Institiota
Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fibebahana sy famelan-keloka


“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fibebahana sy famelan-keloka,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 10: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fibebahana sy famelan-keloka

Sary
zatovovavy misaintsaina

Tafiditra ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy ny fibebahana. Fanomezana avy Aminy izany ho an’ireo izay maniry ny hiova sy ho voadio amin’ny fahotana. Tsaroanao ve ny fahatsapana nanananao rehefa nifona tamin-kitsim-po sy nibebaka tamin’ny zavatra iray tamin’ny lasa ianao? Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsarovy fa tsy famaizana akory ny fibebahana. Fa izany no lalana feno fanantenana mankany amin’ny hoavy feno voninahitra kokoa” (“Herin’ny tena manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2013, 84). Eo am-pandalinanao ho fanomanana ny fotoam-pianarana dia saintsaino ny fomba hamelan’ny fanomezan’ny fibebahana sy famelan-keloka avy amin’ny Mpamonjy anao hianatra sy hitombo ary ho lasa tahaka Azy kokoa.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahako mibebaka marina sy mandray ny famelan’ny Tompo ny heloko?

Tsy nino ny fampianaran’i Almà rainy i Almà zanany. Niezaka mafy ny handrava ny Fiangonan’ny Mpamonjy niaraka tamin’ireo zanaky ny Mpanjaka Môzià i Almà zanany. Raha nanatanteraka izany asa ratsiny izany izy ireo dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’izy ireo ary nampitandrina an’i Almà mba hanatsahatra ny zavatra nataony fa raha tsy izany dia ho very izy (Môzià 27:16). Raha kepoka noho izany zavatra niainany izany i Amà dia tsy afaka niteny na nihetsika. Nentin’ireo zanakalahin’i Môzià ho any amin’ny rainy i Almà zanany ary nohazavain’izy ireo ny zavatra nitranga. (Jereo ny Môzià 27:8–20.)

Sary
His Father Rejoiced (Nifaly ny rainy), nataon’i Walter Rane
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny zavatra niainan’i Almà zanany ao amin’ny Môzià 27:35 sy ny Almà 36:12–13, 17–21, 24. Eo am-pamakianao dia asio marika na tanisao ireo fitsipika momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Miomàna hizara ireo fitsipika ireo ao an-dakilasy. Tsarovy fa ny zavatra niainan’i Almà dia mbola goavam-be mihoatra ny zavatra lalovan’ny maro amintsika rehefa mibebaka. Na izany aza dia mbola afaka mianatra fitsipika mahery vaika avy amin’ireo tantara ireo isika.

Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny andraikitra fototra sahanin’ny Tompo amin’ny fibebahantsika:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

I Kristy no hery ao ambadiky ny fibebahana rehetra. … Nahakasika ny fon’i Almà ny fampianaran’ny rainy, fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe ilay faminaniana tsaroany dia faminaniana iray mikasika ny “fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Almà 36:17.) Izany no anarana ary izany no hafatra tsy maintsy ho ren’ny olona rehetra. … Na inona na inona vavaka hafa ataontsika, na inona na inona filàna hafa ananantsika, dia toa miankina amin’izany fitalahoana izany avokoa izy rehetra hoe: “Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko.” Voaomana hanome izany famindram-po izany Izy. Ny fiainany mihitsy no nataony onitra mba hanomezana izany famindram-po izany. (However Long and Hard the Road [1985], 85)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Misafidiana iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto izay tianao hianarana kokoa ny mamaly azy:

  • Inona no tena dikan’izany hoe mibebaka? Efa nanao ireo dingana aho kanefa tsy mahatsapa fiovana mihitsy.

  • Ahoana no ahitako ny hery tena hiovana? Kivy aho satria tena miezaka mafy ny hanao ny tsaratsara kokoa hatrany, saingy mbola mamerina manao ireo fahadisoana foana.

  • Nahoana moa aho no mbola tokony hiezaka hibebaka? Tena ratsy loatra ny fahotako ka tsy ho azo avela heloka aho.

Saintsaino ny zavatra niainan’i Almà sy ireo tantara hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontaniana izay nosafidianao. Miomàna hizara ao an-dakilasy ireo fitsipika sy andinin-tsoratra masina izay eritreretinao fa tena afaka mamaly tsara io fanontaniana io.

