Institiota
Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo


“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo

Sary
i Lehia mitory amin’ny vahoaka

Mety efa nahita olona naneho fihetsika isan-karazany manoloana ireo hafatra nomen’ireo mpaminany ianao. Ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia naneho fihetsika isan-karazany. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo olona sy mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fihetsika tokony asetrintsika manoloana ny Tompo sy ireo hafany? Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny fomba handraisanao amim-pinoana sy fankatoavana bebe kokoa ny tenin’ny Tompo omeny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Fizarana 1

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo fampitandremana avy amin’ireo mpaminany ho fanehoana ny fitiavan’ny Tompo ahy?

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Satria tsara fanahy ny Tompo, dia niantso mpanompo izy mba hampitandrina ny olona amin’ny loza. Izany antso hoe hampitandrina izany dia mihamafy sy mihamanan-danja noho ireo fampitandremana tena lehibe izay mikasika ireo loza izay tsy mbola eritreretin’ny olona akory hoe tena misy. (“A Voice of Warning,” Ensign, nôv. 1998, 32)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 1:4, dia tadiavo hoe iza no nalefan’ny Tompo mba hampitandrina ny vahoaka tao Jerosalema ary inona no hafatra nozarain’izy ireo.

Tahaka ireo mpaminany talohany, i Lehia dia nivavaka ho an’ireo vahoaka tao Jerosalema. Avy eo dia heniky ny Fanahy izy ary nahita an’i Jesoa Kristy tao anaty fahitana. Nampiseho boky an’i Lehia ny Tompo ary nangataka azy mba hamaky izany. (Jereo ny 1 Nefia 1:5–12.)

Sary
i Lehia eny an-tampon’ny tendrombohitra
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 1:13–14, dia tadiavo ny zavatra lasa takatr’i Lehia momba ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny antony manosika antsika hanandratra feo fampitandremana dia fitiavana, fitiavana an’ Andriamanitra sy fitiavana ny hafa. Ny mampitandrina dia maneho firaharahiana. (“Ny feo fampitandremana,” Liahona, mey 2017, 109)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 1:19–20, dia tadiavo ny fomba nandraisan’ireo vahoaka tao Jerosalema ny hafatra nozarain’i Lehia.

Sary
i Lehia mitory ao Jerosalema, nataon’i Del Parson

Amin’izao androntsika izao dia niantso lehilahy 15 ny Tompo (ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo) ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fisian’ny mpaminany eto ambonin’ny tany:

Sary
Loholona Ulisses Soares

Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Mampahafantatra ireo fampanantenana sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olon’ Izy Ireo izy ireo. (“Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” Liahona, mey 2018, 99)

Nampianatra koa i Nefia fa ny Mpamonjy no ivon’ny zavatra ampianarina sy soratan’ireo mpaminany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 25:26, dia tadiavo ny antony ampianaran’ireo mpaminany momba an’i Jesoa Kristy sy hijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba Azy.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo mpaminany ny finoanao ny Mpamonjy hitombo? Inona ireo hafatra nomen’ireo mpaminany vao haingana izay nanampy anao hahatakatra kokoa ny toetoetran’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mahafantatra fa ny mpaminany velona dia misolo tena ny Tompo?

Alaivo sary an-tsaina hoe inona no mety ho tsapanao raha toa ka iray tamin’ireo zanak’i Lehia ianao rehefa niteny tamin’izy ireo Izy fa tian’ny Tompo handao ny tranony izy ireo ary ho any an-tany foana. Ahoana araka ny eritreritrao no ho fihetsika nasehonao tamin’ity hafatra ity?

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 2:11–13, 16–17, dia tadiavo ny fomba namalian’ny zanak’i Lehia azy sy ny nandraisan’izy ireo ny hafatry ny Tompo mba handao an’i Jerosalema. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nanazava ny Filoha Eyring hoe:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Tao amin’ny ankohonan’i Lehia, ireo izay nanam-pinoana sy nandray fanambarana manamafy ny zavatra voalaza ihany no sady nahita ny loza no nahita ihany koa ny fiarovana tamin’izany. Ho an’ireo tsy nanam-pinoana kosa dia tsy hadalana fotsiny ihany ny fifindrana ho any an-tany foana fa nampidi-doza ihany koa.. (“Safety in Counsel,” Ensign, jona 2008, 7)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Soraty ao anaty diarinao ny valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no azoko ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo zanak’i Lehia ka afaka hanampy ahy amin’ny fandraisako ny fampianaran’ireo mpaminany? Oviana ianao no nandray fijoroana ho vavolombelona momba ny antson’ny mpaminany na ny hafatry ny mpaminany?

Fizarana 3

Inona no azoko ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny hafatry ny Tompo nomeny tamin’ny alalan’ireo mpaminany?

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Misafidiana iray na mihoatra izany amin’ireto ohatra manaraka ny amin’ny fanomezan’ny mpaminany hafatra avy amin’ny Tompo ireto. Eo am-pandalinanao dia tadiavo ny fihetsika nasehon’ny vahoaka tamin’izany. Mitadiava fitsipika momba ny famaliana ny antso ataon’ireo mpaminany. Azonao soratana ireo fitsipika hitanao ary hoentina ao an-dakilasy.

Fony izy Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra izao manaraka izao ny Rahavavy Carol F. McConkie:

Sary
Rahavavy Carol F. McConkie

Antsika ny safidy. Afaka misafidy ny tsy hiraharaha na hanamaivana na hanambany na hanohitra ny tenin’i Kristy ambaran’ireo mpanompo voatendriny isika. Saingy nampianatra ny Mpamonjy fa ireo izay manao izany dia hoesorina tsy ho eo anivon’ny vahoakan’ny fanekempihavanany [jereo ny 3 Nefia 20:23]. …

… Enga anie isika ka hisafidy ny hiara-hijoro amin’ireo mpaminany ary hiaina araka ny tenin’izy ireo mandra-pahatonga antsika ho iray ao anatin’ny finoana, madio ao amin’i Kristy ary heniky ny fahalalana ny Zanakalahin’ Andriamanitra. (“Miaina araka ny tenin’ireo mpaminany,” Liahona, nôv. 2014, 78–79)