Hira
Ô! Matoria ‘zany zanako izany


30

Ô! Matoria ‘zany zanako izany

Amin-katsaram-panahy

1. Avia, matoria fa lazaiko anao

ny fomba niavian’i Jesoa Tomponao.

Fa tany an-tany iray ‘zay lavitra be

No terak’ ilay zaza toa an’ ise.

[Chorus]

Ô! Matoria fa aza manahy.

Avelao ho tony re ny fanahy.

Ô! Matoria ‘zany zanako izany.

Jesoa no hiaro anao eto an-tany.

2. Andian’anjely no nilaz(a) i-zany,

nitondra hazavana ho ety an-tany.

Ka kintan(a) iray no nitsilo nialoha,

nanoro izay nisy an’i Jesoa.

[Chorus]

Ô! Matoria fa aza manahy.

Avelao ho tony re ny fanahy.

Ô! Matoria ‘zany zanako izany.

Jesoa no hiaro anao eto an-tany.

3. Nahita azy io koa ireo mpiandry ondry,

dia ‘lay zazakely tao an-tranon’omby.

Tsy nanan(a) ahiahy na dia tsisy fandriana.

Jesoa dia natory tamim-pifaliana.

[Chorus]

Ô! Matoria fa aza manahy.

Avelao ho tony re ny fanahy.

Ô! Matoria ‘zany zanako izany.

Jesoa no hiaro anao eto an-tany.

Valin-kira azo hiraina miaraka amin’ny andininy.
Ô! Ma-to-ria ia-nao. Ô! Ma- (sns.)

Tonony sy feony: Joseph Ballantyne, 1868–1944

Valin-kira: Patricia Haglund Nielsen, 1936–2009. © 1989 IRI

Lioka 2:7–16

Matio 2:1–2