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana no maha-tafiditra ao amin’ny fibebahana amin-kitsim-po ny fanolorana fo torotoro sy ny fanahy manenina amin’ny Tompo?

Niaina ny lalàn’i Mosesy ireo Nefita hatramin’ny fotoana taloha kelin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy tamin’izy ireo. Tao anatin’ny lalàn’i Mosesy, dia nandidy ny vahoakany ny Mpamonjy mba hanatitra biby atao sorona ho tandindon’ny sorompanavotana izay hataony.

Sary
Manolotra fanatitra dorana i Lehia sy ny fianakaviany
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Rehefa niresaka tamin’ireo Nefita izay tsy maty fo aman’aina tamin’ilay fandravana niseho niaraka tamin’ny fahafatesany ny Mpamonjy dia nanambara Izy fa tsy hanaiky ny fanaovana sorona biby intsony. Vakio ny 3 Nefia 9:19–20 hitadiavana ilay sorona vaovao notakin’ny Tompo tamin’ny vahoakany.

Ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny dikan’ilay andian-teny hoe “fo torotoro sy ny fanahy manenina” (3 Nefia 9:20):

Sary
Loholona Bruce D. Porter

Rehefa manota isika ka maniry famelan-keloka, ny atao hoe fo torotoro sy fanahy manenina dia mahatsapa “alahelo araka an’ Andriamanitra [izay] miasa ho amin’ny fibebahana” (2 Korintiana 7:10). Mitranga izany rehefa miredareda tokoa ny faniriantsika ho voadio amin’ny fahotana ka vonton’alahelo ny fontsika ary maniry ny hanana fiadanana amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina dia vonona hanao na inona na inona sy ny zava-drehetra takin’ Andriamanitra amin’izy ireo, tsy amim-panoherana sy tsy amin’ny lonilony. Manatsahatra ny fanaovana zavatra araka ny fombantsika isika ary mianatra ny manao azy ireo araka ny fomban’ Andriamanitra kosa. Afaka manan-kery ny Sorompanavotana ary mitranga ny fibebahana marina ao anatin’izany toetran’ny fankatoavana izany. (“A Broken Heart and a Contrite Spirit,” Liahona, Nov. 2007, 32)

Sary
zatovovavy mahatsapa alahelo noho ny fahotana
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao atao mba hanehoana ny Tompo ny faniriana avy ao am-ponao mba hanolotra ho Azy fo torotoro sy fanahy manenina?

Fizarana 3

Nahoana ny Mpamonjy no vonona aok’izany hamela ny fahotako?

Nandritra ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Môzià dia “maro tamin’ny taranaka vao misondrotra” (Môzià 26:1) no nandresy lahatra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanao fahotana goavana. Raha nisalasala ny amin’izay atao manoloana izany tranga izany i Almà rainy dia nitodika tany amin’ny Tompo mba hangataka fitarihana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 26:22, 30 hitadiavana ny zavatra nianaran’i Almà rainy momba ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka.

Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Dale G. Renlund

Afaka mamela heloka satria nanefa ny vidin’ny fahotantsika Izy [jereo ny Isaia 53:5].

Misafidy ny hamela heloka ilay Mpanavotra antsika noho ny fangorahany sy ny famindram-pony ary ny fitiavany tsy manan-tsahala.

Te hamela heloka ny Mpamonjintsika satria anisan’ny toetra amin’ny maha-Andriamanitra Azy izany.

Ary, amin’ny maha-Mpiandry ondry tsara Azy, dia feno fifaliana Izy rehefa misafidy ny hibebaka isika [jereo ny Lioka 15:4–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13]. (“Ny fibebahana: Safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 123; nampiana fanamafisana)

Nanamafy ihany koa ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Talanjona aho tamin’ny sandry misakambin’ny Mpamonjy izay feno famindram-po sy fitiavana ho an’izay nibebaka, na tahaka ny inona ny endriky ny fitiavan-tena tao anatin’ilay fahotana nafoy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia afaka mamela sy maniry ny hamela ny fahotantsika. (“Mibebaha … Mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 40)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Misy fiantraikany eo amin’ny firosoanao ho amin’ny fibebahana amin’ny fomba ahoana ny finoana sy ny fanekena hoe vonona sy afaka ary te hamela ny fahotanao sy hanaisotra ny helokao i Jesoa Kristy?