Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy


“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 18, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Sary
zatovovavy mijery ny lanitra

Nandritra ny asa fanompoana nataony tamin’ny Nefita sy ny Lamanita dia nanontany an’ireo mpianany roa ambin’ny folo i Jesoa hoe: ”Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” (3 Nefia 27:27). Raha mametraka io fanontaniana io aminao ny Tompo dia inona no havalinao? Ahoana no ahafahanao mahatratra feno ilay olona tokony hahatongavanao? Rehefa miomana amin’ny fotoam-pianarana ianao dia hevero ny fomba ahafahan’ny fampianaran’ny Mpamonjy manampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo. Misafidiana zavatra manokana azonao atao mba hahatonga anao hitovy bebe kokoa Aminy.

Fizarana 1

Tena afaka ny ho lasa tanteraka tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tokoa ve aho?

Vakìntsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny momba ny nanaovan’i Jesoa ilay Toriteny teo an-tendrombohitra, izay ahitana fampianarana hanampy ireo mpianany ho lasa tanteraka amin’ny farany (jereo ny Matio 5–7). Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niseho tany amin’ny tanin’i Soafeno i Jesoa ary nanao toriteny nitovitovy tamin’izany (jereo ny 3 Nefia 12–14).

Teny am-panombohan’ny hafany tamin’ny vahoaka dia nijoro ho vavolombelona i Jesoa fa hotahiana ireo izay “mampandry sofina amin’ny tenin’” ireo mpianatra roa ambin’ny folo izay nosafidiny (3 Nefia 12:1). Nampianatra ny Fahasambarana Izy, nanambara fa nahatanteraka ny lalàn’i Mosesy, ary nanolotra ny lalàna ambony kokoan’ny filazantsara.

Sary
Ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany amin’ireo vahoaka tany Amerika, nataon’i Glen S. Hopkinson
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 12:19–20, 46–48, ka tadiavo hoe afaka ny ho tonga olona tahaka ny ahoana isika rehefa manatona an’i Kristy ary miezaka miaina ny lalàny ambony kokoa.

Mety hahatsapa ho sahiran-tsaina na difotra amin’ny didin’ny Mpamonjy mba ho tanteraka ny olona sasany. Mety hanampy ny fahalalana fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe tanteraka dia mety hidika hoe “feno ary mivelatra tanteraka; marina tsy misy tomika” ary “ireo tena mpanara-dia an’i Kristy dia afaka ny ho tonga tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny Sorompanavotany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tanteraka,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môrônia 10:32–33, dia tadiavo hoe ahoana no itakian’ny fahatanterahana ny ezaka ataontsika sy ny fahasoavan’ny Tompo.

Sary
Nesorina ny enta-mavesatra, nataon’i Anne Marie Oborn

Ny fomba iray hamaritana ny fahasoavana dia izao: “Ny teny hoe fahasoavana, araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia manondro indrindra ny hery mampatanjaka sy manasitrana ara-panahy natolotra tamin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy. … Mba handraisana io hery mampatanjaka io dia tsy maintsy mankatò ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. … Nampanantena ny Tompo fa raha manetry tena eo anatrehany isika ary mino Azy dia hanampy antsika handresy ny fahalementsika manokana rehetra ny fahasoavany (jereo ny Etera 12:27)” (“Grace,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Ny hany fanantenantsika ho an’ny fahalavorariana tanteraka dia amin’ny fandraisana izany ho toy ny fanomezana avy any an-danitra, ary tsy ho “azontsika samirery” izany. Noho izany, ilay fahasoavana manonitra avy amin’i Kristy dia tsy manolotra famonjena antsika amin’ny alahelo sy ny fahotana ary ny fahafatesana fotsiny ihany fa manolotra famonjena antsika amin’ny fitsikerantsika tena tsy mety afaka. …

… Raha maharitra isika dia ho vita sy tontosa any amin’ny mandrakizay any ny fanadiovana antsika. …

… Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’izao ora izao sy amin’ny ora rehetra, miaraka amin’ny tanany misy holatra, dia manolotra izany fahasoavana izany amintsika Izy, tsy kivy amintsika ary mankahery antsika, tsy handao antsika raha tsy tonga soa aman-tsara any amin’ilay fonenantsika eo an-tsandrin’ny Ray aman-dReny any An-danitra isika. (“Aoka ho tanteraka ianareo amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 41, 42)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Midika inona aminao ny fahalalana fa manolotra ny fahasoavany aminao ary nanomana fomba iray hahatonga anao ho tonga tahaka Azy sy ny Rainy i Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hahatonga ahy hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy?

Rehefa nanohy nampianatra ny Nefita i Jesoa dia nizara fitsipika lalina mikasika ny fomba iainana mifanaraka amin’ny lalàna ambony kokoan’ny filazantsarany. Ny Filoha Harold B. Lee dia niteny hoe:

Sary
Ny Filoha Harold B. Lee

Tsy ny hanao sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny zanak’olombelona fotsiny ihany no nahatongavan’i Kristy teto amin’izao tontolo izao fa ny hanome ohatra ho an’izao tontolo izao amin’ny fenitry ny fahatanterahana ao amin’ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Ray. Nanome antsika karazana fanambarana momba ny toetrany manokana, izay tonga lafatra, ny Mpampianatra tao anatin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, … ka rehefa nanao izany Izy dia nanome antsika ny lamina arahina eo amin’ny fiainantsika manokana.. (Decisions for Successful Living [1973], 55–56)

Sary
I Jesoa Kristy, nataon’i Harry Anderson
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ny fiezahana miaina mifanaraka amin’ireo fampianarana ireo dia hanampy antsika tsirairay ho tonga tanteraka toy ny Mpamonjy amin’ny farany. Avereno jerena vetivety ity lisitry ny lohahevitra resahina ao amin’ny 3 Nefia 12–14 manaraka ity, ary fantaro ny sehatra iray na roa tianao hifantohana.

Rehefa avy nifantina ny lohahevitrao iray na maromaro ianao dia halalino na saintsaino tsara ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany. Mba hampitomboana ny fahatakaranao ilay lohahevitra dia hevero ny hitady ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’ireo andininy halalininao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Mitadiava fitsipika iray na maromaro ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina iray na maromaro vakinao ka afaka manampy anao ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa. Raketo an-tsoratra ny fahatsapanao rehefa misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Ahoana no mety hanampian’ny fiainana ny fitsipika ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity ahy ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Jesoa Kristy ho ohatra tamin’io fitsipika io?

  • Ahoana no nitahian’io fitsipika io ny fiainako na ny fiainan’ny hafa?

  • Inona no azoko atao mba hampiharako tsara kokoa io fitsipika io eo amin’ny fiainako?