Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandresy ny avonavona


“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôn: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mandresy ny avonavona

Sary
tovovavy mieritreritra lalina

Loza ara-panahy iray izay antitranterina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fahotana amin’ny avonavona. Fantatsika avy amin’izany rakitsoratra izany ny fomba nanakorontanan’ny avonavona ny firindrana tao amin’ny fianakavian’i Lehia, ny nampisian’izany fisaraham-bazana tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, sy ny niterahan’izany ady tsy tambo isaina, ary farany dia ny nitondran’izany ho amin’ny faharavan’ny sivilizasiônina Nefita. Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampitandrina fa “ny avonavona no fahotana maneran-tany, ilay faharatsiana lehibe” (“Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 6). Rehefa mandalina mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana ianao dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hamantatra ireo fomba fitrangan’ny avonavona eo amin’ny fiainanao manokana. Hevero ihany koa ny fomba ahafahan’ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa Kristy manampy anao handresy ny avonavona.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako mamantatra tsara kokoa ny vokatra manimba mety hoentin’ny avonavona eo amin’ny fiainako?

Taorian’ny nahafatesan’i Nefia dia sahiran-tsaina tamin’ny fihanaky ny faharatsiana teo amin’ny Nefita i Jakôba. Notarihin’ny Tompo hiresaka momba ny fahotan’ny olona i Jakôba (jereo ny Jakoba 1:152:4, 11). Koa dia tamim-pankatoavana no niresahan’i Jakôba tamin’ny olona tao amin’ny tempoly momba ny fahotan’izy ireo, tao anatin’izany ny fomba nitondran’ny haren’izy ireo azy ireo hanalavitra ny Tompo.

Sary
I Jakôba mampianatra ny Nefita
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jakôba 2:12–16 na jereo ilay horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna “Jacob parle de l’orgueil (Jakôba 2:3–21)” (5:56), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa manao izany ianao dia jereo hoe inona no fiantraikan’ny avonavona tamin’ny fomba nifandraisan’ireo Nefita ireo.

Any amin’ny faran’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrmôna sy i Môrônia dia nijoro ho vavolombelona momba ny fomba nentin’ny tsy fibebahana tamin’ny avonavona nitarika ny famongorana tanteraka ny Nefita (jereo ny Môrônia 8:27). Rehefa avy nanatri-maso ny famongorana azy ireo i Môrônia dia hitany tamin’ny fahitana ihany koa ny mety hiterahan’ny avonavona olana amin’ny olona amin’izao androntsika izao.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrmôna 8:35–37 dia hevero ny hoe ahoana no fomba itarihan’ny avonavona amina fahotana misimisy kokoa.

Sary
zatovo mangataka vola

Tamin’ny 1989 ny Filoha Benson dia nanao lahateny tsy lefin’ny fotoana momba ny avonavona. Eo am-pamakianao ity sombiny avy amin’ny lahateniny ity dia hevero ny hanisy marika ireo teny sy andian-teny manan-danja izay mamaritra ny tena dikan’ny avonavona.

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Ny ankamaroantsika dia mihevitra ny avonavona ho tsy fijerena afa-tsy ny tena, fireharehana fatratra, fieboeboana, fanaovana tsinontsinona ny hafa, na fanambonian-tena. Ireo rehetra ireo dia singa ao amin’ilay fahotana avokoa, saingy mbola tsy amin’ireo ny ivony na ny fotony.

Ny tena fototry ny avonavona dia ny fandrafiana— fandrafiana an’ Andriamanitra sy fandrafiana ny mpiara-belona. Ny fandrafiana dia midika hoe “fankahalana an’i, tsy fitiavana an’i, na toetra manohitra an’.” Io no hery tian’i Satana hanjakana amintsika.

Ny toetra maha-izy ny avonavona dia ny mampifaninana. Ataontsika miady amin’ny an’ Andriamanitra ny sitrapontsika. …

Ny mpiavonavona dia tsy afaka manaiky ny fahefan’ Andriamanitra izay mitarika ny fiainany. (Jereo ny Hel. 12:6.) …

Ny mpiavonavona dia manao ny olon-drehetra ho fahavalony amin’ny alalan’ny fampifandrafiany ny fahaizany, ny heviny, ny asany, ny hareny, ny talentany, na izay fitaovam-pandrefesana hafa rehetra eo amin’izao tontolo izao amin’ny hafa. Araka ny hevitr’i C. S. Lewis: “Ny avonavona dia tsy mahazo fahafinaretana avy amin’ny fananana zavatra iray, fa avy amin’ny fananana mihoatra noho ny ananan’ny hafa fotsiny ihany. … Ny fanaovana fampitahana no mahatonga anao ho mpiavonavona: ilay fahafinaretana azo avy amin’ny maha-ambony noho ny hafa ny tena. Raha vao miala ilay singa fifaninanana dia miala ny avonavona.” (Mere Christianity, New York: Macmillian, 1952, pp. 109–10.) …

Ny fahatahorana ny fitsaran’olona dia miseho amin’ny fifaninanana hahazoana fankasitrahan’olona. …

