Institiota
Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy


“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Sary
zatovovavy mamaky Bokin’i Môrmôna

Tongasoa eto amin’ny Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika” (“Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62). Rehefa mandalina sy miaina ireo fahamarinana izay resahina ato amin’ity fampianarana ity ianao dia hahatakatra ny fahamarinan’ny tenin’ny Filoha Nelson. Ny fijoroana ho vavolombelona izay anananao momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hitombo ary dia ho lasa ho toa Azy Ireo kokoa ianao.

Fanamarihana: Ity tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ity dia hanome anao fahalalana fototra manan-danja hoentinao miatrika ny fotoam-pianarana. Ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona tsirairay mialoha ny fotoam-pianarana dia hanampy anao hanana traikefa ara-panahy sy manan-danja kokoa eo amin’ny fianarana.

Fizarana 1

Afaka manatsara ny fiainako amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna?

Tamin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Sary
ny Mpaminany Joseph Smith

Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa. (Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna, andiam-pehezan-teny 6)

Hatramin’ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia an-tapitrisany ny olona efa nahita ny fahamarinan’ity zavatra nambarany ity.

Ny Loholona Peter M. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra iray izay maneho ny nitahian’ny Bokin’i Môrmôna ny fiainany fony izy zatovolahy:

Sary
Loholona Peter M. Johnson

Rehefa nanomboka ny fianarako hahazoako doctorat aho dia nahatsapa ho kivy. Tamin’izay taona izay ilay fandaharam-pianarana dia tsy nandray afa-tsy mpianatra efatra monja, ary tena nahay ireo mpianatra hafa. Nanana naoty ambony kokoa izy ireo tamin’ny fitsapana, ary nanana traikefa arak’asa amin’ny resaka fitantanana, ary nasehon’izy ireo ny fatokian-tenany amin’ny fahaizany. Taorian’ny herinandro roa voalohany nanarahako ilay fandaharam-pianarana dia nanomboka niantraika tamiko ireo fahatsapana fahakiviana sy fisalasalana, izay saika nandreraka ahy mihitsy.

Nanapa-kevitra aho hoe raha te hamita ity fandaharam-pianarana maharitra efatra taona ity aho dia hamita ny famakiako ny Bokin’i Môrmôna isaky ny enim-bolana. Isan’andro rehefa mamaky aho dia hitako ilay fanambaran’ny Mpamonjy hoe hampianatra ahy ny zavatra rehetra ny Fanahy Masina ary hampahatsiaro ahy ny zava-drehetra [jereo ny Jaona 14:26]. Izany dia nanamafy hoe iza aho amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy, dia mampahatsiahy ahy ny tsy hampitaha ny tenako amin’ny hafa, ary nanome ahy fatokian-tena amin’ny anjara asako masina ny mba hahomby. … Vakio ary halalino isan’andro, isan’andro, isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. (“Hery handreseko ilay fahavalo,” Liahona, nôv. 2019, 111)

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson fa “tsy maintsy ataontsika ivo iompanan’ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna [satria] nosoratana ho an’ny androntsika izany” (“The Keystone of Our Religion,” Ensign, jan. 1992, 5). Rehefa mamaky ity teny nambaran’ny Filoha Nelson ity ianao dia eritrereto ho raisina an-tsoratra ny fomba hitahian’ny Bokin’i Môrmôna ny fiainantsika indrindra amin’izao androntsika izao.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, mijoro ho vavolombelona aho fa tena tenin’ Andriamanitra tokoa ny Bokin’i Môrmôna. Ahitana ny valin’ireo fanontaniana tena manan-danja indrindra amin’ny fiainana izany. Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy izany. Mamelabelatra sy manazava fahamarinana “tsotra sy sarobidy” [jereo ny 1 Nefia 13:29–33] maro izay very nandritra ny taonjato maro sy noho ny dikantenin’ny Baiboly isan-karazany izany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra ny fahatakarana feno sy manan-danja indrindra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita n’aiza n’aiza. … Ny hery rehetran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izay no izy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia sady manazava ireo fampianaran’ny Tompo no mampibaribary ireo teti-dratsin’ny fahavalo. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fotopampianarana marina mba handresena ireo fomba amam-panao ara-pivavahana diso, toy ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny zazakely. Ny Bokin’i Môrmôna dia manome tanjona ny fiainana amin’ny fanentanana antsika hisaintsaina ny fahafahana mahazo fiainana mandrakizay sy “fahasambarana tsy mifarana.” [Môzià 2:41; jereo koa ny Almà 28:12]. Ny Bokin’i Môrmôna dia mandrava ny finoanoam-poana fa azo tratrarina ao anatin’ny faharatsiam-panahy ny fahasambarana ary ny fahatsaran’ny tena manokana no hany ilaina mba hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra. Manafoana tanteraka ny foto-kevitra diso ilay izy fa ny fanambarana dia nifarana tamin’ny Baiboly ary ny lanitra dia mikatona amin’izao fotoana izao. (Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy? Liahona, nôv. 2017, 62.)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fitahiana azonao na azon’ny olona iray fantatrao vokatry ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna? Inona no karazana fitahiana izay antenainao hoentin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiainanao ao anatin’ireo volana ho avy?

Fizarana 2

Manamafy ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna?

Tao anaty fahitana iray dia nianatra ny mpaminany Nefia fa ny tanjona fototry ny Bokin’i Môrmôna (sy ireo soratra masina hafa ho an’ny andro farany) dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy “no Zanaky ny Ray Mandrakizay sy Mpamonjy izao tontolo izao; ary ny olona rehetra dia tsy maintsy manatona Azy, fa raha tsy izany dia tsy azo vonjena izy” (1 Nefia 13:40).

Sary
Endrik’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann

Nandritra ny fiainany i Nefia dia niasa mafy mba “handresy lahatra ny zana[ny] ary koa ny rahalahin[y] mba hinoany an’i Kristy” (2 Nefia 25:23). Tamin’ny fiafaran’ny firaketena nataony dia nanolotra fijoroana ho vavolombelona farany momba ny herin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fitondrana ny olona rehetra hanatona an’i Kristy izy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 33: 6–10, dia jereo fa i Nefia dia nanantena fa hisy fiantraikany aminao ny teniny.

Nolazain’ny Filoha Benson fa maro ireo olona manerana izao tontolo izao no mandà ny maha- Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Nanazava izy hoe:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Mametra-panontaniana mikasika ilay fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay fiainany tonga lafatra ary ilay fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatra mikasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Manolotra fanazavana feno tsara mikasika ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany. Marina tokoa fa ity boky avy amin’ny fitaomam-panahin’ Andriamanitra ity dia vato ifaharana amin’ny fijoroana ho vavolombelona amin’izao tontolo izao fa i Jesoa no Kristy. … Ny fijoroan’ [ny Bokin’i Môrmôna] ho vavolombelona momba ilay Mpampianatra dia mazava, madio tsara ary feno hery. (Enseignements des présidents de l’Église: Ezra Taft Benson [2014], 123)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Makà minitra vitsy hitsaintsainana izay nianaranao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna. Inona no azonao atao mba hahafahan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna ho lasa traikefa mifototra kokoa amin’i Kristy?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako mampiasa ity tahirin-kevitra hoenti-manomana ity amin’ny fomba mahomby mba hanatsarana ny traikefako mandritra ity fotoam-pianarana ity?

Tamin’i Jesoa Kristy niseho tamin’ireo Nefita tao amin’ny tany Soafeno dia nanome ireo olona tsirairay fahafahana hitsapa ireo ratra tamin’ny tanany sy ny tongony, ary avy eo Izy dia nampianatra ny valalabemandry ny fotopampianarany. Nanambara Izy fa ireo izay nino Azy ary niaina ireo fampianarany dia handray fitahiana lehibe eo amin’ity fiainana ity ary ho hatsangana amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 11:29–40; 15:1).

Sary
I Kristy tany an-tanin’i Soafeno, nataon’i Simon Dewey

Raha teo am-piomanana handao azy ireo ny Mpamonjy tamin’ny hariva dia nijery ny valalabemandry Izy ary nanome torohevitra manan-danja mikasika ny fomba tokony hiomanan’izy ireo amin’ny zavatra ho ampianariny ny andro manaraka.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 17:2-3 ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba hiomanana mba hianatra ny filazantsara.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Mety te hametraka tanjona sy handray an-tsoratra tanjona iray izay ezahinao ho tratrarina ianao mandritra ity fampianarana ity mba hahatongavanao ho mpandalina ny filazantsaran’ny Tompo mazoto kokoa. Eritrereto ny hanaovana drafitra izay mamaritra ny fotoana ianaranao ireo tahirin-kevitra hoenti-manomana ireo fotoam-pianarana tsirairay.

Sary
sary famantarana, fifanakalozan-kevitra

Zarao amin’ny mpampianatra anao

Raha azo atao dia alefaso amin’ny mpampianatra anao amin’ny email ny sasantsasany na ireto fampahalalana manaraka ireto. Na azonao atao ny manoratra fampahatsiahivana mba handefa izany amin’ny manaraka.

  1. Ahoana no fahatsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna?

  2. Amin’ny fomba ahoana no antenainao hitomboana rehefa manaraka ity fampianarana ity ianao?

  3. Inona ireo fanontaniana tianao ho voavaly mandritra ity fampianarana ity?