Institiota
Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Finoana an’i Jesoa Kristy


“Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Finoana an’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
zatovo iray mihazona sarin’i Jesoa Kristy

Efa nahatsapa faniriana mafy ny hivoatra sy hiova ve ianao mba hahafahanao ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa? Rahalahy Brian K. Ashton, Mpanolotsara Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe: “Ny fotopampianaran’i Kristy no mamela antsika hahazo ny hery ara-panahy izay mampisandratra antsika avy amin’ny toetra ara-panahy misy antsika ankehitriny ho amin’ny toetra izay ahafahantsika hatao tanteraka tahaka ny Mpamonjy” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, nôv. 2016, 106). Ny fotopampianaran’i Kristy dia miresaka ny fananana finoana Azy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany (jereo ny 2 Nefia 31:2, 10–21; 3 Nefia 27:13–22). Eo am-pandalinanao ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, manomboka amin’ny finoana Azy, dia eritrereto ireo fomba tianao hiovana sy ny karazan’olona tianao hahatongavana.

Fizarana 1

Inona no azoko atao mba hampatanjahako ny finoako an’i Jesoa Kristy?

Ity famintinana manaraka ity dia manazava ny dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy:

Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka—fahatokiana ny heriny, ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny finoana ny fampianarany. Izany dia midika hoe, mino fa na dia tsy takatrao aza ny zava-drehetra dia takany izany. … Vonona hatrany Izy hanampy antsika rehefa mahatsiaro ity fiangaviany ity isika hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). (“Faith in Jesus Christ,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org)

Ny Eveka Richard C. Edgley, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Episkôpà Mpiahy, dia nilaza fa “ny finoana dia safidy, ary tsy maintsy katsahana sy ampitomboina izany” (“Finoana—anao ny safidy,” Liahona, nôv. 2010, 32).

Nampianatra tamin-kery momba ny fitsipiky ny finoana ny mpaminany Almà. Nanahy i Almà ny amin’ireo Zôramita izay nitsahatra tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary niala tao amin’ny Fiangonany. Rehefa nandeha nitory teo anivon’izy ireo i Almà sy ireo misiônera mpiara-mitory taminy dia hitany fa nanetry tena ny sasany tamin’ireo Zôramita noho ny fahantran’izy ireo ary nandray ny hafany. Tiany ho takatr’izy ireo ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manova ny fiainan’izy ireo. (Jereo ny Almà 31–32.)

Nandritra ny nampianarany ny Zôramita dia nampitaha ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny voa i Almà ary nanazava fa haniry izany rehefa volentsika ao am-pontsika sy kolokolointsika tsara amin’ny alalan’ny fampiharana finoana (jereo ny Almà 32:26–33).

Sary
voa manomboka mitsimoka
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eo am-pamakianao ny Almà 32:27–30, dia hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ny fomba ahafahantsika mampitombo ny finoantsika.

Raha nanao fanamarihana momba ny sarin-teny nampiasain’i Almà momba ny voa izay maneho ny tenin’ Andriamanitra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Matetika isika dia mandray ny filazantsara toy ny mpamboly iray izay mamafy voa eo amin’ny tany ny maraina ary manantena hioty katsaka ny tolakandro. …

Tsy ampy ny fahafantarana fa tsara ilay voa. Tokony “hofahanantsika amin’ny fanolokoloana be izy mba hahazoany miorim-paka” [Almà 32:37]. …

