Hira
Ndao hisaotra ny Ray


15

Ndao hisaotra ny Ray

Misosa tsara

1. Ndao hisaotra ny Ray, ‘lay mpahary anao.

Fa nomeny avokoa ‘zao rehetr(a) izao.

2. Sofina sy maso roa, ary tanana,

ary ny sakafo koa mba hohanina.

3. Dada, neny, zandry koa, mahafinaritra,

dia nomeny avokoa hahasambatra.

4. Ndao hisaotra ny Ray, ‘lay mpahary anao.

Fa nomeny avokoa ‘zao rehetr(a) izao.

Tonony: Robert Louis Stevenson, 1850–1894

Feony: Franz Joseph Haydn, 1732–1809

Salamo 92:1

1 Tesaloniana 5:18