2016
Mpitily eo amin’ny tilikambo
April 2016


Mpitily eo amin’ny tilikambo

Sary
watchmen on the tower

Mpitily

Ny mpitily dia mpiambina hita eo amin’ny rindrina na tilikambo iray mba hitily sy hampitandrina amin’izay loza mety mananontanona. Nomena asa mba hiaro ireo tanàna ary koa ireo tanimboaloboka na saha na tanim-bilona izy ireo.

Ireo karazana tilikambo

Ireo tilikambo eo amin’ny rindrin’ny tanàna dia matetika no aorina eo amin’ny vavahady na eo amin’ny zorony (jereo ny 2 Tantara 26:9). Na ny vavahady na ny zorony dia samy misy toerana avo izay ahafahana mijery izay loza mananontanona sy hanoherana ireo fanafihan’ny fahavalo (jereo ny 2 Tantara 26:15).

Ireo tilikambo eo amin’ny manda dia matetika trano tsy miraikitra amin-javatra fa mitokana ka aorina eo amin’ny faritra avo na toeram-pamaharana hafa. Indraindray izy ireo dia tena lehibe ka afaka ny ho toeram-pialofana farany ho an’ny mponina iray manontolo ao amin’ny tanàna iray rehefa misy manafika izy ireo (jereo ny Mpitsara 9:46–52).

Ireo tilikambo eo amin’ny tanimboaloboka na saha na tanim-bilona dia trano kely naorina mba hoentina miaro ny voly sy ny andiam-biby fiompy amin’ireo mpangalatra sy biby (jereo ny 2 Tantara 26:10; Isaia 5:2; 27:3). Matetika ilay faritra ambany dia efitrano fitahirizana ireo fitaovana.

Ireo mpitily eo amin’ny tilikambo dia:

Mitoetra amin’ny toerana ahafahana mijery avy eny ambony ireo faritra manodidina. Amin’ny maha-mpanompo nantsoin’Andriamanitra sy nomeny fahefana, dia manalavitra an’izao tontolo izao ireo mpaminany, ary afaka mahita zavatra amin’ny fomba fijery mitovy kokoa amin’ny any an-danitra.

Mahita zavatra izay tsy hitan’ny olona sisa. “Fa ny mpahita dia mety mahafantatra ny amin’ny zavatra izay efa lasa ary koa ny amin’ny zavatra izay ho avy ary amin’ny alalan’ireo no hanambarana ny zava-drehetra na ny marimarina kokoa no hanehoana ny zava-miafina ary ny zava-nafenina dia ho tonga eo amin’ny hazavana ary ny zavatra izay tsy fantatra dia hampahafantarina amin’ny alalany ary ao koa ireo zavatra hampahafantarina amin’ny alalany, ireo izay tsy azo fantarina” (Môsià 8:17).

Malina. Manana andraikitra lehibe mba hampitandrina antsika mikasika ireo loza mananontanona ireo mpaminany ary hanohy hanao izany izy ireo na manao ahoana na manao ahoana ny hevitry ny besinimaro na ireo zavatra mahavariana eo amin’ny fiaraha-monina.

Mampitandrina mikasika ireo zavatra dieny mbola lavitra izany. Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany. Mpitory fahamarinana izy. Indraindray dia entanim-panahy ny mpaminany hanambara mialoha ny hoavy, mba ho tombontsoan’ny olombelona.(Torolalana ho an’ny soratra masina, “Mpaminany,” lds.org/scriptures/gs).

Manolotra fomba hiarovana amin’ny loza sy fiarovana. Rehefa mihaino ny fampitandreman’ireo mpaminany isika dia afaka ny ho voaro amin’ny loza sy hisoroka ireo zava-doza izay mety hamely antsika manokana na hamely antsika miaraka rehefa tsy mankatò isika.