Institiota
Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy


“Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fahalavoan’i Adama sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy

Sary
Mandao ny Saha Edena, nataon’i Joseph Brickey

Ato amin’ity fizarana ity ianao dia hanana fahafahana handinika ny fomba ahazoana manatanteraka ny famonjena ireo zanaky ny Ray any An-danitra amin’ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any An-danitra. Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia saintsaino ny hoe ahoana no maha-manan-danja ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra mba hanavotana sy hanampiana anao ho lasa mitovy kokoa Aminy. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson fa “tsy misy boky hafa eto amin’izao tontolo izao izay manazava tsara io fotopampianarana manan-danja [momba ny Fahalavoana sy ny filantsika an’i Kristy] io tahaka ny Bokin’i Môrmôna” (“The Book of Mormon and the Doctrine and CovenantsEnsign, May 1987, 85).

Fizarana 1

Nahoana ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva no zava-dehibe amin’ny fivoarako?

Ilay andian-teny hoe “ny Fahalavoana” dia entina milaza ireo toe-javatra iainana eto an-tany sy ny vokatr’izany izay nianjady tamin’i Adama sy i Eva sy ireo taranany satria nihinana ilay voankazo voarara tao amin’ny Saha Edena i Adama sy i Eva. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany dia nampianatra an’i Jakôba zanany momba ny Fahalavoana sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny olombelona i Lehia. (Jereo ny 2 Nefia 2.)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 2:19–25, dia hevero ny hanisy marika ireo fahamarinana izay mampianatra antsika ny antony maha-ampahany tena ilaina ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

Sary
I Adama sy i Eva, nataon’i Douglas M. Fryer

Jereo ao amin’ny 2 Nefia 2:22 fa raha tsy nisafidy ny handika lalàna i Adama sy i Eva, dia ho “tafajanona araka ny toetra izay nananany taorian’ny nahariana azy” mandrakizay izy ireo. Ho tsy nivoatra izy ireo na ho tsy nandairan’ny aretina na ny fahafatesana. Ho nanakana ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany izany. Fony izy tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny Loholona Bruce C. Hafen hoe:

Sary
Loholona Bruce C. Hafen

Tsy antambo ny fahalavoana. Tsy hadisoana na zavatra kisendrasendra izany. Ampahan-javatra niniana hitranga tao anatin’ny drafitry ny famonjena izany. Terak’ Andriamanitra ara-panahy isika [jereo ny Asan’ny Apostoly 17:28], nalefa teto an-tany “tsy nanan-tsiny” [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:38] tamin’ny fandikan-dalàna nataon’i Adama. Na izany aza dia mahatonga antsika hiaritra fakam-panahy sy fahoriana eto amin’ity tontolo lavo ity mba ho saran’ny fahatsapana ny fifaliana marina ny drafitry ny Raintsika. Raha tsy manandrana ny mangidy isika dia tsy afaka ny hahalala marina ny mamy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39]. Mila ny fitsipi-pifehezana sy ny fanatsarana eto amin’ny fiainana an-tany isika ho “dingana manaraka atao[ntsika] amin’ny fivoara[ntsika]” mankany amin’ny fahatongavana tahaka ny Raintsika.. (“The Atonement: All for All,” Liahona, May 2004, 97)

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny sasany amin’ireo vokatry ny Fahalavoana:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ny fahafatesana ara-batana dia nitondra ny fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana, ary ny fahafatesana ara-panahy dia nitondra ny fisarahan’ny fanahy sy ny vatana tamin’ Andriamanitra. Vokatry ny Fahalavoana, ny olona rehetra teraka eto an-tany dia hianjadian’ireo karazana fahafatesana roa ireo. Saingy mila mahatsiaro isika fa ny Fahalavoana dia ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Raha tsy nisy azy io dia tsy ho nisy zanaka mety maty naterak’i Adama sy i Eva, ary tsy ho nisy fianakavian’olombelona mba hiaina ny fifanoherana sy ny fivoarana, ny safidim-pitondran-tena, ny fifaliana avy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanavotana, ary ny fiainana mandrakizay [jereo ny 2 Nefia 2:22–27; Mosesy 5:11] . (Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon (1997), 207)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Diniho ny maha ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany ny vokatry ny Fahalavoana. Ahoana no hanomezan’ny Fahalavoana anao fahafahana hivoatra ara-panahy sy hahatsapa fifaliana?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fahafahana misafidy mitahy ny fiainako?

