Hira
Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany


140

Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany

Amim-pahatsorana

1. Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany,

‘reo olon-tiako sy ianao koa dia teo tam(in’)izany.

Naneho ny drafitra mba ho antsika ny Ray,

‘zay hahazoantsika famonjena mandrakizay.

2. “Iza no halefako hanolotra ny ainy” hoy ny Ray

mba hiverenan’ny rehetra any Aminy indray.

Nisy ankiray te hampitombo ny fahefany.

Fa hoy i Jesoa: “Voninahitra ho anao irery ihany”.

3. Jesoa no voatendry ary Izy no Ilay Mesia

tonga nandresy ny ratsy rehetra tety.

Ny fahafatesana resy ka fiainam-baovao

no miandry antsika any amin’ny Ray ao ambony ao.

Tonony sy feony: Janeen Jacobs Brady, ter. 1934.

© 1987 nataon’i Janeen Jacobs Brady. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokantrano na ao am-piangonana ka tsy atao itadiavam-bola.

Fotopampianarna sy Fanekempihavanana 138:56