Institiota
Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana


“Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Sary
tanora mandeha an-tongotra

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Izao no lazaiko amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza” (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 4). Eo am-panohizanao mandalina ny fotopampianaran’i Kristy dia diniho hoe manampy anao hitovy kokoa amin’ny Rainao any An-danitra amin’ny fomba ahoana ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany.

Fizarana 1

Ahoana no ahafahan’ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa mitahy ahy sy ireo olona rehetra mifandray amiko?

Naniraka ny mpaminany Abinadia ny Tompo ho any amin’ny Mpanjaka Noà sy ny vahoakany mba hampitandrina azy ireo fa raha tsy mibebaka izy ireo dia ho lasa babo eo an-tanan’ny fahavalony. Tsy nandray ny hafatr’i Abinadia ny Mpanjaka Noà fa nanome baiko ny hamonoana azy. I Almà, izay isan’ireo mpisoron’i Noà, dia nirakitra an-tsoratra ary avy eo dia nampianatra mangingina ny tenin’i Abinadia teo anivon’ny olona. Rehefa nitombo ny isan’ireo vondron’ny mpino notarihin’i Almà, dia nivory teo amin’ny Ranon’i Môrmôna izy ireo ka niditra tao amin’ny fanekempihavanan’ny batisa.

Sary
Manao batisa ao amin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 18:8–10, dia tadiavo hoe mampanantena ny hanao inona sy ho tonga toy ny ahoana isika rehefa atao batisa. Jereo ihany koa ny zavatra ampianarin’i Almà fa ho ataon’ny Tompo ao anatin’ny fanekempihavanana nataony.

Raha nanao fanamarihana mikasika ny fampanantenana ataontsika mba hiara-malahelo amin’ny hafa sy hampahery azy ireo ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Loholona Dale G. Renlund

Ato amin’ny Fiangonana, mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo amin’ny fijerin’ny ray aman-dreny isika, amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra. Amin’izay ihany isika vao afaka manomboka mahatakatra ny tena hasarobidin’ny olona iray. Amin’izay ihany isika vao afaka mahatsapa ny fitiavana izay ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany rehetra. Amin’izany ihany isika vao afaka mahatsapa ny fanirian’ny Mpamonjy hikarakara azy ireny. Tsy afaka ny hotanterahintsika feno ilay fanekempihavanana nataontsika mba hiara-malahelo amin’izay malahelo sy hampionona ireo izay mila fampiononana raha tsy mijery azy ireny amin’ny fijerin’ Andriamanitra isika. [Jereo ny Môzià 18:8–10.] Izany fomba fijery mivelatra izany dia hanokatra ny fontsika amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny tahotra ary ny ratram-pon’ny hafa. (“Amin’ny fijerin’Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 94)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ireo santionany amin’ny olona tsikaritrao fa manaja ny fanekempihavanany tamin’ny batisa. Inona no ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy tonga ao an-tsainao izay nanehoany ny fomba hanajana ny fanekempihavanan’ny batisa? Mivonòna hizara ao an-dakilasy ireo ohatra hitanao.

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fanomezana ny Fanahy Masina manova ny fiainako?

Mampianatra i Nefia ao amin’ireo asasorany mahakasika ny fotopampianaran’i Kristy fa ireo izay manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy sy atao batisa dia homena ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 31:12).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 31:13, 17, dia tadiavo ny fomba ahafahan’ny fanomezana ny Fanahy Masina manamasina ny fiainanao.

Sary
tanora iray raisina ho mpikambana

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fitenenana amin’ny fitenin’ny anjely:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Nanazava i Nefia fa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny anjely, ary afaka miteny amin’ny fitenin’ny anjely ianao, izay midika fotsiny hoe afaka miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ianao. Ho tony izany. … Fa hiasa ao ilay hery.. (“The Gift of the Holy Ghost: What Every Member Should Know,” Ensign, Aug. 2006, 49–50)

Ary ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny batisan’ny afo.

Ataovy ny iray amin’ireto asa atao ireto na izy roa:

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no hanazavanao ny batisan’ny afo sy ny fitenenana amin’ny fitenin’ny anjely amin’ny olona iray izay miomana ho amin’ny batisa? Ahoana avy no niainanao ireo fitahian’ny Fanahy Masina?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako manana fanantenana sy fifaliana lehibe kokoa eo am-piezahako maharitra hatramin’ny Farany?

Ankoatra ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia nampianatra i Nefia fa fitsipika manan-danja ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy ny faharetana hatramin’ny farany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 31:15–16, 19–21, dia tadiavo ny dikan’izany hoe maharitra hatramin’ny farany izany.

Jereo na vakio ity hafatra avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, dia diniho ny fomba ahafahanao maharitra hatramin’ny farany amin’ny fifaliana lehibe kokoa.

Sary
Loholona Dieter F. Uchtdorf

Ny faharetana hatramin’ny farany, na ny fijanonana ho mahatoky amin’ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainantsika dia zavatra fototra takina hahazoana famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Io finoana io no mampiavaka ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ireo antokom-pivavahana Kristianina maro hafa izay mampianatra fa ny famonjena dia omena ireo rehetra izay mino sy manaiky fotsiny fa i Jesoa no ilay Kristy. Nanambara mazava tsara ny Tompo hoe: “Raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.” (F&F 14:7).

Noho izany, ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy resaka famelana ny zava-tsarotra amin’ny fiainana handalo fotsiny na resaka “fiaretana tsara eo” fotsiny. Fivavahana manao zavatra ny antsika, manampy ireo zanak’ Andriamanitra eo amin’ilay lalana ety sy tery mba hampivelatra ny zavatra ny mety ho vitan’izy ireo mandritra ity fiainana ity ka hiverina any Aminy indray andro any.

Raha jerena amin’io fomba fijery io ny faharetana hatramin’ny farany dia mampisandratra sy be voninahitra, fa tsy hoe mahakivy sy mahaketraka. Ity dia fivavahana feno hafaliana, manome fanantenana, hery ary fanafahana.. (“Have We Not Reason to Rejoice?Liahona, Nov. 2007, 20)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Mitadiava ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy, na avy amin’ny olona iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na avy amin’ny olona iray fantatrao, izay milaza ny dikan’izany hoe maharitra hatramin’ny farany izany. Raketo an-tsoratra ny fomba nampitomboan’izany ohatra izany ny fahatakaranao ny dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany.