2016
Fahatairana, alahelo ary drafitr’Andriamanitra
April 2016


Fahatairana, alahelo ary drafitr’Andriamanitra

Mipetraka any Albanie ny mpanoratra.

Tsapako nandritra ny toe-javatra tena nahakivy teo amin’ny fiainako fa niaraka tamiko ny Ray any An-danitra nandritra ny diako iray manontolo.

Sary
illustration like a stained-glass window

Sary nataon’i David Curtis

Vao maraina tamin’ny taona 2008 tamin’izay dia nofohazin’ny reniko aho mba handeha hianatra. Tena faly tokoa aho tamin’io maraina io, saingy tsy nahafantatra aho fa hivadika ho andro faran’izay ratsy indrindra teo amin’ny fiainako izany ary andro farany hiarahako aminy. Tsy nahavita nanatrika ny fotoam-pianarana rehetra aho tamin’io andro io satria nalain’ny namana irain’ny fianakavianay aho ary nilaza tamiko izy fa namono tena ny reniko. Vao 12 taona monja aho tamin’izany.

Nieritreritra aho hoe, “Ahoana no ahafahako miaina tsy misy ny reniko?” Izy no namako akaiky indrindra.

Nitomany nandritra ny volana maro aho. Tsy tiako ny nandeha nianatra satria raisin’ny ankizy hafa amin’ny fomba hafa aho ary nitsetra ahy izy ireo. Tsy fantatro izay zavatra tokony hataoko fa fantatro fotsiny hoe mila matanjaka ho an’ny olona hafa rehetra aho.

Indray andro, dimy na enim-bolana taorian’ny nahafatesan’ny reniko dia izaho irery no tao amin’ny efitranoko ary teny amin’ny varavarankely aho no nitomany sy niezaka nanakatra hoe inona no antony mahatonga ahy eto. Tampoka teo dia naheno feo tao an-tsaiko aho: “Zanako vavy ianao; tsy havelako hijaly ianao.” Fantatro fa Andriamanitra izany. Saingy nanaitra ahy izany satria tsy nino Azy intsony aho, indrindra noho ny fahatsapako fa Andriamanitra no nanaisotra ny reniko tamiko. Na dia tsy fantatro aza ny zavatra tiany holazaina dia nahatsapa ho voaro aho.

Nandeha tany Rome, Italie mba hamangy ny dadatoako aho telo taona taty aoriana. Noresahiny tamiko foana ny momba ilay fiangonana niangonany. Nentiny niaraka taminy aho indray Alahady. Hotsaroako foana ny fandehanako nankeny amin’ireo varavaran’ny fiangonana voalohany indrindra ary ny fahatsapana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra rehefa niditra aho. Nahatsapa ho toy ny tany an-trano izany aho.

Nanomboka nandeha tany am-piangonana isaky ny Alahady aho ary nanatrika ireo fiaraha-mientana niseho nandritra ny herinandro. Tiako ny niaraka tamin’ireo zatovon’ny Fiangonana. Nitondra fifaliana bebe kokoa ho ahy izy ireo. Nitovy ireo zavatra tao an-tsainay sy ninoanay. Avy eo, telo volana taorian’izany dia tapitra ny fialantsasatra amin’ny faharavatra ka tsy maintsy niverina tany Albanie aho.

Rehefa niverina nody aho dia nolazaiko tamin’ny raiko ireo zavatra tsapako sy ny fifaliana tsapako nandritra ny fotoana rehetra tany. Tsy tiany anefa izany. Nilaza tamiko izy fa tsy havelany manohy mandeha miangona aho sy hianatra bebe kokoa momba izany. Noho izany dia mila manana faharetana aho mandritra ny telo taona manaraka mandra-pahafeno 18 taona ahy. Amin’izay aho afaka manao safidy ho an’ny tenako sy mirotsaka amin’ny batisa.

Nandritra izay fotoana izay dia tena voatahy aho satria nisy olona maro nilaza tamiko izay nianaran’izy ireo tany am-piangonana isaky ny alahady. Iray tamin’ireo olona ireo i Stephanie. Nipetraka tany Italie izy tamin’ny fotoana nidiran’ny dadatoako ho mpikamban’ny Fiangonana, saingy niverina nipetraka any aminy any Etazonia izy. Nihevitra ny dadatoako fa tsara raha mifanoratra izahay, ka dia nalaiko ho namana tao amin’ny Facebook izy.

Na dia tsy mba nihaona velively nivantana aza izahay dia ho feno fankasitrahana azy foana aho noho ny fanampiana ahy hanorina ny finoako sy hianatra bebe kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanoratra tamiko saika isaky ny alahady izy ary nilaza ny zavatra rehetra nianarany tany am-piangonana dia namaly ireo fanontaniako. Namako akaiky izy.

Farany, taorian’ireo taona maro nananana faharetana, dia natao batisa roa andro taorian’ny naha-feno 18 taona ahy aho. Ary afaka fotoana fohy dia hozaraiko amin’ny reniko ny fifaliana tsapako tamin’izay andro izay, satria hatao batisa ho azy aho. Fantatro fa ho faly izy noho ny fiainana nosafidiako mba hiainana.

Mahatsapa ho tahin’ny Ray any An-danitra aho satria niaraka tamiko tamin’ny fomba maro izy nandritra ny diako iray manontolo. Nilaiko fotsiny ny niandry sy nanam-paharetana satria nanana drafitra ho ahy Izy. Izy ilay nanome hery ahy mba hahatafavoahako tamin’ireo fitsapana natrehako rehetra. Teo foana Izy, nanampy ahy ho faly kokoa.