… Ny maha-mpianatra dia tsy toy ny fanatanjahan-tena izay jerena fotsiny. Tsy afaka ny hanantena hiaina ireo fitahiana avy amin’ny finoana isika eo am-pitazanana fotsiny eo an-jorom-bala mitovy amin’ny hoe tsy afaka handray ny tombontsoa feno ara-pahasalamana raha toa ka mipetraka fotsiny eo ambony seza mijery hetsika ara-panatanjahan-tena amin’ny fahitalavitra dia manome torohevitra ireo mpanao fanatanjahan-tena.. (“Ny lalana hanehoana ny maha-mpianatra,” Liahona, mey 2009, 76, 77)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no torohevitra mety homenao ny olona iray izay kivy satria nanao asa tamim-pinoana izy saingy tsy mbola nisitraka ireo vokatry ny finoana?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny famahanana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mitondra ahy ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Nampianatra i Almà fa rehefa mitsimoka ilay voa ary manomboka mitombo dia ho fantatsika fa tsara ilay voa ary hatanjahana ny finoantsika. Aorian’io fitomboana voalohany io dia nampitandrina i Almà hoe tsy tokony “havelanareo ny … finoanareo” ka tsy hiraharaha ny fikolokoloana ilay hazo (jereo ny Almà 32:30–38).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 32:41–43, dia tadiavo ireo fitahiana izay tonga rehefa mamahana ilay hazo amin’ny finoana maharitra sy mandritra ny androm-piainana isika.

Sary
olona mihazona ny voan’ny hazon’aina

Rehefa avy nampianatra momba ny finoana tamin’ny Zôramita i Almà dia nohazavainy fa ilay voa tiany hovolen’izy ireo tao am-pony dia ilay hafatra hoe i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra, izay “hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ny maty Izy” (Almà 33:22–23). Nanoratra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ao amin’io lahateny feno hakingan-tsaina io dia entin’i Almà miainga avy amin’ny fanamarihana ankapobeny momba ny finoana ny tenin’ Andriamanitra izay nampitoviana tamin’ny voa ny mpamaky ary mankany amin’ny lahateny mifantoka amin’ny finoana an’i Kristy izay ny Tenin’ Andriamanitra, mitombo ka lasa hazo mamoa, hazo iray izay manana voa mitovy tanteraka amin’ilay fomba fahitan’i Lehia ny fitiavan’i Kristy. … I Kristy no ilay voa, ilay hazo, ary ilay voan’ny fiainana mandrakizay. (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 169)

Sary
Jesoa Kristy
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fiantraikan’ny fanaovana asa am-pinoana sy ny fambolena an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany tao am-ponao tamin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fiovam-ponao?

Fizarana 3

Ahoana avy no fomba mety hitahiana ahy rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aho?

Rehefa namarana ny asany tamin’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia dia nampidiriny tao ny toriteny iray izay nataon’i Môrmôna rainy taona maro tany aloha tany (jereo ny Môrônia 7:1). Nampianarin’i Môrmôna tao anatin’io toriteny io ny zavatra azo tontosaina amin’ny alalan’ny herin’ny finoana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrônia 7:25–26, 33, dia eritrereto ireo fitahiana sy fahagagana azontsika iainana rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika.

Nampianarin’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba ahafahan’ny finoantsika mitondra hery lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika:

Sary
Loholona Richard G. Scott

Ny fananana finoana tsy voahozongozona an’i Jesoa Kristy dia famenoana ny fiainanao amin’ny fahazavan’i Kristy. Tsy irery intsony ianao amin’ny fiadiana amin’ireo olana izay fantatrao fa tsy hainao vahana na fehezina samirery, satria hoy Izy hoe: “Raha manam-pinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko” [Môrônia 7:33; nampiana sora-mandry].

Raha ketraka ianao, torotoron’ny fandikan-dalàna, marary, irery, na mila mafy fankaherezana sy fanampiana, dia mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba miezinezina aho fa hanampy anao ny Tompo rehefa mankatò tsara ny lalàna ara-panahy ifotoran’izany fanampiana izany ianao. Izy no Raintsika. Zanany ianao. Tia anao Izy. Tsy hamela anao irery Izy. Fantatro fa hitahy anao Izy.. (“Obtaining Help from the Lord,” Ensign, Nov. 1991, 86)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Mitadiava olona iray na roa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay naneho finoana an’i Jesoa Kristy, dia soraty ny fomba nitahiana azy ireo. Miomàna hizara ny ohatra hitanao mandritra ny fotoam-pianarana. Mety hieritreritra ireo fomba nahatsapanao ny herin’ny Tompo koa ianao rehefa nampihatra finoana Azy.