Hira
Ny hendry sy ny adala


132

Ny hendry sy ny adala

Falifaly sy mientanentana

1. Ny hendry dia mailo, tsy manao kitoatoa.

Nanorina trano mafy orina tokoa.

Ambony vatolampy ‘zay tsy mba mety lo,

raha misy ranonorana.

2. Nilatsaka ary tsy nijanona,

nitondra riaka ny ranonorana.

Satria tsara fototra ilay trano teo,

dia tsy rava ry zareo.

3. Ny adala dia zatra manao kitoatoa.

Nanorina trano ‘zay malemy tokoa.

Ambonin’ny fasika izay mora lo,

raha misy ranonorana.

4. Nilatsaka ary tsy nijanona,

nitondra riaka ny ranonorana.

Satria ratsy fototra ilay trano teo,

ka dia rava ry zareo.

Fihetsika:
Vatolampy Akapohy mafy eo amin’ny felatananao havia ny totohondrinao.
Ranonorana Ampidino tsimoramora avy eny ambony ny tanana.
Riaka Atsangano ambony ny tanana ary avelaro ny felatanana.
Fasika Ahetsiketseho ny rantsantanana ary ataovy mandroso sy miverina manoloana ny vatana ny sandry.
Rava Ahetsiketseho ny rantsantanana ary ahinjiro lavitra ny vatana ny sandry.

Tonony sy feony: Vakodrazana avy any atsimon’i Etazonia

Matio 7:24–27

Helamàna 5:12