… Ny ankamaroantsika dia mihevitra ny avonavona ho fahotan’ireo olona eo an-tampony toy ny manan-karena sy ny manam-pahaizana izay mijery ambany ny sisa amintsika. (Jereo ny 2 Ne. 9:42.) Na izany aza, misy aretina hita matetika kokoa eo amintsika—ary izany dia avonavona avy eny ambany mijery ny eny ambony. Miseho amin’ny fomba maro be izany, toy ny fahitana ny hadisoan’ny hafa, fifosana, fihatsarambelatsihy, fimonomononana, fiainana mandany mihoatra izay zaka, tsy fahafaliana amin’ny zavatra ananan’ny hafa, fitsiriritana, fandavana fankasitrahana sy fiderana izay mety hampisondrotra ny hafa ary ny tsy famelana sy ny fialonana.Beware of Pride,” 4, 5)

Sary
tovovavy mijery zatovovavy mitovy aminy
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra nyeritreritrao

Ny Filoha Benson dia nanao fanamarihana hoe: “Fahotana mora hita amin’ny hafa ny avonavona saingy mahalana no anekena azy amin’ny tenantsika” (“Beware of Pride,” 5). Misafidiana fanontaniana hita eo ambany tena mifandray indrindra amin’ny fiainanao, dia soraty ao amin’ny diarinao na kahienao ny valin-teninao.

  • Mahatsapa fandrafiana (fahatezerana, fankahalana na fanoherana) an’ Andriamanitra na olon-kafa ato am-poko ve aho? Raha eny dia inona no fiantraikan’ireo fahatsapana ireo amin’ny foko sy ny olona mifandray amiko?

  • Amin’ny fotoana toy ny ahoana no tena hampitahaiko amin’ny hafa ny tenako? Rehefa mampitaha ny tenako amin’ny hafa aho dia ahoana ny fahatsapako?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mandresy ny fahotana avy amin’ny avonavona?

Taorian’ny nampitandreman’i Jakôba ny olony momba ny fahotana avy amin’ny avonavona dia nampianatra azy ireo fahamarinana manan-danja momba ny fomba handresena izany izy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eo am-pamakianao ny Jakôba 2:17–21, dia mitadiava torohevitra izay afaka manampy anao handresy ny avonavona.

Sary
Olona manome sakafo olona tsy manan-kialofana

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia imbetsaka no lasa miavonavona ny Nefita. Ohatra hoe, rehefa avy nandresy tamin’ny ady naharitra natao tamin’ireo mpandroban’i Gadiantôna ny Nefita dia nambinina izy ireo ary vetivety dia lasa niavonavona, nanasokajy ny tenany araka ny hareny sy ny fahalalany. Ny sasany nanomboka nanenjika ireo izay tsy dia nambinina noho izy ireo. (Jereo ny 3 Nefia 6:4–12.)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Rehefa mamaky ny 3 Nefia 6:12–14 ianao dia mariho ny fahasamihafana nisy teo amin’ireo olona niavonavona sy ireo olona tsy niavonavona. Inona avy ireo toetra nampiavaka ireo vondron’olona roa ireo?

Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Benson momba ny fomba handresena ny avonavona:

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Ny fanefitry ny avonavona dia ny fanetren-tena—fahalemem-panahy, fanoavana. (Jereo ny Almà 7:23.) …

Aoka hisafidy ny hanetry tena isika.

Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny alalan’ny fandresena ny fandrafiana ny rahalahintsika sy anabavintsika, ka mihevitra azy ireo ho toy ny tenantsika ary mampakatra azy ireo amin’ny toerana ambony tahaka antsika na ambony kokoa noho ny tenantsika. [Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24.]

Afaka misafidy ny hanetry tena amin’ny alalan’ny fandraisana torohevitra sy famaizana isika. [Jereo ny Jakôba 4:10.]

Afaka misafidy ny hanetry tena amin’ny alalan’ny famelana ireo izay nanafintohina antsika isika. [Jereo ny 3 Nefia 13:11, 14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10.]

Afaka misafidy ny hanetry tena amin’ny alalan’ny fanaovana fanompoana tsy misy tombontsoa ho an’ny tena manokana isika. (Jereo ny Môzià 2:16–17.)

Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny alalan’ny fandehanana manao asa fitoriana ka mitory ny teny izay afaka mahatonga ny hafa hanetry tena. [Jereo ny Almà 4:19.]

Afaka misafidy ny hanetry tena amin’ny alalan’ny fandehanana matetika kokoa any amin’ny tempoly isika.

Afaka misafidy ny hanetry tena amin’ny alalan’ny fibabohana sy fahafoizana ny fahotantsika ary fahaterahana ao amin’ Andriamanitra isika. [Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43.]

Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny alalan’ny fitiavana an’ Andriamanitra, fampanoavana ny sitrapontsika amin’ny Azy ary ny fametrahana Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. [Jereo ny 3 Nefia 11:11.] (“Beware of Pride,” 6–7)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Saintsaino ny fiainan’ny Mpamonjy. Inona no azonao ianarana avy Aminy momba ny fanetrentena? Miomàna hizara ohatra iray ao am-pianarana.