Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy


“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa mampianatra any amin’ny Ila-Bolantany Andrefana (Mitsidika an’i Amerika i Jesoa Kristy), nataon’i John Scott

Ity fizarana ity dia hifantoka amin’ny fanehoan’i Jesoa Kristy ny tenany sy ny asa fanompoany teo anivon’ny “vahoakan’i Nefia” (3 Nefia 11:1). Io vondron’olona io dia nahitana Nefita sy Lamanita marina izay niova fo ho an’ny Tompo (jereo ny 3 Nefia 10:18–19). Rehefa misaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo niaraka tamin’ny Mpamonjy ianao dia katsaho ny hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana ny amin’ny momba Azy, sy ny toetrany ary ny iraka masina notanterahiny.

Lafiny iray andrasana fatratra amin’ny iraka masin’ny Tompo ny Fiaviany Fanindroany. Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra fa “mahita lamina iray amin’ny fiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 150). Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana ianao hiheverana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ireo faminaniana sy ireo zava-nitranga izay nialoha ny fisehoan’ny Mpamonjy teo amin’io vahoaka io manampy anao hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Fizarana 1

Manao ahoana ny fahavononako amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany?

Taranaka maro no nifandimby raha nilaza mialoha ny fiavian’i Jesoa Kristy ety an-tany ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Enin-taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy tany akaikin’i Jerosalema dia nirahin’ny Tompo i Samoela ilay Lamanita hanomana ireo Nefita ratsy fanahy ho amin’ny fiavian’i Kristy. Naminany momba ny famantarana sy fahagagana maro izay hiaraka amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany i Samoela. (Jereo ny Helamàna 13–15.)

Sary
Naminany i Samoela, nataon’i Walter Rane
Sary
sary famantarana ny fandalinana

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Helamàna 14:6–13, dia hevero ny fomba nikendrena ny hafatr’i Samoela mba hanomanana ny Nefita ho amin’ny fiavian’ny Tompo.

Ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny mpaminany dia afaka manampy antsika hiomana amin’ny fiavian’ny Tompo:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Talohan’io alina masina tany Betlehema io, ireo zava-nitranga tamin’ny tantara sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny fotoampitantanana rehetra dia nanomana ny lalana ho amin’ny fiavian’ny Tompo voalohany sy ny Sorompanavotany. … Manana maso mahita ve isika fa ny zava-mitranga sy ny faminaniana amin’izao androntsika izao dia manomana antsika amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? (“Preparations for the Restoration and the Second Coming: ‘My Hand Shall Be over Thee,’Ensign na Liahona, nôv. 2005, 92)

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson
Sary
sary famantarana ny fandalinana

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Makà minitra vitsy handalinana ny “Famantaran’ireo Fotoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (jereo ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org), ka tadiavo izay nambaran’ny mpaminany ao amin’ny soratra masina ho famantarana ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Ho hitanao fa ny sasany amin’ireo faminaniana ireo dia mety hahatonga ny olona hiahiahy na hatahotra. Na izany aza, ireo famantarana ara-paminaniana ireo dia mampiseho ihany koa ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fampianarana na famantarana ara-paminaniana momba ny Fiaviana Fanindroany izay mitaona anao hiomana tsara kokoa amin’ny fiverenan’ny Tompo? Inona avy ireo fanovana tokony hataonao mba hahatsapanao fa vonona kokoa amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy ianao?

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hijanonana ho mahatoky rehefa maheno hafatra izay mametraka fisalasalana ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny maha-marina ny Fiaviany Fanindroany aho?

Nino ny tenin’i Samoela ny Nefita sasany. Ny sasany kosa nandà ny hafatr’i Samoela ary nitady ny hamono azy tamin’ny vato sy zana-tsipìka. Satria tsy nahavoa azy izy ireo dia nisy maro hafa nino ny hafany ary nankany amin’i Nefia mba hatao batisa. Taty aoriana, rehefa nanomboka tanteraka ireo famantarana sy fahagagana mifandray amin’ny fahaterahan’i Kristy, dia niaina fifaliana ny mpino ary nanamafy ny fony ny tsy mpino. (Jereo ny Helamàna 16:1–15.)

Sary
I Samoela ilay Lamanita mitsangana eo ambonin’ny manda (naminany i Samoela ilay Lamanita), nataon’i Arnold Friberg
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Helamàna 16:13–23 dia hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay milazalaza ny fomba nataon’ireo tsy mpino mba hampisy fisalasalana amin’ireo famantarana ny fahaterahan’i Kristy.

Raha niresaka momba ny feon’ny fisalasalana, ny Filoha Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, dia nilaza hoe:

Sary
Ny Filoha Bonnie L. Oscarson

Mila manohy mivoky [amin’ny voan’ny hazon’aina] isika ary tsy mihaino ireo izay maneso ny finoantsika na ireo mifaly mamorona fisalasalana na ireo izay mahita zavatra tsy mety eo amin’ireo mpitarika sy ny fotopampianarana ao amin’ny Fiangonana. Safidy ataontsika isan’andro—ny misafidy ny finoana manoloana ny fisalasalana.. (“Mino ve aho?Liahona, mey 2016, 89)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona ireo hafatra henonao izay natao hiteraka fisalasalana momba an’i Jesoa Kristy, na ireo mpitarika voafidiny, na ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny?

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eo am-pieritreretanao momba ireo hafatra natao hampisalasala renao dia vakio ny 3 Nefia 1:4–15, 22 ary tadiavo ny fomba nijanonan’ireo mpino sasany ho mafy orina na dia naneso ny finoany aza ireo tsy mpino.

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fijanonana ho mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoantsika an’i Kristy:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Ny fikirizana ho mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy dia mitaky ny filentehan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona iray sy ao anatin’ny fanahiny. Izany dia midika fa ny filazantsara dia tsy lasa iray amin’ireo zavatra maro mitarika eo amin’ny fiainan’ny olona iray fotsiny fa fototra ijoroan’ny fiainany sy ny toetrany. …

Tsarovy foana ilay fampanantenana ireo zavatra tsara ho avy amin’izao fotoana izao sy any aoriana ho an’ireo izay mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy. (“Mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy,” Liahona, nôv. 2018, 31, 33)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao atao mba hijanonana ho miorim-paka amin’ny finoanao an’i Kristy eo am-piomananao amin’ny fiverenany?