Hira
Zanaky ny Ray aho


2

Zanaky ny Ray aho

Feno fahavononana

1. Zanaky ny Ray aho,

napetrany etỳ.

Nomeny fianakaviana,

ray amandreny tia.

[Chorus]

Tantano aho mba hahita ilay

lalana mankany.

‘Zay rehetra ilaina atao

mba ho tafaverina any.

2. Zanaky ny Ray aho,

ka mila fanampiana.

Ampianaro ahy ny teniny

mba tsy ho diso aoriana.

[Chorus]

Tantano aho mba hahita ilay

lalana mankany.

‘Zay rehetra ilaina atao

mba ho tafaverina any.

3. Zanaky ny Ray aho,

nomeny fitahiana.

Ka raha manao ny sitrapony

dia hody ampifaliana.

[Chorus]

Tantano aho mba hahita ilay

lalana mankany.

‘Zay rehetra ilaina atao

mba ho tafaverina any.

4. Zanaky ny Ray aho.

Ka azo antoka

fa raha toa maharitra,

dia ho any andanitra.

[Chorus]

Tantano aho mba hahita ilay

lalana mankany.

‘Zay rehetra ilaina atao

mba ho tafaverina any.

Valinkira azo hiraina na tendrena amin’ny andininy faha3
Zanaky ny Ray aho,
omeny fitahiana.
Raha manao ny sitrapony
dia hody ampifaliana.
Mba tantano aho hahita
‘lay lalana mankany,
sy ‘zay atao mba
ho tafaverina any.

Jereo koa ny Cantiques, lah. 193, ho an’ny fandrindran-kira feo efatra amin’ny naoty ambony kokoa.

Tonony: Naomi Ward Randall, 1908–2001. © 1957 IRI. Andininy fahefatra © 1978 IRI

Feony: Mildred Tanner Pettit, 1895–1977. © 1957 IRI. Narindran’i Darwin Wolford, ter. 1936. Fandrindrana © 1989 IRI

Salamo 82:6

Môsià 4:15

Fotopampianarna sy Fanekempihavanana 14:7