-potoana 4:20, dia valio ireo fanontaniana enti-mandalina teo aloha.

Ny fototra ara-panahy nananan’i Jakôba dia loharanon-kery nandreseny ny fanambarana nataon’i Serema (jereo ny Jakôba 7:5). Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, dia hevero ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Jakôba.

Sary
Ny Loholona Ronald A. Rasband

Rehefa nanoro hevitra olona [izay sahirana mafy tamin’ny finoana] aho, dia namantatra ireo fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo tao anatin’ny taona maro izay nitarika azy ireo hanadino ireo zavatra masina niainana sy hihamalemy ary hiahiahy. Namporisika azy ireo aho, toy ny amporisihako anareo amin’izao fotoana izao, mba hahatsiaro, indrindra amin’ny fotoana isian’ny olana, ny fotoana nahatsapanareo ny Fanahy sy nananareo fijoroana ho vavolombelona matanjaka; tsarovy ireo fototra ara-panahy naorinareo. Mampanantena aho fa raha manao izany ianareo, izany hoe misoroka ireo zavatra izay tsy manorina sy tsy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo na manao tsinontsinona ny finoanareo, dia hiverina ho tsaroanareo indray ireo fotoana sarobidy naha-mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nanananareo amin’ny alalan’ny vavaka sy fifadian-kanina atao amim-panetren-tena. Manome toky anareo aho fa hahatsapa indray ny fiarovana sy hafanana mahafinaritra avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo.. (“Fandrao hadinoinao,” Liahona, nôv. 2016, 114)

Raketo ao amin’ny diarinao ny zavatra ara-panahy iray farafahakeliny niainanao izay azonao tadidiana ao anatina fotoana fohy rehefa misedra olana ny finoanao an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany.

I Nehôra sy i Gideôna

Sary
I Nehôra, nataon’i James H. Fullmer

Halalino ny Almà 1:2–16, dia valio ireo fanontaniana enti-mandalina teo aloha. Mety hanampy ny fanamarihana fa i Nefia dia nampianatra fa “ny komiberaky ny mpisorona dia [ny lehilahy na vehivavy] izay mitory sy mametraka ny tenany ho fahazavan’izao tontolo izao mba hahazoany ny harena sy deran’izao tontolo izao; nefa tsy mikatsaka ny fiadanana ho an’i Ziona izy” (2 Nefia 26:29).

Nahoana araka ny eritreritrao no nanjary nalaza teo amin’ny olona sasany ny fampianaran-diso nataon’i Nehôra? Vakio ity famaritana ny paikadin’ny fahavalo manaraka ity, izay avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary eritrereto ny fomba iharan’izany amin’ny fampianaran’i Nehôra voarakitra ao amin’ny Almà 1:4.

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

I Satana no ilay mpamitaka lehibe, ilay rain’ny lainga (jereo ny Jaona 8:44). Tsy hoe satria tsy misy afa-tsy lainga no lazain’i Satana. Ny laingany mandaitra indrindra dia ny antsasaky ny marina na ny lainga ampiarahina amin’ny marina. (“Reading Church History” [lahateny ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, Aug. 16, 1985], 9)

Raketo an-tsoratra ao anaty diarinao ny valiny iray amin’ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafahako mampivelatra fahasahiana bebe kokoa hisafidianako izay marina fa tsy izay malaza nefa diso?

I Kôrihôra sy i Almà

Sary
Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; (I Almà sy i Kôrihôra), nataon’i Walter Rane

Vakio ny Almà 30:12–18, 23, 27–28, 32–33, 39–46, dia valio ireo fanontaniana enti-mandalina teo aloha.

Nanome ity torohevitra ity ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Filoha M. Russell Ballard

Aoka isika ho mailo amin’ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka, na lehilahy na vehivavy, izay manendry tena ho mpanambara ireo fotopampianaran’ny Fiangonana ary mikatsaka ny hampiely ilay filazantsara dison’izy ireo sy hisarika olona amin’ny alalan’ny fanohanana fivorian’ny manam-pahaizana sy boky ary gazety izay manana votoaty maninana ireo fotopampianarana fototry ny Fiangonana. Mitandrema amin’ireo izay miteny sy mamoaka zavatra manohitra ireo mpaminany marin’ Andriamanitra ary mitory amin-kafanam-po miaraka amin’ny tsy firaharahiana tsotra izao ny zava-mahasoa mandrakizain’ireo olona angoleny.. (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nov. 1999, 63)

Ho fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana dia nanome porofo maro an’i Kôrihôra momba ny fisian’ Andriamanitra i Almà. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diarinao ireo porofo hitanao izay ”maneho fa misy Andriamanitra (Almà 30:44). Amin’ny fomba ahoana no mety hanamafisan’ireo porofo ireo orina ny finoanao sy fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’ Andriamanitra?