Hira
Vavaky ny ankizy


6

Vavaky ny ankizy

Amim-panajana

Hirao tsirairay ireo feo samihafa, avy eo ampiarahana.

1. Ray any An-danitra ô! Moa ve ao Ianao,

ka mety handre ‘reo ankizy ‘zay mitalaho?

Lavitra hono ny misy Anao,

nefa toa reko Ianao raha mivavaka aho.

Ray any An-danitra ô! Toa tsaroako izao

fa i Jesoa dia nampianatra toy izao:

“Avelao ny zaza hanatona Ahy.”

Inty aho fa manatona Anao Ray.

2. Eny, mivavaha,

fa mihaino anao Izy.

Zanany ianao,

arovany koa.

Tiany tokoa

‘reo zazakely,

fa an’ny toa azy ‘reo ny fanjakany.

Tonony sy feony: Janice Kapp Perry, ter. 1938

© 1984 an’i Janice Kapp Perry. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokantrano na ao am-piangonana ka tsy atao itadiavam-bola.

Matio 19:14

Fotopampianarna sy Fanekempihavanana 112:10