Mifandray amin’ny fampianarany mikasika ny Fahalavoana, i Lehia dia niresaka ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana eo amin’ny safidy eo amin’ny fivoarantsika ao anatin’ny drafitry ny fanavotana. Nosinganiny fa ireto fepetra manaraka ireto dia ilaina mba hahafahana manatanteraka ny fahafahana misafidy. (Halalino ireto soratra masina miaraka amin’ny lesona ireto, dia hevero ny hanisy marika ireo teny sy andian-teny mampianatra momba ireo fepetra ao anatin’ny fahafahana misafidy ireto.)

Eritereto ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fahafahanao misafidy sy mivoatra raha tsy ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny iray amin’ireo fepetra ireo.

Niresaka momba ireo karazana safidy ataontsika eto amin’ity fiainana ity ny Filoha Thomas S. Monson:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Matetika tsy misy ora iray ao anatin’ ny indray andro izay tsy maintsy anaovantsika safidy amin’ny zavatra iray na amin’ny iray hafa. Ny sasany dia toa tsy manan-danja loatra, ny hafa dia misy vokatra maharitra. Ny sasany tsy hanova na inona na inona eo amin’ny endrika mandrakizain’ny zavatra hitranga, ary ny hafa kosa dia hanova izany tanteraka. (“Ny dingana telon’ny safidy,” Liahona, nôv. 2010, 67)

Tadidio fa ny Ray any An-danitra dia manome antsika fitarihana mba hanampy antsika hanao ny safidintsika, indrindra fa ireo izay tena manan-danja indrindra. Eritrereto ny fomba nahatongavan’izany fitarihana izany teo aminao teo aloha.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ireo safidy nataonao vao haingana. Inona no fiantraikan’ireo safidy ireo eo amin’ny fivoaranao?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mitondra fahalalahana marina ho ahy?

Rehefa avy nampianatra mikasika ny ilàna ny Fahalavoana sy ny fahafahana misafidy ao anatin’ny drafitry ny fanavotana i Lehia dia nampianatra ny zanany izy fa manome fahalalahana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra hanao safidy manan-danja maharitra mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
Mpanavotra Masina, nataon’i Simon Dewey
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 2:26–28, dia eritrereto ireo safidy azonao atao noho ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy.

Rehefa nanao fanamarihana momba ny fifandraisana misy eo amin’ny Fahalavoana sy ny fahafahana misafidy ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny Loholona Hafen dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Bruce C. Hafen

Nianatra tsy tapaka avy amin’ireo zavatra niainany izay matetika no sarotra i Adama sy i Eva. … Kanefa noho ny Sorompanavota[n’i Jesoa Kristy] dia afaka nianatra avy amin’ny zavatra niainany izy ireo kanefa tsy nomelohan’izany. Tsy hoe namafa fotsiny ny safidy nataon’izy ireo ny sorona nataon’i Kristy dia namerina azy ireo tao amin’ny Edenan’ny tsy fananan-tsiny iray. Ho tantara tsy misy fifamahofahon-javatra sy tsy ahafahan’ireo mpandray anjara hivoatra izany. Mampivoatra—fitsipika anampy fitsipika, mandeha tsikelikely, fahasoavana anampy fahasoavana ny drafiny.

Ka raha toa manana olana ianao eo amin’ny fiainanao dia aza mieritreritra hoe nisy zavatra tsy mety aminao. Tena ivon’ny tanjon’ny fiainana tanteraka ny fiezahana hamaha ireo olana ireo. Rehefa manatona an’ Andriamanitra isika dia hampiseho antsika ny fahalementsika Izy ary hahatonga antsika ho matotra sy matanjaka kokoa izy ireny [jereo ny Etera 12:27]. (“The Atonement: All for All,” Liahona, May 2004, 97)

Sary
I Adama sy i Eva: tandindona, nataon’i Walter Rane
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha nomena ny olona ny fahafahana misafidy kanefa tsy nisy ny Sorompanavota[n’i Jesoa Kristy] dia ho fanomezana niteraka ny faharinganantsika izany” (“Atonement, Agency, Accountability,” Ensign, May 1988, 71). Ahoana no namelan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy anao hianatra avy amin’ireo safidy nataonao? Inona no zavatra azonao nianarana avy amin’ny fahotana iray nataonao na fahadisoana iray nataonao?