Hira
Tao an-tranon’omby


26

Tao an-tranon’omby

Toy ny hira fampatoriana

1. Tao an-tranon’omby tsy nisy fandriana,

i Jesoa zazakely no nampatoriana.

Ny kintan’ ny lanitra no nanazava,

ka dia resin-tory tokoa ilay zaza.

[Chorus]

Matory (Matory) ilay (ilay)

Mpamonjy izao tontolo izao!

Matory (Matory) ilay (ilay)

Mpamonjy ahy sy anao.

2. Na dia manaitra aza nyomby mitrena,

i Jesoa zazakely dia tsy mba sorena.

Arovy aho Tompo ô, fa tiako Ianao,

hiambina ahy izao hariva izao.

[Chorus]

Matory (Matory) ilay (ilay)

Mpamonjy izao tontolo izao!

Matory (Matory) ilay (ilay)

Mpamonjy ahy sy anao.

3. Avia mitoera ô, Jesoa Tomponay!

Mba ho eto anilanay mandrakizay.

Tahio izahay izay madinikao!

Mba ho tafaverina eo anilanao.

[Chorus]

Matory (Matory) ilay (ilay)

Mpamonjy izao tontolo izao!

Matory (Matory) ilay (ilay)

Mpamonjy ahy sy anao.

*Azo atao feo iray na atao feo roa ny fiverenan-kira.

Tonony: Tsy fantatra anarana, tany ho any amin’ny 1883, Philadelphia

Feony: Charles H. Gabriel, 1856–1932

Lioka 2:3–7

Lioka 18:15–17