Hira
Rotsirotsin’i Maria


28

Rotsirotsin’i Maria

Iainana tsara

1. Matoria, matoria, ry zanako.

Matoria, malalako.

‘Zany fiainanao toa vao miandoha.

Etsy hofihiniko.

Tazan’ i Josefa ery ambony

ilay kintan’ny hazavanao.

[Chorus]

Matoria, matoria, ry zanako.

Matoria, malalako.

2. Ho Mpanjaka, feno voninahitra ianao,

ka ho toy ny Rainao.

Hanome fitahiana tsy manam-paharoa

ireo tananao roa.

Ry voary ô! Andeha hihoby,

fa fiadanana no indro tonga.

[Chorus]

Matoria, matoria, ry zanako.

Matoria, malalako.

Valin-kira azo atao.
Tazan’ i Josefa ery ambony
kintan’ny hazavanao.
Matoria, matoria, ry zanako.
Matoria, malalako.

Valin-kira azo atao.
Ry voary ô! Andeha hihoby,
fa fiadanana no tonga.
Matoria, matoria, ry zanako.
Matoria, malalako.

Tonony: Jan Underwood Pinborough, ter. 1954. © 1989 IRI

Feony: Feon-kiram-bakoka Alemana; narindran’i Darwin Wolford, ter. 1936. Fandrindrana © 1989 IRI

Isaia 9:6

Lioka 2:7–19

Matio 2:1–2