Institiota
Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana


“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana

Sary
zatovovavy mamaky ny soratra masina

Nampanantena i Jesoa Kristy hoe: “Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana” (3 Nefia 14:8). Hoy ny Filoha Russell M. Nelson mahakasika io fampanantenana io hoe: “Izany tolotra tsy tontan’ny ela mba hanomezana fanambarana ho an’ny tena manokana izany dia omena ny zanany rehetra. Toa tsara loatra izany ka tsy mampino. Kanefa dia marina izany!” (“Mangataha, mitadiava, dondony,” Liahona, nôv. 2009, 81). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia saintsaino ny fahombiazan’ireo vavaka ataonao sy ny zavatra azonao atao hampitomboana ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana.

Fizarana 1

Inona no azoko atao mba hahatonga ny vavaka ho ampahan-javatra manan-danja eo amin’ny fiainako?

Rehefa nitarika andiana misiônera i Almà sy i Amioleka mba hamerenana ireo Zôramita nihemotra hino ny filazantsara dia talanjona izy ireo rehefa nahita ny fomba nitsaohan’ireo Zôramita sy nivavahany tao amin’ny sinagogany. Nijoro teo an-tampon’ny velarana marin-tampona iray nantsoin’izy ireo hoe Rameomtôma ny olona tsirairay sady nifandimby nanonona vavaka iray efa voasoratra, ary nanambara fa tsy hisy Kristy ary nofinidin’Andriamanitra izy ireo mba ho voavonjy. Rehefa tapitra ilay fotoam-pivavahana dia nody ireo Zôramita, “tsy niresaka na oviana na oviana indray ny momba an’ Andriamaniny” mandra-piverenan’izy ireo ny herinandro manaraka. (Jereo ny Almà 31:12–24.) Taty aoriana dia afaka nampianatra ny filazantsara tamin’ny andiana Zôramita nanetry tena i Almà sy i Amioleka, ka tafiditra tao anatin’izany ny tena lanjan’ny vavaka sy ny tanjon’izany (jereo ny Almà 32–34).

Sary
Zôramita mivavaka eo amin’ny Rameomtôma
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 34:17–28, dia fantaro ireo fitsipika nampianarin’i Amioleka an’ireo Zôramita momba ny vavaka.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Misafidiana andininy iray na roa avy ao amin’ny Almà 34:17–28, dia avereno soratana ilay na ireo andininy, toy ireny hoe miresaka amin’ny fiteny mahazatra ankehitriny ireny amin’ny olona mitovy taona aminao i Amioleka. Ohatra hoe eritrereto ilay torohevitra mba hivavaka “ho an’ny biby fiompy eny an-tsahanareo” (andininy 25), dia ampiharo amin’ny toe-javatra iainantsika ankehitriny izany hevitra izany. Mivonòna hizara ao an-dakilasy ireo andinin-tsoratra masina namboarinao. Eritrereto ny fomba azonao hampiharana ny fampianaran’i Amioleka mba ho avy amin’ny fo kokoa sy hihabetsaka kokoa ny vavaka ataonao.

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hahazoako fanambarana ho an’ny tena manokana?

Noraketin’i Nefia any ho any amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna any ny faniriany hahatakatra sy hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny nofin’ny rainy mikasika ny hazon’aina sy ireo fampianarany hafa (jereo ny 1 Nefia 10:17).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 10:17–19, dia tadiavo ny zavatra azontsika ianarana avy amin’i Nefia mikasika ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. (Fanamarihana: “Ny misterin’Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’Andriamanitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org].) Ohatra hoe misy misterin’Andriamanitra nambara tamintsika rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina isika fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
I Nefia mivavaka

Raha mbola nisaintsaina ny fampianaran’i Lehia i Nefia dia “nentina tao amin’ny Fanahin’ny Tompo” izy ary nahita fahitana ho azy manokana (1 Nefia 11:1). Tao anatin’io fahitana io i Nefia dia nahazo fahalalana fanampiny momba ny nofin’ny rainy mikasika ny hazon’aina, ny fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany, ny hoavin’ireo taranany, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 11–14).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no zavatra nitokian’i Nefia sy ninoany momba an’Andriamanitra ka nampitombo ny fahafahany nandray fanambarana ho an’ny tena manokana?

Taorian’io traikefa nahazoana fanambarana io dia niverina tany amin’ny trano lain’ny rainy i Nefia ary nahita ireo rahalahiny “niady hevitra … ny momba ny zavatra izay efa [nolazain’i Lehia] azy ireo.” (1 Nefia 15:2).

Sary
Ireo rahalahin’i Nefia miady hevitra
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 15:3–4, 8–11, dia eritrereto ny antony nahatonga an’i Lamàna sy i Lemoela sahirana nanakatra ny fampianaran’i Lehia.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fanontaniana napetrakao tamin’ny Tompo, dia inona no traikefa azonao? Misy olana ve na fanontaniana azonao nanadinana ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka saingy tsy nataonao? Raha eny dia inona no manakana anao tsy hitondra izany am-bavaka?

Hitantsika aty aoriandriana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny mikasika ny mpahay lalàna iray nantsoina hoe Zezrôma izay niezaka nanimba ny fampianaran’i Almà sy i Amioleka. Rehefa tratran’i Amioleka tamin’ny laingany i Zezrôma dia lasa nanetry tena i Zezrôma ka nanomboka nametraka fanontaniana tena avy amin’ny fo momba ny filazantsara tamin’i Almà. Nampianarin’i Almà an’i Zezrôma fa ny misterin’Andriamanitra, na ny fanambarana, dia tsy omena afa-tsy an’ireo izay manetry tena sy mahatoky ihany. (Jereo ny Almà 11:21–13:31.)

Sary
Mitory amin’ny vahoaka iray i Almà
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 12:9–10, dia eritrereto hoe mety hampitombo na hampihena ny fahafahanao mandray fanambarana amin’ny fomba ahoana ny fomba fihetsikao sy ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao.

Toy izao no nampianarin’ny Filoha Nelson raha niresaka mikasika ny zavatra azontsika atao hampitomboana ny fahafahantsika mandray fanambarana:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana sy fampiononana.

Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa Kristy momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia “hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana” [Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 132]. …

Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna [jereo ny 2 Nefia 32:3], ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy asa momba ny tantaram-pianakaviana. …

… Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95, 96)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no nataonao tany aloha ka nanampy anao indrindra mba handray fanambarana? Inona avy ireo dingana fanampiny azonao atao mba hampitomboana ny fahafahanao mandray fanambarana?